airtel

Politique

11-juil-2024

Niala ny Governemanta

Ambony ny tsindry hamerenana an’i Ntsay

Sample post image

Nametra-pialana omaly hariva ny governemanta tarihin’ny Praiminisitra Ntsay Christian,

11-juil-2024

ka nankatoavin’ny Filoham-pirenena tamin’ny alalan’ny didim-panjakana laharana 2024-1450 izany omaly. Manohy ny fampandehanan-draharaha ny governemanta mandra-pipetraky ny solony. Taorian’ny fanambarana ofisialy ny voka-pifidianana solombavambahoaka ny 27 jona no tokony ho efa nandeha io. Niandrasana ny fanokafana ny taom-piasan’ny depiote mihitsy ? Voafaritry ny lalàmpanorenana, ary tafiditra anatin’ny sata Repoblikanina ny fametraham-pialan’ny governemanta aorian’ny fahavitan’ny fifidianana depiote noho ny rafi-pitantanana mifampampiditra. Miainga avy amin’ny vondrona parlemantera manana ny maro an’isa no manolotra ny anaran’ny Praiminisitra araka ny voalazan’ny andininy faha-54 amin’ny lalàmpanorenana. Fametraham-pialana vetivety ihany ny an’ny Praiminisitra Ntsay Christian sa fametraham-pialana tsy ho tafaverina intsony ? Samy miandry izay ho fandehany ny rehetra, fa raha ny zava-miseho ara-politika dia karazan’ny fombafomba fanao io fa mbola ity farany ihany no hotendrena manaraka eo. Raha anarana maromaro no mihelohelo eny amin’ny Antenimierampirenena amin’izay mety ho lasa filohan’io andrim-panjakana io, dia tsy misy anarana tena re manalokaloka ny an’Atoa Ntsay Christian mihitsy aloha hatreto. Isan’ireo Praiminisitra ela fanapahana indrindra tato anatin’ny Repoblika faha-4 ny tenany, ary isan’ny Praiminisitra ela indrindra taorian’ny Jeneraly Désiré Rakotoarijaona (1977-1988) izany hoe : naharitra 11 taona nitantanana governemanta. Voalaza hatreto, fa tena sarotra hontsonina Atoa Ntsay Christian izay misy hery lehibe ara-toekarena sy ara-politika ao an-damosiny, hany ka na nisy aza ny fitsipaham-pitokisan’ny solombavambahoaka ny governemanta ny 07 desambra 2022 nisiana soniana depiote 105 noho ny tsy fahombiazan’ny governemanta, dia ny Filoham-pirenena mihitsy no voatonontonona ho namory ny depiote niditra an-tsehatra nanatsefotra izany. Andrasana izany izay ho fivoakany aorian’ny filaminan’ny raharaha etsy amin’ny Antenimierampirenena izay nandinika sy nandany ny fitsipika anatiny omaly, ary andrasana anio ny birao ny Birao maharitra.
AFAKA NY HITONDRA RIVO-BAOVAO ARA-TOEKARENA SY SOSIALY VE ?
Rehefa mipetrapetraka ny ao Tsimbazaza dia andrasana indray izany izay ho fivoaky ny governemanta. Vao lany ny Filoha, vao voafidy ny solombavambahoaka, ary mila rivo-baovao ihany koa ny mpanatanteraka raha ny lojika politika, na dia hanalefahana ihany ny tsio-drivotra mafampana aza. Hifanojo amin’izay ve anefa ny ho endriky ny governemanta eo ? Inona no antenaina aminy ? Hiorina amin’ny kajy politika fotsiny toy ny hita eny Tsimbazaza sa mba hitondra fanantenana sy vokatra eo anatrehan’ny olana samihafa ara-toekarena, sosialy, tsy fisian’ny famoronan’asa, delestazy, fidangan’ny vidim-piainana, fahapotehan’ny làlana,… Ny sary mitranga mantsy dia mitosaka ny fampanantenana, kanefa ny tetibolam-panjakana na LFR 2024 hoentin’ny mpanatanteraka aza nokantsanana hatrany amin’ny 3400 miliara Ar ? Hahena ve ireo Minisitera eo anatrehan’io? Andrasana !
Toky R
 

Dans la même rubrique

19-déc-2024

Natsikafon’ny KMF/CNOE-Fanabeazana olompirenena nanoloana ny mpanao gazety avokoa

Card image cap
19-déc-2024

Miantso ny mpomba an’i Tojo Ravalomanana mba hanao fety fa aminay dia efa mandresy

Card image cap
19-déc-2024

Nisy fisondrotany 30 ka hatramin’ny 100% ny vidin’entana eny an-tsena tato anatin’ny 5 taona. Tena voakasika mivantana amin’io ny sakafo toa ny vary , hena,

Card image cap
19-déc-2024

Kaominina miisa 427 izany hoe 25,2 %n’ny kaominina eto Madagasikara no nahitana mpifidy nampiasa

Card image cap
19-déc-2024

Lehiben’ny fokontany mihoatran’ny 20 isa no tratran’ny mpifidy, ny mpanara-maso na «superviseur»

Card image cap
18-déc-2024

Mandray fitarainana samihafa toy ny tsindrihazolena, fanararaotam-pahefana,…

Card image cap