airtel

Politique

21-juin-2024

Niditra an-tsehatra ny Firenena Mikambana

« Hajao ny fahaleovantenan’ny HCC, atsaharo ny fampihorohoroana »

Sample post image

Miditra an-tsehatra an-tsehatra ny Firenena Milambana manoloana ny toe-draharaha eto Madagasikara, indrindra taorian’ny fifidianana.

21-juin-2024

Manoloana ny fandrahonana ireo mpikambana ao anatin’ny fanoherana taorian’ny fifidianana, miantso ny hanajana ny fahaleovantenan'ny fahefana mpitsara sy ny zo amin'ny fahalalahana maneho hevitra, tamin’ny alalan’i Thameen Al-Kheetan, Mpitondratenin'ny Birao misahana ny zon'olombelona ao amin'ny Firenena Mikambana na ny OHCR omaly 20 jona 2024. Voalaza ao anatin’io fanambarana sy antso io fa maro ireo mpikambana ao amin'ny mpanohitra sy kandidà tsy miankina izay nanohitra ny fizotran'ny fifidianana solombavambahoaka farany no tratry ny fampihorohoroana tamin'ny fampitahorana sy fandrahonana avy amin'ny manampahefana. Nitatitra ireo mpikambana sy mpitarika ao amin'ny mpanohitra fa naharay antso fampitahorana sy fandrahonana talohan'ny sy taorian'ny fifidianana izy ireo, hoy io rafitra eo anivon’ny Firenena Mikambana io. Kandidà roa tsy miankina izay nametraka fitarainana mikasika ny tsy fetezana nandritra ny fifidianana no isan’ny vesarana heloka ho nitarika fandorohana trano niniana natao sy "nanao fanohintohinana ny filaminana anatin’ny firenena". Nosamborina tao an-tranony nandritra ny 17 andro izy ireo talohan'ny niampangana azy ireo. Tsy maintsy hajaina tanteraka ny zony amin'ny fitsarana ara-dalàna sy ny fitsarana ara-drariny, hoy hatrany io rafitra eo anivon’ny Firenena Mikambana io. Ny depiote Masy Goulamaly izay nosamborina sy natao andrimaso no isan’ny voaresaka eto na tsy novantanina aza. « Mbola eo am-pandinihana sy fikirakirana ny fitoriana mifandraika amin'ny fifidianana tamin'ny 29 mey ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana na ny HCC, koa mangataka mafy izahay ny hanajana ny fahaleovantenan'ny fahefana mpitsara. Miantso ny manampahefana ihany koa izahay mba hiantohana ny fanajana ny zo amin'ny fahalalahana miteny sy ny fihaonana am-pilaminana. Ny fisamborana sy fanagadrana mba hanasaziana ny fampiasana ara-drariny ireo zo ireo dia tsy ara-drariny. Izany dia miteraka tahotra ary mampihena ny fahavononan'ny olom-pirenena hampiasa malalaka ny zony sivika sy politika rehetra », hoy io fanambarana nataon’i Thameen Al-Kheetan, Mpitondratenin'ny Birao misahana ny zon'olombelona ao amin'ny Firenena Firenena. Midika io fa manara-maso akaiky ny toe-draharaha eto Madagasikara ny Firenena Mikambana, indrindra fa eo amin’ny lafiny zon’olombelona, demokrasia,… Misy akony betsaka amin’ny fiaraha-miasan’i Madagasikara eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena ny tahaka itony, ary anisan’ireo pitsopitsony jerena foana rehefa misy fanapahan-kevitra amin’ny famatsiam-bola na fiaraha-miasa ny resaka zon’olombelona, fanajana ny demokrasia, fahalalahana maneho hevitra, Fanjakana tsara tantana,… Mety hiteraka sazy mivantana na ankolaka eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena, toa io fiantraikan’ny fandroahana ankolaka ny Ambasadaoron’ny Vondrona Eoropeanina io.
Toky R
Sary fanehoana : Thameen Al-Kheetan, Mpitondratenin'ny Birao misahana ny zon'olombelona ao amin'ny Firenena Mikambana na ny OHCR
 

Dans la même rubrique

22-oct-2024

fa kosa tsy azo atao ny mangina sy mikipy eo anatrehan’izao fahapotehana maro lafy izao.

Card image cap
22-oct-2024

Tao anatin’ny herinandro latsaka kely nanombohan’ny Asa Maharitra ho an’Antananarivo na AMA

Card image cap
22-oct-2024

Tsy zava-baovao ny fihetsiketsehan’ny mpanao politika mialohan’ny fampielezan-kevitra tahaka izao,

Card image cap
22-oct-2024

Taorian’ny Kaominina Alasora Avaradrano dia fantatra fa efa ahitana ilay lalao maloto momba ny fifidianana

Card image cap
21-oct-2024

Feno herintaona ny nisian’ny vondron-kery manokana vonjy taitra GFSI (Groupement des Forces Spéciales d’Intervention)

Card image cap
21-oct-2024

Tsy fampanantenana sy toky fitaka hatrany no ilaina, asa no ilain’ny vahoaka fa tsy fampanantenana poakaty, hoy ny kandida Tahina Razafinjoelina ny sabotsy teo,

Card image cap