Mahavitara Sylvestre, fa indrindra ny fisamborana ihany koa ny Filohan’ny Grand Sud-Est Rasambozafy Cyrille. Raha ny vaovao farany azo omaly avy any Vangaindrano, dia nadoboka am-ponja vonjimaika ireo olona 8 voasambotra taorian’ny fampanoavana, izay ity Filohan’ny Grand Sud-Est ity no lohan’ny mpisorona. Ny 22 aogositra ho avy izao no hiakatra fampanoavana izy ireo. Andaniny, tolona ho an’ny fitovian-jo satria tsy ekenay ny tsy fampitoviana zo ny distrikan’i Vangaindrano amin’ny distrika rehetra manerana an’i Madagasikara, hoy Rasambozafy Cyrille tao anatin’izao raharaha izao. Ireo voasambotra izay nambaran’ireo manodidina azy, fa nofatorana rojo vy tao anatin’ny 10 andro. « Nisy tsitsika natao tao amin’ny reniranon’i Menagnara nataon’ny Antesaka, ny terak’i Vangaindrano. Natao io noho ny fanambanimbaniana ny Antesaka sy ny zanaky ny Sud-Est. Tazonina hatramin’ny farany ny firaisankina hitaky ny rariny raha misy zavatra tsy rariny mahazo, toy ny manjo an’i Mahavitara Sylvestre. Raha ao anatin’ny lalàna, dia voafidy izy na tany am-ponja aza no nisy azy, ka tsy any ny fonenany. », hoy Rtoa Carrozza Heliarisoa anabavin-dRasambozafy Cyrille, izay monina any ivelany. Fanehoan-kevitra nialohan’io fampidirana am-ponja io moa ny azy, izay nanamarika, fa nisy fangatahana natao tamin’ny OMC (Organe Mixtes de Conception) iny fihetsiketsehana tao Vangaindrano iny, ary nilaza Rasambozafy Cyrille fa nahazo alalana. Tsy maintsy hirefotra tahaka ny volkano io raha tsy mandinika ny Fanjakana. Nalaina sary eo ambony fiaran’ny zandary, voadidina zandary Rasambozafy Cyrille. Nofatorana rojo vy na andro alina aza. Mba rariny ve ? hoy io anabaviny io. Ny mpangalatra harem-pirenena, hoy izy, malalaka sy tsy samborina ary tsy miditra am-ponja, fa ny mitaky am-pilaminana gadraina. Sokatra any Thaïlande tsy misy tohiny, volamena any Kaomoro sy Afrika Atsimo tsy misy tohiny,… Hitondra korontana ny zavatra ataonareo, ary azo adino fa ny herikerika maha tondra-drano. Izahay tsy hanaiky ny hambanimbaniana sy zimbazimbaina, hoy hatrany Rtoa Carozza Heliarisoa. Mangataka avoahy ny olonay, tsy nangalatra, tsy nanondrana harem-pirenena, ka mba asio fanajana. Tany amin’ny fanandevozana aza vahana rehefa ny rojo vy rehefa hiasa, ka nahoana no fatorana rojo vy mandritra ny 10 andro ? Hoy Rtoa Carozza Heliarisoa. « Avoahy ny olobe, avoahay ny filohan’ny Grand Sud-Est, mba tsy hisian’ny korontana hitranga. Ny mamorona mety moramora, fa ny hanarina an’izay no sarotra. Am-pahendrena no hangatahanay zanaka Antesaka hamoahana ny olobenay. Efa nanao fangatahana ireo olobe, ny ampanjaka, ary izahay aty ivelany ihany koa dia an-dalana, koa mba ialana ny zavatra mety hitranga aoriana, dia ny mbola tsy mamay ny afo, dia atsaharo dieny izao hialana an’ireo zavatra mety hitranga », hoy ny fanambarana.
Toky R
Nisy moa ny fanambarana nataon’ny vady aman-janany omaly hita tamin’ny haino aman-jery, nangataka amin’ny fitsarana hanao fanadihadiana ara-drariny, fa tsy mibaiko azy ireo. Miantso ny manam-pahefana hijery ara-drariny ny raharaham-pitsarana, ary miantso fitoniana avy amin’ny rehetra.
Miantso ny mpomba an’i Tojo Ravalomanana mba hanao fety fa aminay dia efa mandresy
Nisy fisondrotany 30 ka hatramin’ny 100% ny vidin’entana eny an-tsena tato anatin’ny 5 taona. Tena voakasika mivantana amin’io ny sakafo toa ny vary , hena,
Kaominina miisa 427 izany hoe 25,2 %n’ny kaominina eto Madagasikara no nahitana mpifidy nampiasa
Lehiben’ny fokontany mihoatran’ny 20 isa no tratran’ny mpifidy, ny mpanara-maso na «superviseur»
Mandray fitarainana samihafa toy ny tsindrihazolena, fanararaotam-pahefana,…