airtel

Politique

16-oct-2024

NITENY NY AMBANY TANANA

« Izahay tsy atao sôsety intsony fa mila olona tena miasa hampivoatra anay »

Sample post image

Aok’izay, tsy atao sosety, tsy atao lafika izany intsony , tsy atao tohatra fiakaana izahay ambany tanana fa mila olona tena hitondra ny fanovana,

16-oct-2024

manana programanasa tena hanome asa sy hanatsara ny fiainanay, hoy Prezda Naina nisolotena ny fikambanan’ny ambany tanàna miray. Nifampitaona teny andrefan’Ambohijanahary izy ireo ny alatsinainy lasa teo nahitana ny solontenan’ireo tanora mpanao rugby avy eny ambany tanana, ny FTMR6, sy ny solontenan’ny avy any amin’ny 192 fokontany eto Antananarivo renivohitra. Nihaino ny hetaheta sy nitafa mivantana tamin’izy ireo teny an-toerana i Tahina Razafinjoelina. Nambaran’ny Prezda Naina mpitarika ny fikambanana fa tena mangetaheta fiovana amin’ny fitantanana ity Iarivo ity izy ireo. Olana iraisana ny resaka jiro sy rano hoy izy fa manana ny olanay manokana ny eny amin’ny faritra iva. Voalohany amin’izany ny fandriam-pahalemana. Nalaza foana fa hoe fialokalofan’ny mpanao ratsy ny eny amin’izy ireo , hany ka matimaty foana voatifitra ny zanak’izy ireo na dia tsy manao asa ratsy aza. Ankoatra izay ny tsy fisian’ny asa, ny fahadiovana sy ny maro hafa. Leo atao tohatra fiakarana izahay hoy hatrany ny prezda Naina. Rehefa fotoan’ny fifidianana tahaka izao dia manao tsy ombialoha ny mpanao politika midina manantona anay , rehefa lany anefa izy ireo dia ataony vato natsindry ahazana izahay. Ankehitriny anefa dia nahita olona manana vina sy maharesy lahatra izy ireo ka nanapakevitra hanohana ny kandida Tahina Razafinjoelina , noho izy manana ny vina hamahana ireo olana fototra iainan’ireo tanora eny amin’ny faritra iva. Filazany matetika rahateo ny hoe Asa maharitra izay tena ilain’ny tanora amin’izao no atao fa tsy rendrarendra na fampisehoana. Nilaza kosa i Tahina Razafinjoelina nandritra io fihaonana io fa amin’ity herinandro ity dia hanomboka ny asa omena ireo mponina ao amin’ny boriboritany voalohany asa fanadiovana sy fanatsarana ny tanànan’izy ireo ihany no atao amin’izany, handraisana karama. Hitohy amin’ny boriboritany hafa izany aorian’io. Ho an’ny fanatanjahantena indray dia hitondra Mpitsirika talenta sy mpanofana iraisampirenena eny amin’ny faritra iva isika, ato ho ato , hijery ireo tanora manana talenta amin’ny baolina kitra sy ny Rugby,hoy izy.
Solotiana sy RTT

 

Dans la même rubrique

17-oct-2024

Anisan’ireo fikambanana resy lahatra ny amin'ny vinan'ny Tahiana Razafinjoelina (TR) ny Tanora Miharisoa 67 ha

Card image cap
17-oct-2024

Mihamafy ny tsindry ho an’ny Fitondrana Rajoelina na efa mafy aza ny vesatra eo anatrehan’ny krizy ara-tsosialy

Card image cap
17-oct-2024

Mafampana hatrany ao Tsimbazaza ao anatin’izao fivoriana ara-potoana eo anivon’ny Antenimierampirenena izao.

Card image cap
16-oct-2024

Ny fanotronan’ny filohan’ny Vaomieram-pirenena mahaleotena misahana ny fifidianana na CENI

Card image cap
16-oct-2024

Niditra amin'ny fivoriana ara-potoana nanomboka omaly 15 oktobra ny antenimierampirenena.

Card image cap
16-oct-2024

Nanazava sy niaro tena ny eo anivon’ny CENI

Card image cap