airtel

Politique

03-déc-2024

Ny mpikamban’ny HCJ fotsiny no miovaova

Dosie goavana amina miliara maro tsy voatsara

Sample post image

Lany ho Filohan'ny Vaomiera manokana misahana ny fiampangana manoloana ny Fitsarana Avo na ny HCJ

03-déc-2024

Haute Cour de Justice) ny depiote voafidy tao amin'ny Distrikan'i Morondava sady Filohan'ny vondrona parlemantera IRMAR Atoa Haja Resampa, araka ny fifidianana natao tao Tsumbazaza omaly 02 desambra. Voafidy ihany koa ireo solontena roa avy amin’ny Antenimierampirenena ho mpikambana eo anivon'ny HCJ, dia Atoa Andrianirina Narcis, depiote avy amin'ny Distrikan'i Mahabo sy Atoa Maminirina Jolce Emilien avy amin'ny Distrikan'i Manakara. Nofidiana ihany koa ireo mpisolo toerana roa, Rtoa Raby Savatsarah Ain'Harimanga Gabrielle voafidy tao amin'ny Distrikan'i Farafangana, sy Atoa Rivotiana Jean Bosco voafidy tao amin'ny Distrikan'i Lalangina. 6 taona eo izay no nitsanganan’ny HCJ, manodidina ny 14 ireo dosie mikasika raharaha kolikoly mahasaringotra olona ambony teo aloha toy ny Filoham-pirenena, Praiminisitra, Minisitra, Filohana andrim-panjakana,… fa tsy misy na iray aza notsaraina. Hatrany amin’ny novambra 2020 no voresaka ny resaka volabe 700 tapitrisa Ar nampidirana tao anaty kaonty manokana minisitra iray, nisy minisitra voarohirohy tamina tsenambaro-panjakana tsy nisy asa na « marché fictif » 5,9 miliara Ar, nisy minisitra voarohirohy tamina kolikoly 1 miliara Ar, nisy minisitra teo aloha voarohirohy tamin’ny raharaha fivarotana tanim-panjakana, hatramina Praiminisitra teo aloha aza efa nisy dosie lehibe,… Mbola azo tsiahivina ireo dosie goavana maro tamin’ny andron’ny coronavirus toy ny bonbons sucettes 8 miliara Ar, ny raharaha « écran plat », ny ampamoakan’ilay PRMP Miaro Rama mikasika tsenambaro-panjakana tao amin’ny Minisiteran’ny fahasalamana,… Nangina ireny tamin’ny ankampobeny ! Ny Solontena ao amin’ny HCJ no misolosolo fa ny dosie tsy misy voatsara, tsy hay koa aza raha efa nivadika rivotra satria efa nisy volamena nivadika korotam-by teto.
AKATSO AO AMIN’NY ANTENIMIERA !
Miainga amin’ny kaomisionina, ary raha vao ekena, dia ny mitsara araka ny lalàna no anjaran’ny HCJ, hoy ny depiote iray omaly. Any amin’ny Antenimiera no tompon’ny teny farany, ka mihitsoka eo avokoa ny ankamaroan’ny dosie noho ny mety ho fisiana kajikajy sy fifampiarovana ara-politika. Efa nanatsikafona ny tsy fetezan’io ny Filohan’ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana na ny HCC ankehitriny Atoa Florent Rakotoarisoa ny janoary 2024 ka nilaza mazava fa mandeha ila ny ady amin’ny kolikoly noho ny tsy fahafaha-manenjika ireo mpikamban’ny governemanta sy Filohana andrim-panjakana manana dosie maloto raha tsy mahazo tsodrano avy amin’ny antenimierampirenena. Ny dosie goavana nahasaringotra olona ambony mangina fa mikatso eo amin’ny depiote, ireo raharaha tsy mazava na mety kolikoly avo lenta tokony hanaovana fanadihadiana parlemantera vitavita ho azy. Anisan’ireny ny afera Jirama izay efa betsaka ireo raharaha goavana tany aloha fa vao iny natsikafon’ny Cour des comptes farany teo momba ny elanelana mikasika ny solika mitetintina 92 miliara Ar mahery, ny fatiantoka hatrany amin’ny 2500 miliara Ar,… Tahaka izany ihany koa ny kolikoly na tsy fangaraharahana mikasika ny fanamboaran-dàlana izay handaniana volabe kanefa fotoana fohy dia potika, ny afera mikasika trafikana harem-pirenena, ny fampidirana vary safiotra mety hitera-doza,… Ny mpangalatra akoho midoboka any am-ponja fa ny mpangalatra amina miliara milamindamina !
Toky R
 

Dans la même rubrique

03-déc-2024

Tsy maintsy miteny ny tena, hoy ny fanehoan-kevitry ny pastera Roger Randriamisata satria

Card image cap
03-déc-2024

Nihazakazaka ny fanenjehana samihafa ny kandida ben’ny tanàna eto Antananarivo Tahina Razafinjoelina vao

Card image cap
03-déc-2024

Mila fanahin’olona matotra, azo itokisana tsara ny fanaovana politika, hoy ny antoko politika FLN na Front de libération nationale.

Card image cap
03-déc-2024

Teny amin’ny boriboritany faha 4 dia Ankaditoho, Tsimbazaza, Anosibe androany alatsinainy 2 desambra 2024 ny kandida Tahina Razafinjoelina.

Card image cap
03-déc-2024

Mijoro hampitambatra ny mponina ao Alasora, distrikan’Avaradrano Ravolarimanana Joa Kim.

Card image cap
02-déc-2024

Niara-niombom-bavaka tamin'ireo mpino eo anivon’ny Fiangonana FPVM ny Filohan’ny Repoblika

Card image cap