airtel

Politique

14-juin-2024

Olon’ny CENI ao Faratsiho henjehina

Sady mampiditra no mamoaka ny CENI Foibe…

Sample post image

Nitondra ny fijeriny manoloana ny raharaham-pifidianana any Faratsiho izay misy fanenjehana

14-juin-2024

tompon’andraikitra avy amin’ny Rantsa-mangaikany ny Vaomieram-pirenena misahana ny fifidianana na ny CENI, tamin’ny alalaln’ny Mpampaka-teniny Atoa Soava Andriamarotafika omaly. « Misy ny tompon’andraikitra avy amin’ny rantsa-mangaikan’ny CENI any an-toerana dia ny mpiandraikitra ny haitao ara-kajy mirindra izay voarohirohy amin’ny raharahan-keloka, na fiampangana, na fanenjehana. Nilaza ho manao ho zava-dehibe ny fiheverana ny asan’ireo rantsa-mangaika ny CENI Foibe. Manara-maso akaiky hatrany amin’ny rafitra ambany, ka tsy manamaivana ny tranga izay miseho any Faratsiho. Nambara fa nandrasaisana fepetra ity olona CENI izay voarohirohy ity. Na izany aza, nolazaina fa tsy mitsabaka ny raharaham-pitsarana. Manome toky ny rehetra fa ny CENI Foibe dia manara-maso ny fanatanterahana ny asa anirahan’ny lalàna. », hoy io Tompon’andraikitra io. Manao fitan-droa sy firesaka roa ka sady mamoaka no mampiditra ny CENI satria tsy te ho ratsy rehefa zohiana, ka andaniny dia nanamarika ity mpampaka-teny ity, fa efa naka manam-pahaizana manokana momba ny lalàna dia ny mpisolovava hiaro azy amin’ny dingana rehetra handehanan’ny raharaha ny CENI foibe. Andaniny, nilaza ho tsy mijery arina an-tava sy manolo-bato mafana raha misy sanatria ny solafaka na mandika ny lalàna velona dia tsy miaro an’izany ny CENI fa amin’ny Fanjakana tan-dalàna dia ny fitsarana ihany no manana ny fahefana handanjalanja sy hametraka ny maha zava-dehibe ny fampiharana azy. Tsy tena te hiditra lalina na manana fijery raikitra izany ny CENI hoe : madio na maloto ny olona notendreny tao Faratsiho, fa dia arakaraka ny fitsoaky ny rivotra sy fahitan’ny fitsarana azy eo rehefa zohiana. Hita taratra amin’io raharaha Faratsiho io ny politika avo lenta, izay hoentina handrarahana ny kandida nandresy ny minisitra teo aloha izay resy vonjimaika, raha ny fanehoan-kevitra samihafa.
Toky R
 

Dans la même rubrique

22-oct-2024

fa kosa tsy azo atao ny mangina sy mikipy eo anatrehan’izao fahapotehana maro lafy izao.

Card image cap
22-oct-2024

Tao anatin’ny herinandro latsaka kely nanombohan’ny Asa Maharitra ho an’Antananarivo na AMA

Card image cap
22-oct-2024

Tsy zava-baovao ny fihetsiketsehan’ny mpanao politika mialohan’ny fampielezan-kevitra tahaka izao,

Card image cap
22-oct-2024

Taorian’ny Kaominina Alasora Avaradrano dia fantatra fa efa ahitana ilay lalao maloto momba ny fifidianana

Card image cap
21-oct-2024

Feno herintaona ny nisian’ny vondron-kery manokana vonjy taitra GFSI (Groupement des Forces Spéciales d’Intervention)

Card image cap
21-oct-2024

Tsy fampanantenana sy toky fitaka hatrany no ilaina, asa no ilain’ny vahoaka fa tsy fampanantenana poakaty, hoy ny kandida Tahina Razafinjoelina ny sabotsy teo,

Card image cap