airtel

Politique

24-févr-2025

Otrikady anaty fitondràna

Miha tazana, tsy misy tokontaniny ny fampandrosoana

Sample post image

Efa noresahina ny faran’ny herinandro teo ny mikasika ireo lonilony na «frustration»

24-févr-2025

taratra ao anatin’ny fanarahan-dia an’izao fitondràna ankehitriny izao. Hita ho miseho lany eo anivon’ny fanoherana ihany koa ny tahaka izany, araka ny famakafakana efa natao, fa eto moa izany dia ny mikasika ny otrikady na «conflit» anaty fitondràna kosa, izany hoe tafiditra ao anatin’izay ireo mpiaradia amin’ity fitondràna ity, araka ny voalaza teo, no hita ho miha tazana hatrany amin’izao fotoana izao. Voajanahary eo amin’ny maha olombelona sy fiarahamonina, tahaka ny fiarahamonina politika, ny fisian’ny antsoina hoe «otrikady» na «conflit». Efa nazavain’ireo mpandinika izany ary efa nambara teto ihany koa fa misy ambaratonga izy io. Miainga amin’ny antsoina hoe disadisa na «turbulence» io no miakatra amin’ny antsoina hoe aditeny na «tension» ka rehefa mbola tsy voafehy ihany dia mivadika adilahy na krizy ary raha mbola miha ratsy moa dia miafara amin’ny antsoina hoe ady atsanga na «conflit déclaré», izay miafara amin’ny herisetra mihitsy. Mametraka fanontaniana ankehitriny ny mpanara-baovao, indrindra, manoloana ny vono olona nahazo ny ben’ny tanànan’i Mangataboahangy Ambatofinandrahana, Narindraniaina Ranivoarivony, ny faran’ny herinandro teo. Ny rain’ity farany ihany koa moa, raha tsiahivina, dia maty nisy namono toa azy ihany. Toy izany koa ny fanontaniana nanitikitika ny maro tamin’ny fodiamandrin’ny filohan’ny delegasionina manokana teto Antananarivo, Richard Ramanambitana. Fanontaniana nipetraka tao anatin’izany rehetra izany ny hoe inona marina no nitranga? Inona no antony? Mpitondra nitondra ny lokon’ny fitondràna ankehitriny ireo, sanatria ve dia tonga tany amin’izany fomba mamoha-doza izany mihitsy ilay ambaratongana otrikady? Anaty krizy na hoe «en crise» ve ny anaty fitondràna sa sanatria efa miroso amin’izay antsoina hoe ady atsanga na «conflit déclaré» izany? Mety ho fanontaniana azo apetraka koa nefa ny hoe sompatra avy ao anaty fitondràna ihany ireny tranga ireny sa avy amin’ny mpanohitra sa lonilony hafa ivelany mihitsy na ilay antsoina mahazatra hoe «règlement de compte» tsotra izao? Tsy tanisaina intsony koa nefa ny nanaovan’izao fitondràna izao ireo mpiaradia aminy taloha toa an-dry Mbola Rajaonah, Mahery Lanto Manandafy, Rolly Mercia, Berija Ravelomanantsoa sy ny hafa maro tsy voatanisa. Otrikady heverina ho efa nivaky tanaty taona vitsy izao izany rehetra izany saingy heverina ho mampalahelo indrindra ao anatiny dia ny hoe izao iaraha-mahita sy miaina ankehitriny izao fa tsy misy tokontaniny ny fampandrosoana ity firenena ity hatreto aloha!
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

26-mars-2025

Tsiahivina, hoy ny antoko politika Teza, fa ny frantsay, ny vondrona eoropeanina,

Card image cap
26-mars-2025

Manamafy ny tsindry hamoahana an’i Paul Maillot Rafanoharana i Frantsa, amin’ny alalan’ny loholona Christophe-André Frassa,

Card image cap