airtel

Politique

03-juin-2024

Paikady maloto sy tsy mendrika

Atao izay mahakivy ny malagasy mba hanambakana azy

Sample post image

Tsapa ho mavesatra ihany ny rivotra politika eto iainana eto amin’ny tanàna amin’izao fotoana

03-juin-2024

Manahirana ilay resaka, taorian’ny kabary fiampiantsiana nandritry ny , dia miala indray ny samy maharesy.Izany no fomba firesaky ny raim-pianakaviana iray ny mpanao gazety raha nanontaniana ny heviny momba ny raharaham-pirenena izy. Efa tsy mahagaga ilay tsy fahazotoan’ny olona mandeha mifidy , hoy izy nanohy ny fanazavany satria tsy mahatsapa ny olona hoe io fa misy akony tsara mivantana amin’ny fiainany ilay fifidianana. Vao miha mahakivy ny olom-pirenena ny resaka adilahy politika, antsojay politika, sinema politika, adihevitra politika be tsy ahitana intsony hoe iza no marina ary iza ny diso , hoy hatrany izy.
FANAMBAKANA MANARAPENITRA
Maro tokoa ny olom-pirenena malagasy mitovy fijery amin’ity ranamana ity, ary lasa rehefa tsy dia misy atao vao mijery na manntany hoe fa inona indray ny vaovao politika malaza ao e. Izany indrindra anefa no mahatonga ny mpanao politika sasany tena manararaotra tahaka ny banga mihomehy amin’ny alina ; tsy manana na iza na iza atahorana intsony fa dia manao izay maha diavolana ny sainy ireto mpanao politika ireto. Dia tonga ny karazana fanambakana manarapenitra, fifidianana hametrahana olona ao amin’ny fahefana mpanao lalàna no atrehana dia koveta no zaraina any anaty fampielezan-kevitra. Fanabeazana ny olona hanaja fitsipika sy lalàna no atao dia ilay filoham-pirenena mihitsy no mitokana zava-bita anaty fampielezan-kevitra ; voararan’ny lalàna anefa izany. Fanjakana miahy ny vahoaka no resaka averimberina, hitam-poko hitam-pirenena anefa fa manome tombony, manome vahana antokon’olona sy vondron’olona ilay fanjakana. Samy sahirana ara-pivelomana izao ihany dia misy omena fanampiana , misy tsy omena satria tsy manana ilay karatra mahagaga. Rehefa misesisesy ny tranga hafahafa tahaka izany dia miala ny olona, tsy te hahalala intsony fa samy miteny hoe : aleo izay ahitana hanin-kohanina no atao fa aza mivaky loha amin’ny politika izany ; raha misy manolotolotra zavatra dia raiso ihany aloha. Rehefa tsy mahara-baovao, tsy maharaka ny zava-misy, tsy mahalala tsara ilay politika, tsy namantatra ireo mpanao politika anefa…ho avy ny andro dia ho voafitaky ny kabary tsara lahatra indray. Fanabeazana amin’ny lafiny rehetra no vahaolana, fa raha vahoaka bado sy tsy mahara-baovao ny 85% ny, sarotra ny inoana hoe handroso ilay firenena. Manana anjara andraikitra goavambe ao anatin’izany ny fitondram-panjakana, ny firaisamonim-pirenena, ny fiangonana, ary indrindra fa ireo antoko politika. Ny fanontaniana dia hoe : rahoviana vao hifoha ? Rahoviana vao hiova ka hiampita any amin’ny tontolo tsara kokoa fa tsy ionona amin’ny tontolo mikorotan-dava ity ?
(Sary fanehoana)
RTT
 

Dans la même rubrique

22-oct-2024

fa kosa tsy azo atao ny mangina sy mikipy eo anatrehan’izao fahapotehana maro lafy izao.

Card image cap
22-oct-2024

Tao anatin’ny herinandro latsaka kely nanombohan’ny Asa Maharitra ho an’Antananarivo na AMA

Card image cap
22-oct-2024

Tsy zava-baovao ny fihetsiketsehan’ny mpanao politika mialohan’ny fampielezan-kevitra tahaka izao,

Card image cap
22-oct-2024

Taorian’ny Kaominina Alasora Avaradrano dia fantatra fa efa ahitana ilay lalao maloto momba ny fifidianana

Card image cap
21-oct-2024

Feno herintaona ny nisian’ny vondron-kery manokana vonjy taitra GFSI (Groupement des Forces Spéciales d’Intervention)

Card image cap
21-oct-2024

Tsy fampanantenana sy toky fitaka hatrany no ilaina, asa no ilain’ny vahoaka fa tsy fampanantenana poakaty, hoy ny kandida Tahina Razafinjoelina ny sabotsy teo,

Card image cap