airtel

Politique

04-juil-2024

Pasoka daomy politika eny Tsimbazaza

Nitsimbadika nanohana fitondrana ny tsy miankina maro…

Sample post image

Herinandro latsaka taorian’ny namoahan’ny HCC ny voka-pifidianana feno, raikitra ny fanambaran’ireo depiote

04-juil-2024

lany tamin’ny tsy miankina izay voalaza fa 45 amin’ny 50, fa manohana ny Fitondrana Rajoelina. Ny antsasa-manila eo ho eo tamin’ireo voalaza fa 45 no niara-nanao fanambarana teny Tsimbazaza omaly. Ny herinandro teo no efa nisy voalaza fa nivory teny amin’ny Arena Ivandry. « Nitovitovy hevitra izahay, hitondra ny hetahetam-bahoaka, efa nisy ny antso natao ho an’ny solombavambahoaka tsy miankina, ka 45 izahay no mitovitovy fomba fijery, hiady ho an’ny vahoaka, hanohana ihany koa ny fitondram-panjakana. Mitovy firehana, amin’ny maha tsy miankina, dia hanangana vondrona parlemantera hitambarany. Manome toky fa hitazona hatrany ny maha tsy miankina ao anatin’ny 5 taona,... », hoy ny depiote Andrianjanahary Fanomezantsoa voafidy tao Manandriana, izay re siosio ho filohan’ny Vondrona Parlemantera tsy miankina. « Miara-miasa amin’ny fitondram-panjakana, ary hiezaka handamina sy handrindra ny zavatra rehetra mahasoa ny firenena. Hipetraka amin’ny tombotsoan’ny vahoaka. Miantso ny depiote ho ao ahafahana miaro ny tombotsoam-bahoaka. », hoy kosa ny depioten’i Mahanoro Rakotoson Hubert. Anisan’ireo tazana tao anatin’ity ry Marco Tsaradia, Pety Rakotoniaina, Liva Rasaona, Chabani Nourdine, Lucien Fanomezantsoa,… Misy ireo efa fantatra ny loko politikany fa volomboasary ihany, fa misy ihany koa izany ireo tena tsy miankina niofo loko. Tsy isan’ny tazana ny depiote Gascar Fenosoa izay nanao antso ho an’ny depiote lany tamin’ny tsy miankina ny hijoroana amin’izay maha tsy miankina nifidianan’ny vahoaka fa tsy hiova loko politika. Ity farany izay nitondra fanamarihana teny amin’ny HCC ny 27 jona teo hoe : « Matoa depiote isika lany tamin’ny tsy miankina, dia ny maha tsy miankina no nisafidianan’ny vahoaka. Miantso antsika, andao hanangana vondrona parlemantera matanjaka. Ny tsy miankina hatramin’izay no isan’ny nanimba ny endriky ny antenimierampirenena, ka andao hovaintsika ny tantara manomboka eto. ». Matoa ny vahoaka nifidy depiote tsy miankina, fa tsy kandidam-panjakana dia iny izany no heveriny fa afaka tena hijoro hiady ny tombotsoany sy hanery ny mpanatanteraka hiasa. Moa tsy famitahana mpifidy ve izao ? Mpanara-maso ny mpanatanteraka rahateo ny solombavambahoaka ka asa na hipetraka izay na ho lasa mpitsikombakomba hiaro ny fitondrana amin’ny tsy fahombiazany tahaka ny efa hita teo aloha ? Ho endrika ivelany fotsiny ve izany ilay vondrona parlemantera tsy miankina fa manohana ny fitondrana, ary hanamafy toerana ny volomboasary eo anatrehan’ny efa tsy fahombiazany ?
Toky R


 

Dans la même rubrique

22-oct-2024

fa kosa tsy azo atao ny mangina sy mikipy eo anatrehan’izao fahapotehana maro lafy izao.

Card image cap
22-oct-2024

Tao anatin’ny herinandro latsaka kely nanombohan’ny Asa Maharitra ho an’Antananarivo na AMA

Card image cap
22-oct-2024

Tsy zava-baovao ny fihetsiketsehan’ny mpanao politika mialohan’ny fampielezan-kevitra tahaka izao,

Card image cap
22-oct-2024

Taorian’ny Kaominina Alasora Avaradrano dia fantatra fa efa ahitana ilay lalao maloto momba ny fifidianana

Card image cap
21-oct-2024

Feno herintaona ny nisian’ny vondron-kery manokana vonjy taitra GFSI (Groupement des Forces Spéciales d’Intervention)

Card image cap
21-oct-2024

Tsy fampanantenana sy toky fitaka hatrany no ilaina, asa no ilain’ny vahoaka fa tsy fampanantenana poakaty, hoy ny kandida Tahina Razafinjoelina ny sabotsy teo,

Card image cap