airtel

Politique

22-août-2024

Patrick Raharimanana kandida

"Ataontsika tanàna nomerika i Mahajanga"

Sample post image

Ho ataontsika modely amin'ny fampandrosoana ifotony ny eto Mahajanga I,

22-août-2024

hoy i Patrick Raharimanana izay nilaza fa ho kandida amin'ny fifidianana nen'ny tanàna any an-toerana.
TETIKASA MIPAKA ISAM-BATAN'OLONA
Tsy misy fanavakavahana, na ady politika, na ara-piaviana, na ara-pinoana, na ara-pahaizana, fa hanentanana ny fiarahantsika rehetra.Vonona hanolotra ireo fahaizana sy traikefa ananako aho hoy i Patrick Rahatimanana. Ireo fifandraisana anaty na iraisam-pirenena misy eto amiko, ahatafita ireo tetikasa mipaka mivantana amin'ny mponin'i Mahajanga, hanatsara ny fiainana andavanandro, mba aha te honina ny Tanàna, hoy izy. Hampiroborobo ireo Orinasa eto an-toerana hanomezana asa ny tanora, ahatamana ireo mpivahiny miasa, na maka rivotra, na ireo te hifindra monina aty Mahajanga isika hoy hatrany izy.Fampianarana, fahasalamana, fandriampahalemana ho an'ny rehetra, ao anaty Tanàna madio, miravaka voninkazo, tsara lalana, mazava, milamina, na andro na alina, misy sera sy vola no tanjona.Averintsika ny maha Tanànan'ny seranan-tsambo, indostria azy 'i Mahajanga, izay hamorona asa maro ho an'ny tanora sy ireo orinasa vaventy ary Orinasa madinika maro.Ho Tanàna nomerika, Wifi maimaimpoana ireo toerana be olona sy any an-tsekoly rehetra, hoy ny kandida Patrick Raharimanana.
FOKONTANY Ivon'ny fandrosoana ny Fokontany. Ho vita eny avokoa ireo zavatra ilaina andavanandro. Ho tsara karama izy ireo, miaraka amin'ny mpiasa, tanora matihanina avy eo an-toerana.Tsy vitako irery anefa izany, hoy izy fa mila ny fanohananao amin'ny endriny samihafa, arak'izay vitan'ny tsirairay, na vola, na fitaovana, na hevitra, indrindra ny fitondrana am-bavaka, fa ho antsika rehetra no hikirizana amin'izao asa fampandrosoana ifotony izao, ho lasa modely, eto Madagasikara, i Mahajanga.Mandraisa anjara amin'ny fampandrosoana ifotony, hoy izy ka ireto ny serasera :038 94 716 43 (Mvola : venance patrick) sy 032 96 378 39 (Orange money : venance patrick).
Nangonin'i RTT
 

Dans la même rubrique

17-oct-2024

Anisan’ireo fikambanana resy lahatra ny amin'ny vinan'ny Tahiana Razafinjoelina (TR) ny Tanora Miharisoa 67 ha

Card image cap
17-oct-2024

Mihamafy ny tsindry ho an’ny Fitondrana Rajoelina na efa mafy aza ny vesatra eo anatrehan’ny krizy ara-tsosialy

Card image cap
17-oct-2024

Mafampana hatrany ao Tsimbazaza ao anatin’izao fivoriana ara-potoana eo anivon’ny Antenimierampirenena izao.

Card image cap
16-oct-2024

Aok’izay, tsy atao sosety, tsy atao lafika izany intsony , tsy atao tohatra fiakaana izahay ambany tanana fa mila olona tena hitondra ny fanovana,

Card image cap
16-oct-2024

Ny fanotronan’ny filohan’ny Vaomieram-pirenena mahaleotena misahana ny fifidianana na CENI

Card image cap
16-oct-2024

Niditra amin'ny fivoriana ara-potoana nanomboka omaly 15 oktobra ny antenimierampirenena.

Card image cap