airtel

Politique

17-juil-2024

Patrick Raharimanana

Nolaviny avokoa ireo fiampangana azy

Sample post image

Araka ny efa notaterina teto, dia niakatra fitsarana omaly Atoa Patrick Raharimanana sy ny mpitandro

17-juil-2024

ny filaminana iray, niara-voasaringotra taminy.Raha hiverenana hatrany, dia vesatra roa no nitoriana sy nanenjehn’ny Fanjakana azy ireo dia ny : fakana angom-baovao informatika izay henjehin’ny andininy faha 13 ao amin’ny lalana 2014-006 momba ny heloka an’habaka, niampy ny vesatra faharoa, dia famoahana ho fanta-bahoaka ny resaka na antontan-taratasy, tamina fivoriana tsy azo natrehan’ny besinimaro izay mety manohintohina ny filaminam-bahoaka sy ny filaminana anatiny voalazan’ny andininy faha 17 sy faha 19 ao amin’ny lalana 2016-029 momba ny serasera sy ny haino vaky jery. Henjana ny fiandrasana ny fitsarana noho ireo raharaha maro satria efa tena alina vao nandeha ny raharaha momba azy. Nolavin’Atoa Patrick Raharimanana ny avokoa ireo fiampangana roa ireo, ary nanamafy izany ny mpiaro. Nangataka fahafahana madiodio noho izany izy ireo. Amin’ny 20 aogositra ho avy izao no hivoaka ny didy momba ity raharaha ity ka andrasana hoe : hanao ahoana ? Somary manitikitika sy ahafahana manokatra adihevitra ny hoe : nahoana ny eto aminitsika no lasa olana be ny fivoahan’ny fandaharam-potoanan’ny Filoha raha toa ka toa mandeha ho azy izany any ivelany aza vao miandoha ny taona dia fantatra avokoa ? Mby aiza ny fahalalahana hahazo vaovao ?
Toky R


 

Dans la même rubrique

17-oct-2024

Anisan’ireo fikambanana resy lahatra ny amin'ny vinan'ny Tahiana Razafinjoelina (TR) ny Tanora Miharisoa 67 ha

Card image cap
17-oct-2024

Mihamafy ny tsindry ho an’ny Fitondrana Rajoelina na efa mafy aza ny vesatra eo anatrehan’ny krizy ara-tsosialy

Card image cap
17-oct-2024

Mafampana hatrany ao Tsimbazaza ao anatin’izao fivoriana ara-potoana eo anivon’ny Antenimierampirenena izao.

Card image cap
16-oct-2024

Aok’izay, tsy atao sosety, tsy atao lafika izany intsony , tsy atao tohatra fiakaana izahay ambany tanana fa mila olona tena hitondra ny fanovana,

Card image cap
16-oct-2024

Ny fanotronan’ny filohan’ny Vaomieram-pirenena mahaleotena misahana ny fifidianana na CENI

Card image cap
16-oct-2024

Niditra amin'ny fivoriana ara-potoana nanomboka omaly 15 oktobra ny antenimierampirenena.

Card image cap