hoy ny mpahaifiarahamonina politika, Paul Rabary. Izay moa izany, hoy izy, no rivotra ianantsika eto. Miverimberina ny tantara. Nisy ny 1972, 1991, 2002, 2009, 2018. Ny fanontaniana hoe inona no ho vokatry ny 2023? Eo isika mahita azy. Tokony sorohana ny krizy! Fantatry ny mpanao politika izany fa ny mpanao politika rehetra koa miezaka mamoaka izay ao am-pony satria fantatra fa ho an’ny mpanao politika, ny fifidianana filohan’ny repoblika no fifidianana lehibe indrindra ahafahana mandray fahefana eto Madagasikara. Ny fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana no manapaka ny amin’ny mikasika ny filoham-pirenena ankehitriny satria ny fanapahan-kevitra voalohany avoakan’ny HCC dia ny mikasika ny fahafaha-milatsaka ho fidiana na tsia. Milaza tsy hanaiky moa ny mpanohitra. Midika ve izany fa tsy handray anjara amin’ny fifidianana na hiemotra? Tsy mahagaga daholo ny rivotra na “ambiance” iainana amin’izao fotoana izao satria manatona ny fotoam-pifidianana ary efa noresahako taminareo fa dingana miainga tsy hijanona intsony io fifidianana io. Anjaran’ny mpanao politika no maka toerana na “position” hitany fa mety aminy, hoy hatrany ity mpampianatra mpikaroka sady mpanao politika ity.
J. Mirija
Anisan’ireo fikambanana resy lahatra ny amin'ny vinan'ny Tahiana Razafinjoelina (TR) ny Tanora Miharisoa 67 ha
Mihamafy ny tsindry ho an’ny Fitondrana Rajoelina na efa mafy aza ny vesatra eo anatrehan’ny krizy ara-tsosialy
Mafampana hatrany ao Tsimbazaza ao anatin’izao fivoriana ara-potoana eo anivon’ny Antenimierampirenena izao.
Aok’izay, tsy atao sosety, tsy atao lafika izany intsony , tsy atao tohatra fiakaana izahay ambany tanana fa mila olona tena hitondra ny fanovana,
Ny fanotronan’ny filohan’ny Vaomieram-pirenena mahaleotena misahana ny fifidianana na CENI
Niditra amin'ny fivoriana ara-potoana nanomboka omaly 15 oktobra ny antenimierampirenena.