airtel

Politique

14-mars-2025

Paul Rabary

«Entina manatsara zavatra ny fisian’ny fitsikerana»

Sample post image

Miankina amin’ny mason-tsivana moa no antony ilazàna hoe nitotongana na tsia ny demokrasia

14-mars-2025

eto Madagasikara, hoy ny mpahaifiarahamonina politika sady filohan’ny antoko politika, Ny Fireneko, Paul Rabary. Ho ahy manokana, hoy izy, aloha tsy nitotongana. Eo, hoy izy, ny fahafahan’ny olona miteny amin’ny tambazotran-tserasera. Nandalo teo ny fifidianana maro samihafa. Ny fahatelo dia ny firongatry ny antsoina hoe «influenceur» na mpampaneno lakolosy eo amin’ny lafiny politika eto Madagasikara. Mbola tsy nisy teo amin’ny tantaran’ny fanaovana politika teto Madagasikara ny fisian’ireny. Afaka mitondra ny heviny na tsikerany amin’ny tambazotran-tserasera izao ny olona rehetra ary raha ny tena marina aza dia ny tsikera no tena be dia be fa tsy dia misy «influenceur» manohana fitondràna izany. Eo koa ny fisiana haino vaky jery maro samihafa. Ny fifidianana dia nahitàna fandresena firehana tsy miankina, mpanohitra, mpanohana fitondràna. Sarotsarotra ny miteny any amin’ireo firenen-kafa noho ny antony maro samihafa raha oharina amin’ny eto. Samy manana ny odidina na «contexte» azy moa ny firenena tsirairay ka tsy afaka ampitaha azy amin’i Madagasikara ny tena fa fandalinana ankapobeny ny ahy izay satria tsy izaho no nanao ilay fanadihadiana. Ny toerana tsy misy demokrasia dia any Chine, any amin’ny firenena arabo, any amin’ny toerana tsy misy akory ny atao hoe fanoherana na antoko mpanohitra. Mbola tsy nisy filoha lefitra mpanohitra tao amin’ny antenimieram-pirenena teo amin’ny tantaran’i Madagasikara raha tsy ny taona 2023 no ho nankaty. Ny demokrasia akory tsy midika fanjakàn’i Baroa. Hafa ny resaka fivavahana izay tonga dia hoe ny azy no marina fa ny an’ny politika adihevitra. Ny olana dia tsy mahay miady hevitra ny malagasy. Miheritreritra izy hoe rehefa miteny dia izay no marina. Izay mifanohitra amin’ny heviny dia diso. Io moa tsy misy fiantraikany amin’ny hoe fampandrosoana na tsy fampandrosoana satria tsy misy ahafahana hiteny mihitsy hoe tsy maintsy tany demokratika ny tany mandroso. Chine izao tsy izany nefa isan’ny firenena matanjaka voalohany eto ambonin’ny tany. Ny arabo koa nefa isan’ny firenena misandratra. Betsaka ny tany demokratika aty Afrika nefa tsy misy fampandrosoana. Ny lesoka eto dia isika tsy mahay miady hevitra. Manao adihevitra amin’ny fo sy halako bika tsy tiako tarehy isika fa tsy amin’ny atidoha. Tsy mahay miady hevitra anaty fifanajàna. Miady hevitra dia miady sy tsy mifandevi-maty avy eo ilay olona na mifankahala. Afaka tena tsy mitovy hevitra nefa isika fa tsy mifandrafy. Ny fisian’ny hevitra tsy mitovy mihitsy no tsy ekentsika, na ho an’ny andaniny io na ny ankilany! Na ho an’ny fanoherana na fitondràm-panjakàna. Izahay ato amin’ny Ny Fireneko izao dia mandray ny tsikeran’ny mpanohitra hoe tsy mbola azo lazaina ho fandrosoana mihitsy izao lalovantsika izao! Tsy mbola tonga lafatra isika na hoe afaka amin’ny fahantrana ny malagasy. Entina manatsara zavatra ny fisian’ny fitsikerana. Ny aty amin’ny fanohanana nefa dia rehefa miteny ny tsy mety dia lazaina fa manohitra fitondràna ary aty amin’ny fanoherana indray dia manao halako bika tsy tiako tarehy fotsiny. Ohatran’ny tamin’ny 1991 na 2002 dia ohatran’ny hoe devoly latsaka an-tany ilay Didier Ratsiraka. Heveriny ho toy ny manao fanahy iniana tsy hampandroso ilay fitondràna fa tsy hoe noho ny sakana samihafa na fahadisoana amin’ny fiheverana ny atao hoe fandrosoana no tsy hahafahany mitondra izany, hoy hatrany i Paul Rabary.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

13-mars-2025

Tafaresaka tamin’ny gazety Tia Tanindrazana, momba ny raharaham-pirenena sy ireo

Card image cap
13-mars-2025

Tsy misy andro iray mandalo eto ka tsy andrenesana hoe nisy fivoriana, atrikasa, famelabelaran-kevitra, fiofanana.

Card image cap
13-mars-2025

Manome vahana ny mpanao didy jadona ny fahanginan’ny vahoaka»

Card image cap
13-mars-2025

Potika ny fanaovana politika eto Madagasikara, raha ny fihetsika politika na

Card image cap
13-mars-2025

Nahafahana nitsapa tsara ny alalin’ny rano eo amin’ireo mpitodra fanjakana eto madagasikara sy ny mpomba azy

Card image cap