airtel

Politique

27-août-2024

Paul Rabary

«Raha ny faniriako dia Marc Ravalomanana irery no milatsaka»

Sample post image

Afaka mifaninana amin’andriamatoa Marc Ravalomanana daholo ny olona rehetra raha hilatsaka ho ben’ny tanànan’Antananarivo izy,

27-août-2024

hoy ny mpahaifiarahamonina politika, Paul Rabary. Amin’ny maha mpamakafaka politika ahy, hoy izy, dia miakatra fa tsy midina ny toerana politika na «carrière politique». Izay angamba no tena nahavariana ny olona hoe fa aiza? Ho ahy manokana, ny toerana politika dia miabo fa tsy miiba. Efa ben’ny tanàna teto Antananarivo andriamatoa Marc Ravalomanana. Efa nilatsaka filoham-pirenena in-3. Ny iray moa tsy afaka nilatsaka izy noho ny fifanarahana iraisampirenena dia nanolotra ny Dr Jean Louis Robinson. Nilatsaka izy ny taona 2018, ny taona 2023. Nametraka depioten’ny antoko misy azy dia ny TIM. Taty aoriana dia niditra ao amin’ny Firaisankina izy. Izany hoe naka «renfort» na mpanampy ny antoko TIM dia niiba ny vokatra satria raha ohatra ka niainga tamina toerana ben’ny tanàna no lasa filohan’ny repoblika, lany ny voalohany, lany faharoa, tsy lany ny 3 farany satria ohatran’ny tsy lany ihany izy rehefa tsy lany ny Dr Jean Louis Robison. Nametraka depiote. Nandeha irery tamin’ny voalohany. Nandeha faharoa, heritrereto fa tsy manana depiote any Manjakandriana sy Tsiroanomandidy ny Firaisankina! Efa misy zavatra izany. Ny tsinjodia politika na «dimension politique» an’andriamatoa Marc Ravalomanana, amin’ny maha mpamakafaka politika mijery tanjona na hoe «objectif» ahy, izany dia efa tokony hiheritreritra hamindra fanilo izy. Ny zava-misy nefa dia lasa indray miverina ben’ny tanàna izy. Raha miverina ben’ny tanàna izy, inona no ho voavaha sy tsy voavahany amin’io olan’Antananarivo io? Tena miteny anareo aho androany fa raha ny faniriako dia tsy misy milatsaka intsony fa izy ireny no milatsaka dia aleo izy ho lany! Tsy ny olona nihena sy niiba ohatran’izany no afaka hitondra vahaolana. Tsy ny olona manana olana no afaka hitondra vahaolana ho an’Antananarivo. Taloha ny TIM tao Avaradrano poa-droa. Bongolava, Itasy, Vakinankaratra izany ny TIM taloha tena enjana. Vakinankaratra nefa teo mbola sahy niditra nifaninana tao ny Freedom. Mbola tsy tonga saina fa mamita-tena nefa ny tena marina dia efa tokony hanome aina vaovao ny antoko TIM izy dia ny famindrana ny antoko TIM amin’ireo depiote mamim-bahoaka ireo. Mijery ny hoavy ny politika fa tsy mihemotra any aoriana, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija

 

Dans la même rubrique

20-nov-2024

Efa ela no nitolomantsika, vao tamin’ny herintaona no nisy naratra, nisy nogadraina tamin’ny hetsika,

Card image cap
20-nov-2024

Tsy hoe zava-baovao no atao ankehitriny fa fanohizana ny tolona natomboka ny taona 2023,

Card image cap
20-nov-2024

tafa, niavaka, tsy fahita firy, vina sy faharesen-dahatra, hita hoe mila fanovanatokoa ny olona. Maro be no tonga kanefa tsy nisy nosandaina

Card image cap
20-nov-2024

Eto Antananarivo no fiantombohan’ny fanovana, ary isika tsy hanaiky hataon’ny olona lafika intsony.

Card image cap
20-nov-2024

Tsy vaky ny Kolekitifa an’ny Malagasy ary manohana an’i Tahina Razafinjoelina avokoa !

Card image cap
20-nov-2024

Naneho ny heviny sy fijeriny mikasika ny fifidianana ben’ny tanàna eto Antananarivo Renivohitra i Andry Herinjaka

Card image cap