airtel

Politique

30-sept-2024

Politika eto Madagasikara

«Lasa toy ny fampianarana haivarotra»

Sample post image

Lasa toy ny fampianarana haivarotra na "Marketing" ny fampiofanana na fianarana politika eto Madagasikara,

30-sept-2024

hoy ny fanehoan-kevitry ny mpikatroka politika iray. Tsy mijanona amin'ilay tena fototra maha politika ny politika fa lasa toy ny entam-barotra amidy amina dokam-barotra, hoy izy. Jereo fotsiny ireo endrika aseho momba ireo kandida, na depiote io na ben'ny tanana na filoha koa! Misy kandida jerena noho ny faritra nihaviany na foko nihaviany ka hisarihana ireo mpiray faritra aminy. Misy kandida jerena noho ny vondrona na ireo vondrona nihaviany ka hisarihana ireo iray vondrona aminy na iray nihira taminy. Ohatra izany hoe skoto na mpiandry izy na mpanao afera sy ny toy izany. Misy kandida jerena amin'ny fokontany nihaviany mba hisarihana ireo mpiray fokontany aminy. Misy kandida jerena araka ny mety fankafizan'ny faritra manokana na toerana manokana izay mety be mpifidy. Izany hoe tsy ilay fahaizana amam-pahalalana na fahendrena na traikefa no jerena ka isafidianana kandida fa izay hita fa mifanaraka amin'ny hetahetan'ny mpifidy sy ankafizin'ny mpifidy. Raha mbola toy izany ny fanaovana politika eto Madagasikara dia tsy mbola handroso velively i Madagasikara na mbola afaka 100 taona aza. Ny tena loza ankehitriny dia efa lasa misy fomba fifidianana kandida natao hanaparitadritaka vaton'izay mpifaninana sakanana tsy ho lany mihitsy satria atahorana sao hitondra ilay tena fanaovana politika madio sy am-pahamarinana ka manelingelina ireo mpanao politika sy mpitondra mpanao lalan-dririnina izay nampianarin'izay mpanakanto malagasy iray izay manao hoe "Manaova politika raha te hanan-karena...", hoy hatrany ny fanazavan’ity mpikatroka politika ity.
J. Mirija

 

Dans la même rubrique

17-oct-2024

Anisan’ireo fikambanana resy lahatra ny amin'ny vinan'ny Tahiana Razafinjoelina (TR) ny Tanora Miharisoa 67 ha

Card image cap
17-oct-2024

Mihamafy ny tsindry ho an’ny Fitondrana Rajoelina na efa mafy aza ny vesatra eo anatrehan’ny krizy ara-tsosialy

Card image cap
17-oct-2024

Mafampana hatrany ao Tsimbazaza ao anatin’izao fivoriana ara-potoana eo anivon’ny Antenimierampirenena izao.

Card image cap
16-oct-2024

Aok’izay, tsy atao sosety, tsy atao lafika izany intsony , tsy atao tohatra fiakaana izahay ambany tanana fa mila olona tena hitondra ny fanovana,

Card image cap
16-oct-2024

Ny fanotronan’ny filohan’ny Vaomieram-pirenena mahaleotena misahana ny fifidianana na CENI

Card image cap
16-oct-2024

Niditra amin'ny fivoriana ara-potoana nanomboka omaly 15 oktobra ny antenimierampirenena.

Card image cap