airtel

Politique

05-juin-2024

Politika, fifidianana,…

Betsaka no efa « sur commande » ampanaovina ny HCC sy CENI !?

Sample post image

Mafana ny toe-draharaha ara-pifidianana, ka miandry izay tena ho vokatra sy didy farany ny rehetra

05-juin-2024

eo anatrehan’ny lonilony sy ahiahy samihafa. Manana anjara toerana goavana lehibe ireo roalahy sokajian’ny mpanara-baovao ho mitàna ny « télécommande » eto. « Sur commande » daholo ny zavatra rehetra, hoy ny fanamarihana mandeha, ary tsy vao izao, fa saika isaky ny fifidianana dia toa mitady hanana endrika saritsarim-pifidianana sisa. 5 taona lasa izay, mbola tsy nivoaka akory ny valim-pifidianana ofisialy dia any Lafrantsa no milaza ny Filoham-pirenena fa nahazo depiote maro an’isa 80 mahery. Nandeha ny fifidianana Filoham-pirenena farany teo izay tsy nandraisan’ny kandida maro anjara, dia toy ny efa « sur commande » hoe Ataovy 58% ny vatoko 1er tour, dia ny sisa zarao amin'izy 11 mirahalahy ? Hitam-poko hitam-pirenena ihany koa fa « sur commande » ny fanonganana an-dRazanamahasoa Christine, tsy maintsy miala ao anaty 12ora, tsy navela niaro-tena. Namofompofona hafatra tamin’i Lafrantsa satria vao avy noraisin’i Emmanuel Macron dia nandeha ny fanonganana. Asa noho ny tsy fisiana fandraisana ofisialy tany amin’ny Elysée taorian’ny fahalaniana kanefa ny Filohan’i RD Congo Félix Tshisekedi ve fa ny PAN indray voaray sy nomem-boninahitra ve ? Mbola « sur commande » koa ny fanesorana an-dRazafimahefa Herimanana na dia efa niverina holoholona tsotra aza mba hanakonana fa tsy ny Betsileo ihany no nesorina. Dia mbola mbola mampanahy indray ny vokam-pifidianana « sur commande » marobe fa tsy maintsy mahatratra maro an’isa ny laoranjy eny Tsimbazaza. Manampy azy ny an’ireny ny karazana fehin-kevitra efa nataon’ny SADC sy ny avy amin’ny Frankofonia, izay nipasoka fa milamina ny fifidianana, niampy ireny fampitandremana nataon'ny Emmonat ireny. Mety hanaiky ny tsy fahalanian'i Lalatiana mba hanehoana fa tsy mitombina ny hala-bato satria nisy minisitra tsy lany fa ho « sur commande » koa ny tsy hamerenana intsony an-dRazanamahasoa Christine eny Tsimbazaza satria mila havotana na "il faut sauver le soldat Florent" izay nandray ny « commande » nanesorana azy ? Ny Filohan’ny HCC indray tokoa ve no hanao lahateny hamerenana azy ho depiote izay ho fahafaham-baraka ho azy sy ny fitondrana raha izay no hitranga ? Ity farany izay nisy ny resaka niely omaly, fa nihaona tamin’ny solontenan’ny fianakaviambe iraisam-pirenena. Dia samy miandry ny sary mety hitranga fa raha ny endriky ny zava-misy toa betsaka ny zavatra efa « sur commande !?
Toky R
 

Dans la même rubrique

22-oct-2024

fa kosa tsy azo atao ny mangina sy mikipy eo anatrehan’izao fahapotehana maro lafy izao.

Card image cap
22-oct-2024

Tao anatin’ny herinandro latsaka kely nanombohan’ny Asa Maharitra ho an’Antananarivo na AMA

Card image cap
22-oct-2024

Tsy zava-baovao ny fihetsiketsehan’ny mpanao politika mialohan’ny fampielezan-kevitra tahaka izao,

Card image cap
22-oct-2024

Taorian’ny Kaominina Alasora Avaradrano dia fantatra fa efa ahitana ilay lalao maloto momba ny fifidianana

Card image cap
21-oct-2024

Feno herintaona ny nisian’ny vondron-kery manokana vonjy taitra GFSI (Groupement des Forces Spéciales d’Intervention)

Card image cap
21-oct-2024

Tsy fampanantenana sy toky fitaka hatrany no ilaina, asa no ilain’ny vahoaka fa tsy fampanantenana poakaty, hoy ny kandida Tahina Razafinjoelina ny sabotsy teo,

Card image cap