airtel

Politique

04-oct-2024

Politika, fifidianana, fampandrosoana

Andrasana izay hambaran’i Tahina Razafinjoelina anio

Sample post image

Araka ny fampahafantarana samihafa, hisy ny fandaharana manokana amin'ny haino aman-jery

04-oct-2024

maro Kolo Tv, Dream'in, Ibc, Top radio, Acem radio, Tia Tanindrazana hataon’i Tahina Razafinjoelina anio zoma 04 oktobra amin'ny 9ora alina. Anisan’ireo kandida ben’ny tanàna eto Antananarivo amin’ny fifidianana amin’ny 11 desambra izao ny tenany raha tsiahivina. Andrasana araka izany izay hambarany sy havoitrany ao anatin’ny fandaharana iarahany amin’ny mpanao gazety mirahalahy Hary ny Anja sy Yves Richard, izay heverina fa tena hahaliana ny mpanara-baovao. Maro no liana sy miandry izay hambaran’ity mpampianatra ity eo anatrehan’ny adihevitra politika samihafa, ny toe-draharaham-pirenena, ny fifidianana,… Asa efa hanolotra amin’ny ampahany ny vinany ho an’Antananarivo ihany koa ve ? « Tsotra, Marina, Mahomby », isan’ny foto-kevitra ijoroany io, ka efa nanipazany vao tsy ela fa tsy fampanofinofisana no atolony miaraka amin’ny ekipa niara-namolavola ny vinam-piaraha-monina, fa tena zavatra azo tanterahana kanefa mahasoa an’Antananarivo. Efa nitsipalotra ihany koa ny ampahany nilazany, fa isan’ny zavatra hotanterahana ny « Antananarivo nomerika » izay hahafahana manamora ny fitantanan-draharaham-panjakana, hametrahana ny mangarahara,… Mpanao politika tsy sasatry ny maneho ny tenany, fa mila atokisana ny Malagasy ary ny olombelona no harena voalohany, ka ilazany hatrany fa mila miaraka vao mandresy fa tsy mandresy vao miaraka. Tahaka izany ihany koa ny filazany, fa zava-dehibe ny fampianarana, ka beazina hahalala ny taniny ny Malagasy, miainga amin’izany ny asa fampandroana mba tena hifanaraka amin’ny filan’ny firenena. Tahaka izany ihany ny fitsinjaram-pahefana sy vola,… Andrasana izay tena hambarany anio ao anatin’ny fandaharana mandritra ny adin’ny iray sasany eo.
Toky R
 

Dans la même rubrique

17-oct-2024

Anisan’ireo fikambanana resy lahatra ny amin'ny vinan'ny Tahiana Razafinjoelina (TR) ny Tanora Miharisoa 67 ha

Card image cap
17-oct-2024

Mihamafy ny tsindry ho an’ny Fitondrana Rajoelina na efa mafy aza ny vesatra eo anatrehan’ny krizy ara-tsosialy

Card image cap
17-oct-2024

Mafampana hatrany ao Tsimbazaza ao anatin’izao fivoriana ara-potoana eo anivon’ny Antenimierampirenena izao.

Card image cap
16-oct-2024

Aok’izay, tsy atao sosety, tsy atao lafika izany intsony , tsy atao tohatra fiakaana izahay ambany tanana fa mila olona tena hitondra ny fanovana,

Card image cap
16-oct-2024

Ny fanotronan’ny filohan’ny Vaomieram-pirenena mahaleotena misahana ny fifidianana na CENI

Card image cap
16-oct-2024

Niditra amin'ny fivoriana ara-potoana nanomboka omaly 15 oktobra ny antenimierampirenena.

Card image cap