airtel

Politique

11-sept-2024

Politika

Nisara-dàlana i Penjy sy ny TIM

Sample post image

Tapaka ny tady eo amin’ny Antoko TIM sy ny ben’ny tanànan’Ivato Penjy Randrianarisoa,

11-sept-2024

izay lany tamin’ny anaran’io antoko io nandritra ny taom-piasana miisa roa nifanesy tao anatin’ny 8 taona. Nanambara ity farany omaly 10 septambra 2024, fa mandeha amin’ny anaran’ny tenany manokana amin’ny fifidianana ben’ny tanàna hatao ny 11 desambra izao, ka nilazany fa tsy izy no niala tsy ho TIM fa ny TIM no nanary azy, saingy nisaorany ny fiarahana tao anatin’izay fotoana izay. « Tsy dia nety tamin’ny fomba fijerin’ny Antoko nisy ahy teo aloha ny fomba fitantananako izay nisokatra tamin’ny herivelona maro, toy ny Fanjakana. Anisan’izany ny fananganana fotodrafitrasa, izany no antony nanakanan’ny solombavambahoaka iray ato amin’ny distrika ahy tsy ho kandida amin’ny anaran’ny antoko. Tsy maninona fa ny asa vita no ifampitsarana, tsy manana olana amin’io antoko io aho, fa amin’ity dia mandeha amin’ny anarako manokana. », hoy i Penjy Randrianarisoa. Nametra-panontaniana moa ny tenany hoe : raha lasan’io Atntoko io ve Antananarivo dia hanidy varavarana amin’ny herivelona maro ? hoy i Penjy Randrianarisoa. Isan’ny nahazoan’ity ben’ny tanàna ity kiana tamin’ny TIM moa ny nanatrehany ny fihaonan’ny Antokon’ny Fitondrana natao teny Ivato ny septambra 2023. Izay tokoa ilay politika hoe : tsy misy ny mpinamana na mpifahavalo mandrakizay fa arakaraka ny tsio-drivotra misy ?
Toky R

 

Dans la même rubrique

17-oct-2024

Anisan’ireo fikambanana resy lahatra ny amin'ny vinan'ny Tahiana Razafinjoelina (TR) ny Tanora Miharisoa 67 ha

Card image cap
17-oct-2024

Mihamafy ny tsindry ho an’ny Fitondrana Rajoelina na efa mafy aza ny vesatra eo anatrehan’ny krizy ara-tsosialy

Card image cap
17-oct-2024

Mafampana hatrany ao Tsimbazaza ao anatin’izao fivoriana ara-potoana eo anivon’ny Antenimierampirenena izao.

Card image cap
16-oct-2024

Aok’izay, tsy atao sosety, tsy atao lafika izany intsony , tsy atao tohatra fiakaana izahay ambany tanana fa mila olona tena hitondra ny fanovana,

Card image cap
16-oct-2024

Ny fanotronan’ny filohan’ny Vaomieram-pirenena mahaleotena misahana ny fifidianana na CENI

Card image cap
16-oct-2024

Niditra amin'ny fivoriana ara-potoana nanomboka omaly 15 oktobra ny antenimierampirenena.

Card image cap