airtel

Politique

09-déc-2024

Politika sy fanovana

Mipetraka ny maha mpitarika mahomby an’i Tahina

Sample post image

Niteraka fiaraha-mientana lehibe ara-politika ny fijoroan’i Tahina Razafinjoelina ho kandida ben’ny

09-déc-2024

tanànan'Antananarivo. Nijoro ho ao an-damosiny ny herivelona samihafa, fikambanana, ny manampahaizana, ny mpanakanto, tanora,... izay samy miandrandra rivo-baovao ho an’Antananarivo, eny fa ho an’ny Firenena iray manontolo. Hafa mihitsy no nitondrana ny fampielezana-kevitra nandritra ny 20 andro izay, nanehoana ny asa fa tsy rendrarendra. Tsapa sy hita ny fiaraha-mientana, faharesen-dahatra, fahavononana hiara-dia hitondra rivo-baovao ho an’ny renivohitr’i Madagasikara. Mijoro ny tanora mizara fahaiza-manao, toy ny fiofanana marolafy eny amin’ny Ivotoeran’ny tanora. Mihazakazaka ireo tanora manam-pahaizana manome tànana amin’ny fikarohana momba ny teknolojia hanatsarana ny tanàna tahaka ilay jiro maro maloko izay atidoha Malagasy no nampiasana azy. Tonga ny manam-pahaizana mizara traikefa sy manolo-tànana amin’ny fitantanana sy fikirakirana ny fako mba ho lasa zezika sy fitaovana samihafa, ny fandalinana mikasika ny fikirakirana ny rano,… Mipoitra ny mpitsabo manome fitsaboana sy tan-tsoroka ara-pahasalamana maimaimpoana. Mijoro ny mpanakanto maneho ny faharesen-dahatra sy fifanomezan-tànana ka tsy amin’ny alalan’ny fampisehoana sy fety fa tena amin’ny alalan’ny fanohanana ara-poto-kevitra hoe : izao tokoa ilay fanovana ka mila ampiana. Mahavelom-bolo ny fiaraha-mientana sy fahavononana hitondra aim-bao ho an’ny fanaovana politika eto Madagasikara. Manomboka maro no tonga saina fa ampy izay ny filalaovana politika, fanaovana tohatra fiakarana lava ny vahoaka, fitapitapaka, fampiesonana,… fa tena ny ho avin’ny tanàna sy ny Firenena no mila hifanomezan-tànana satria miara-dia vao mandresy fa tsy mandresy vao miara-dia. Betsaka no maneho fa raha tsaraina amin’ny fo sy saina tsy miangatra, dia tena i Tahina Razafinjoelina no hitondra fanovana, ary hita taratra taratra tamin’ny fahombiazany hatramin’izay, ny zavatra vitany ho an’ny fiarahamonina indrindra fa ny tanora,… Maro no mijoro vavolombelona tsy mihambahamba na ireo tanora novolavolainy na ireo olobe efa niara-niasa taminy, fa tena mendrika sy azo itokisana i Tahina Razafinjoelina. Betsaka ny mety zatra ny làlan-dririnina, maniry hatrany ny hahabado sy hanao kilalao politika ny Malagasy, ka matahotra ny ho very fihinanana vao mahita mpitarika na « leader » hita fa manomboka mampihiratra ny sain’ny Malagasy, mizara fintana fa tsy trondro, mizara fahalalana mba hivoaran’ny isam-batan’olona, fa tsy milalao ny fahantrany sy ny tsy fahalalany amin’ny fividianana azy amin’ny koveta na fanjonoana azy amin’ny vola kely sy Tombola. Miala any ny fanovana !
Toky R

 

Dans la même rubrique

19-déc-2024

Natsikafon’ny KMF/CNOE-Fanabeazana olompirenena nanoloana ny mpanao gazety avokoa

Card image cap
19-déc-2024

Miantso ny mpomba an’i Tojo Ravalomanana mba hanao fety fa aminay dia efa mandresy

Card image cap
19-déc-2024

Nisy fisondrotany 30 ka hatramin’ny 100% ny vidin’entana eny an-tsena tato anatin’ny 5 taona. Tena voakasika mivantana amin’io ny sakafo toa ny vary , hena,

Card image cap
19-déc-2024

Kaominina miisa 427 izany hoe 25,2 %n’ny kaominina eto Madagasikara no nahitana mpifidy nampiasa

Card image cap
19-déc-2024

Lehiben’ny fokontany mihoatran’ny 20 isa no tratran’ny mpifidy, ny mpanara-maso na «superviseur»

Card image cap
18-déc-2024

Mandray fitarainana samihafa toy ny tsindrihazolena, fanararaotam-pahefana,…

Card image cap