kanefa ny sasany mifanoroka etsy Tsimbazaza, fa ny vahoaka natao fitaovana politika nakana seza, dia isika no lazaina fa mivadika, hoy i Tahina Razafinjoelina omaly nandritra ny fanokafana ny fampielezan-kevitra. Fotoana nitondrany setriny eo anatrehan’ireo fanatsiana fanasoketana samihafa ihany koa. Ny janoary 2019, nisokatra ny kianjan’ny 13 mey, novakiantsika, mbola tsy nanonona valim-pifidianana ny HCC tamin’izany. Namono tena tamin’izany ny tenako, herinandro manjitra voavoho io, isika teny amin’ny 13 mey kanefa misy olona tonga any amin’ny HCC manaiky valim-pifidianana ka iza no mivadika ? Isika rehetra dia voafitaky ny olon-droa foana hatramin’izay, ary miaraka manimba ireo, hoy i Tahina Razafinhoelina. Nisintona ny saim-bahoaka ny tenany handinika hoe : iza no tena mpanohitra ary izay no mody mpanohitra ? Raha tena mpanohitra dia efa nisokatra ohatra ny fanadihadiana parlemantera mikasika ny volamena, ny kolikoly amin’ny tsenambaro-panjakana toy ny resaka làlana,… Iza no tena nanimba ny hetsika fotsy ? Fanajana Raiamandreny dia nangina ny tenako, ary tsy nikitika kandida, tsy nikitika fiainan’olona manokana,… fa raha hanao an’izany aho mbola zavatra hafa, hoy i Tahina Razafinjoelina. Izy izay nilaza tamin’ny tambajotran-tserasera omaly, fa fa nisy kandida tena nandray volabe tamin’ny hetsika fotsy, ary nisy ihany koa ny tena nandany vola hampahomby ny tolona. Tsy izahay no nanomboka, fa raha sahy ianareo hifampiresaka amiko dia andao, hoy hatrany i Tahina Razafinjoelina. Raha hifampiteny hoe : iza no tena mpanohitra dia vonona aho, ary andao hifanatrika ? Iza no sahy hifanatrika amiko ? Rehefa tsy sahy dia mipetraha tsara, fa izaho tsy te hifanimba samy mpanohitra, asanareo tantaraina, ny olantsika dia ny zavatra tsy rariny, ny rendrarendra,… Naneho izy fa 15 taona no naharesy ny firenena ka sao mba tokony hiova amin’izay ny fomba fanoherana ?
MANINONA NO TSY MIFANDAMINA NY MPANOHITRA ?
Nilaza i Tahina Razafinjoelina fa efa betsaka ny fanantonana natao, fa avonavona no setriny. « Izahay izao dia efa niondrika niteny andao hifanantona isika, ka tsy haiko fa taitaitra ny Chief of Staff mpikambana amina kabinetra, ao amin’ny antoko iray. Angaha tsy manana vina harovana no fanaratsiana no atao ? Raha manana vina ianareo dia vina resahana, fa raha resinareo amin’izany izahay dia hangina. Raha resinareo amin’ny asa dia mangina izahay ! », hoy i Tahina Razafinjoelina. Nanomboka tamin’ny 2001 no nijereko hoe : aiza no làlana, diso làlana, nahita fa tsy notantaraina ny tantara, ka ny tsy hitoviantsika aminy dia isika mijoro amin’ny fanabeazana ny vahoaka satria tsy misy afa-tsy io ny vahaolan’ny firenena, vahaolan’ny fahantrana, vahaolan’ny fahapotehan’ny tanàna,... hoy i Tahina Razafinjoelina nisintona hatrany ny sain’ny vahoaka fa tonga ny fotoana hitondrana fanovana.
Toky R
Tsy hoe zava-baovao no atao ankehitriny fa fanohizana ny tolona natomboka ny taona 2023,
tafa, niavaka, tsy fahita firy, vina sy faharesen-dahatra, hita hoe mila fanovanatokoa ny olona. Maro be no tonga kanefa tsy nisy nosandaina
Eto Antananarivo no fiantombohan’ny fanovana, ary isika tsy hanaiky hataon’ny olona lafika intsony.
Tsy vaky ny Kolekitifa an’ny Malagasy ary manohana an’i Tahina Razafinjoelina avokoa !
Naneho ny heviny sy fijeriny mikasika ny fifidianana ben’ny tanàna eto Antananarivo Renivohitra i Andry Herinjaka
Manamafy ny avy ao amin’ny birao politikan’ny antoko Tia Tanindrazana, fa nametraka taratasy fampahafantarana