airtel

Politique

16-sept-2024

Politika sy fifidianana

Mamofompofona rotaka…

Sample post image

Mafana ny toe-draharaha ara-pifidianana amin’izao telo andro tsy hifanaranan’ny fe-potoana hitsaharan’ny fametrahana antontan-taratasy izao.

16-sept-2024

Tsy an-kitsitsy ny kapa vava ranjo politika entina hanomezana vahana ny antokom-panjakana, rehefa jerena amin’ny zava-mitranga. Endriky ny fifanandrinana tsotra sa efa politika avo lenta entina hambolena rotaka sy sakoroka hanafoanana na hanemorana fifidianana ? Tsy misy tsy mikolay amin’ny fikarakarana dosie, ka efa andro vitsy tsy hifanaranan’ny fe-potoana mbola manodidina ny 20 hatramin’ny 30 ny lisitra kandida amin’ireo kaominina 1697 manerana ny Nosy. Tsy misy tsy misedra olana na an-dRenivohitra na eny ambanivohitra. Io iaraha-mahita io ny zava-mitranga eto Antananarivo izay mangotraka ny fanakanana ara-taratasy hirotsahan’i Marc Ravalomanana filoham-pirenena teo aloha, izay afaka nirotsaka ho Filoham-pirenena ary tsy nanana olana tamin’ny taratasin-ketra ny 2018 sy 2023 saingy io tratry ny fahirano io aty amin’ny 2024. Hanao ahoana ny ho fihetsiny sy ny mpomba azy raha toa ka ho voasakana hatramin’ny farany amin’ireo dingana farany azo atao eny amin’ny CENI na ny Filankevi-panjakana ? Aroboka hiditra amin’ny rotaka sy sakoroka ve ny mpanohitra mba hahafahana manafoana na manemotra ny fifidianana ? Tsy Antananarivo ihany, fa renivohi-paritany miisa 2 hatreto no somary mihotakotaka ara-politika satria mafampana ihany koa ao Antsiranana I amin’izao fotoana izao. Taorian’ny tsy fahafahan’ny ben’ny tanàna Atoa Dzavojozara Jean Luc ho kandida depiote farany teo noho ny fanenjehana azy, dia nilatsaka indray ihany koa ny didy manameloka azy higadra 5 taona an-tranomaizina sy handoa onitra 20 tapitrisa Ar ka fanodinkodinana vola tao amin’ny kaominina Antsiranana tamin’ny 2017 no voalaza fa nanamelohana azy. Betsaka no maneho fa tsy kisendrasendra ny namoahana ny didy taorian’ny fahatafapetrahan’ny antontan-taratasy firotsahan-kofidiany, izay « mandataire » no nametraka izany. Any Mahajanga, io karazan’ny ampiadiana na miady an-trano io ny fanoherana anatin’ny Vovonana Firaisankina eo anatrehan’ny fandavan’ny depiote Afakandro Christian ny fanolorana ny Filoham-panjakana teo aloha Rivo Rakotovao. Raha tarafina amin’ny voka-pifidianana farany teo, sarotra ny toeran’ny fitondrana amin’ireo renivohi-paritany sy tanàn-dehibe manerana ny Nosy, indrindra fa eto Antananarivo. Toa mangingina ary tsy mbola fantatra ny ankamaroan’ireo kandidam-panjakana indrindra fa eto Antananarivo. Tsy mahatoky tena sy tsy manana olona ve ny Fitondrana ka manao izay tsy hisian’ny fifidianana ? Volena ve ny rombo hahafahana manambara toe-javatra tsy azo hivalozana hahafahana manemotra ny fifidianana ? Ny fihetsiky ny fitondrana aloha, dia maneho fa misy ny tsy fahavononana sy tahotra ara-poltika. Tsy manam-piniavana hanao lalao madio, ary mety tsy mahatoky tena. Hiniana kiviana sy gafiana amin’ny fikarakarana taratasy sy fanasarotana ara-bola ny mety ho kandida atahorana, fa ny kandidam-panjakana mety ho lisitra fotsiny no havoaka, mety tsy ho feno akory ny antontan-taratasy,… ka betsaka ny kaominina mety ho kandida tokana.


Efa nanambara ny CENI tamin’ny alalan’ny mpampaka-teny Soava Andriamarotafika fa tsy misy resaka fanemorana fifidianana fa ny fe-potoana fandraisana ny antontan-taratasy no hitarina raha izay no takian’ny zava-misy. Tena hitazona an’izay ve ny CENI ? Halefa amin’izao ve sa hisy fanatsarana eo anatrehan’ny efa endrika tsy fifampatokisana sy kajikajy samihafa ary handeha ny lalaom-pifidianana na dia vao aty am-boalohany aza dia miharihary ny an-kamely sy mizana tsindrian’ila ? Andrasana izay hitranga ato aorian’ny 72 ora farany hahafahana mandrotsaka taratatasy firotsahan-kofidiana.

Toky R

 

 

Dans la même rubrique

18-sept-2024

Niditra an-tsehatra mivantana nanamafy ny fandetehana an’i Marc Ravalomanana ny Fanjakana foibe tamin’ny alalan’ny Minisitry ny toekerana sy ny fitantanam-bola Rindra Hasimbelo Rabarinirinarison

Card image cap
18-sept-2024

Nomelohin’ny fitsarana 5 taona an-tranomaizina, lamandy 2 000 000ar, izay sazy mihantona avokoa i Patrick Raharimanana,

Card image cap
18-sept-2024

24 ora sisa dia hifanarana ny fe-potoana napetraka hahafahana mandray ny antontan-taratasin’ireo

Card image cap
18-sept-2024

Nangataka hihaona tamin’ny CENI ny avy amin’ny fanoherana notarihin’ireo depiote avy amin’ny

Card image cap
18-sept-2024

Nametraka ny antotan-taratasy firotsahan-kofidiana ho ben’ny tanànan’ny kaominina ambanivohitr’Antehiroka

Card image cap
16-sept-2024

Tsy hita izay ambara fa sady tezitra no nalahelo ireo kandida mpanolotsain'ny tanàna sendran'ny don-tandroka

Card image cap