airtel

Politique

21-mai-2024

Politika sy raharaham-pirenena

Mahita faisina ny zanak’i Mahajanga…

Sample post image

Mitohy ny famotehana sy fanenjehana ny zanak’i Mahajanga, hoy ny fanamarihana eo anatrehan’ny

21-mai-2024

fanenjehana sy fitazonana an’i Patrick Raharimanana. Betsaka ireo lasibatry ny fitondrana Rajoelina. Zanak’i Mahajanga ny Tale Jeneralin’ny Jirama teo aloha Désiré Rasidy izay naiditry ny Fanjakana am-ponja ny taona 2020 noho ny fanamelohana higadra 4 taona. Ireo Tale Jeneraly nanao kolikoly tao anatin’izao fitondrana izao anefa navela niporitsaka mba tsy hilazana fa nampitsoahana. Efa niharan’ny fanenjehana ny Filohan’ny CAF Ahmad izay navezivezy natao fanadihadiana sy nalana baraka ho nanao kolikoly. Ny Profesora Ahmad Ahmad minisitry ny fahasalamana teo aloha nongotana manta tamin’ny toerany rehefa nivoaka ny dosie momba ny fangatahana fanohanana ara-pitaovana natao tamin’ny mpiara-miombon’antoka, nandritra ireny vanim-potoana nivaivain’ny covid-19 ireny. Notaperina nialohan’ny fotoana ny fotoam-piasan’ny Filohan’ny HCDDED (Haut Conseil pour la Défense de la Démocratie et l’Etat de Droit) Navony Pierre Le Noble, ary mbola nampanantsoina teny amin’ny IGE (Inspection Générale de l’Etat),… Mbola zanak’i Mahajanga ihany koa ny Mgr Odon Razanakolona izay nalana baraka tamin’ny raharaha « Apollo 21 » nohendrikendrehana ho tafiditra tamin’ny raharaha fikasana hamono ny Filoha Rajoelina. Tahaka izany ihany koa ireo Minisitry ny fanabeazam-pirenena roa mirahavavy isan’ny tena tratry ny fanenjehana goavana dia Rtoa Volahaingo Marie Thérèse sy Rtoa Rijasoa Manana, izay mety samy nanana ny hadisoany tokoa ka natao maty henjika sy nesorina, raha toa ka nosarontsaronana ny ankamaroan’ny adalan’ireo mpikambanana sasany tao amin’ny governemanta. Mitohy mandrak’androny ny fanenjehana an’i Afakandro Christian izay nisy fotoana nosamborina, ary ankehitriny dia tratry ny sakantsakana maro samihafa noho izy kandida depiote ao Mahajanga I ka anisan’ny sarotra amin’izao fotoana izao ny fahafahany miteny amin’ny haino aman-jery, raha ny vaovao azo avy any an-toerana,... Dia io ihany koa i Patrick Raharimanana henjehin’ny Fanjakana amin’ny resaka fivoahan’ny « agenda présidentiel » kanefa ny olon’ny Fiadidian’ny Repoblika heverina ho nanao tsirambina toa tsy misy voakitika. Tsy finiavana hiresaka foko sy fihaviana fa fifandrifian-javatra sa tena misy ny endrika fitsimponana ireo olona heverina fa zanak’i Mahajanga manana ny maha izy azy sa dia tena ireny olona ireny mihitsy no diso sy nanao fahadisoana mihoampampana ? Raha miresaka faritra sy Faritany hafa ihany koa anefa dia io iaraha-mahita io ny fanenjehana sy famotehana ireo olona misongadina ao anatin’ny Faritanin’i Fianarantsoa dia ny Filohan’ny Antenimierampirenena teo aloha Rtoa Christine Razanamahasoa sy ny depiote Brunelle Razafitsiandraofa. Tahaka izany ihany koa ny any Antsiranana dia ny fisian’ny fanenjehana ny ben’ny tanànan’i Diego Atoa Jean Luc Davojozara,…
Toky R
 

Dans la même rubrique

17-oct-2024

Anisan’ireo fikambanana resy lahatra ny amin'ny vinan'ny Tahiana Razafinjoelina (TR) ny Tanora Miharisoa 67 ha

Card image cap
17-oct-2024

Mihamafy ny tsindry ho an’ny Fitondrana Rajoelina na efa mafy aza ny vesatra eo anatrehan’ny krizy ara-tsosialy

Card image cap
17-oct-2024

Mafampana hatrany ao Tsimbazaza ao anatin’izao fivoriana ara-potoana eo anivon’ny Antenimierampirenena izao.

Card image cap
16-oct-2024

Aok’izay, tsy atao sosety, tsy atao lafika izany intsony , tsy atao tohatra fiakaana izahay ambany tanana fa mila olona tena hitondra ny fanovana,

Card image cap
16-oct-2024

Ny fanotronan’ny filohan’ny Vaomieram-pirenena mahaleotena misahana ny fifidianana na CENI

Card image cap
16-oct-2024

Niditra amin'ny fivoriana ara-potoana nanomboka omaly 15 oktobra ny antenimierampirenena.

Card image cap