airtel

Politique

31-mai-2024

Pr Joseph

« Aoka hampanjakaina ny fihavanana sy ny firaisankina »

Sample post image

Tsy mety mangina ny Pr Joseph manoloana ny toe-draharaha misy ankehitriny.

31-mai-2024

Taorian’ny fanentanana nataony mikasika ny tokony handraisan’ireo olom-pirenena feno 18 taona rehetra anjara tamin’ny fifidianana solombavambahoaka notanterahina afak’omaly alarobia 29 mey dia naneho ny heviny indray ny tenany omaly. Nisaotra an’Andriamanitra izy noho ny fahavitan’ny fifidianana soa aman-tsara saingy miantso ny vahoaka Malagasy rehetra kosa ny tenany mba hampanjaka ny fihavanana sy ny firaisankina eo ampiandrasana ny voka-pifidianana izay nataontsika. Mihezaha mitady fihavanana amin 'ny olona rehetra ary fahamasinana ; fa izay tsy manam-pahamasinana dia tsy hahita ny Tompo hoy izy araka ny voasoratra ao amin’ny . Hebreo, 12 :14 - 15. Ary mitandrema tsara, fandrao hisy hiala amin 'ny fahasoavan ' Andriamanitra ; fandrao hisy faka mangidy mitsimoka hampikorontana, ka ho voaloto ny maro. Hambara izany, satria mety hisy ireo kandidam-panjakana tsy hahatanty ho resy ka sanatria ho halaim-panahy hanao herisetra, tahaka izay niseho tetsy Tsarahonenana nandritra ireny propagandy ireny ! Tsarovy fa nisy fotoana hianareo mpomba ny fitondrana nilaza tamin ' ny antoko TIM ny hoe : 6% vitsy an’isa ; koa ankehitriny raha ho hafindran ' Andriamanitra amin ' izy ireo ve ny maro an’isa, araka ny tenin ' i Jesosy Kristy izay voasoratra ao amin 'ny Lioka 12 : 32 manao hoe : Aza matahotra, ry ondry vitsy, fa efa sitraky ny Rainareo ny hanome anareo ny fanjakana, dia tsy ho zakanareo ve, sa hiady amin ' Andriamanitra hianareo ? Heverina kosa fa efa ampy izay fahoriana sy fijaliana nahazo ny vahoaka Malagasy mpiray Tanindrazana amintsika izay hoy izy ka aleo hanjaka ny fahamarinana.
Nangonin’i Pati
Legende : Pr Joseph, manaraka hatrany ny fiainam-pirenena
 

Dans la même rubrique

22-oct-2024

fa kosa tsy azo atao ny mangina sy mikipy eo anatrehan’izao fahapotehana maro lafy izao.

Card image cap
22-oct-2024

Tao anatin’ny herinandro latsaka kely nanombohan’ny Asa Maharitra ho an’Antananarivo na AMA

Card image cap
22-oct-2024

Tsy zava-baovao ny fihetsiketsehan’ny mpanao politika mialohan’ny fampielezan-kevitra tahaka izao,

Card image cap
22-oct-2024

Taorian’ny Kaominina Alasora Avaradrano dia fantatra fa efa ahitana ilay lalao maloto momba ny fifidianana

Card image cap
21-oct-2024

Feno herintaona ny nisian’ny vondron-kery manokana vonjy taitra GFSI (Groupement des Forces Spéciales d’Intervention)

Card image cap
21-oct-2024

Tsy fampanantenana sy toky fitaka hatrany no ilaina, asa no ilain’ny vahoaka fa tsy fampanantenana poakaty, hoy ny kandida Tahina Razafinjoelina ny sabotsy teo,

Card image cap