airtel

Politique

28-mai-2024

PR JOSEPH

Jereo tsara ny olona hofidiana hialana amin’ny fahantrana

Sample post image

Ora sisa no isaina dia higadona ny fotoana izay hanatontosana ny adidy masina eto Madagasikara,

28-mai-2024

dia ny fifidianana izay ho solombavambahoaka izany. Rahampitso Alarobia 29 May tokoa mantsy no hanatanterahana izany manerana ny Nosy ho an’ireo feno 18 taona rehetra. Manentana ny vahoaka Malagasy rehetra ho tonga hanefa ny adidy masina eto amin 'ny firenena ka hirodorodo ho avy maro rahampitso araka ny Pr Joseph. Na izany aza anefa dia mampahatsiahy izy fa nandritra ny 15 taona katroka izay nisian 'ny fanonganam - panjakana nataon 'izao fitondrana izao teto amintsika, dia nihanahantra sy nijaly fadiranovana tamin 'ny lafiny rehetra ny Malagasy. Mba tsy hahatonga antsika sy ity firenetsika ity ho potika tanteraka noho izany dia mangataka izy mba samy hahay handinika sy handanjalanja avy ny tsirairay. Aza averina hanjaka eto intsony ireo nampahantra antsika mba tsy hitenenan 'Andriamanitra antsika hoe : Ny fahadalan 'ny olona no nahasimba ny alehany, dia amin ' i Jehovah no sosotra ny fony, araka izay voasoratra ao amin 'ny Ohabolana 19 : 3. Anjarantsika araka izany ny mandinika, fa hoy ny voasoratra ao amin 'ny Galatiana 6 : 7 manao hoe : Aza mety hofitahina hianareo, Andriamanitra tsy azo vazivazina fa izay hafafin 'ny olona no hojinjany.
Pati
Legende : Izy no Pr Joseph aminy !
 

Dans la même rubrique

22-oct-2024

fa kosa tsy azo atao ny mangina sy mikipy eo anatrehan’izao fahapotehana maro lafy izao.

Card image cap
22-oct-2024

Tao anatin’ny herinandro latsaka kely nanombohan’ny Asa Maharitra ho an’Antananarivo na AMA

Card image cap
22-oct-2024

Tsy zava-baovao ny fihetsiketsehan’ny mpanao politika mialohan’ny fampielezan-kevitra tahaka izao,

Card image cap
22-oct-2024

Taorian’ny Kaominina Alasora Avaradrano dia fantatra fa efa ahitana ilay lalao maloto momba ny fifidianana

Card image cap
21-oct-2024

Feno herintaona ny nisian’ny vondron-kery manokana vonjy taitra GFSI (Groupement des Forces Spéciales d’Intervention)

Card image cap
21-oct-2024

Tsy fampanantenana sy toky fitaka hatrany no ilaina, asa no ilain’ny vahoaka fa tsy fampanantenana poakaty, hoy ny kandida Tahina Razafinjoelina ny sabotsy teo,

Card image cap