airtel

Politique

09-oct-2024

Pr Marcellin Andriantseheno

«Hain’izao fitondrana izao 100% ireo mpanohitra ireo»

Sample post image

Mba misy ihany eto Madagasikara ny olona manam-pahaizana, manam-pahalalana,

09-oct-2024

mahafantatra ny malagasy kanefa isika malagasy izao dia faran’ny gisitra, hoy ny mpampianatra mpikaroka sady mpanao politika, Pr Marcellin Andriantseheno. Amin’ny lafiny rehetra io, hoy izy, fa tsy toekarena ihany. Na amin’ny lafiny ara-panatanjahantena na fiainana an-davan’andro dia anisan’ny firenena tena gisitra sy mahantra ny malagasy. Rehefa mijery eto Antananarivo nefa dia feno takelaka mena marika 4x4 na fiara tsy mataho-dalana vaovao izao. Miha betsaka koa ny fiara vaovao mitondra laharana WWT eto Antananarivo. Lazainao fa mahantra ilay firenena nefa izany no zavatra hitanao ety an-drenivohitra. Asa na 2 na 5%n’ny olona mitavana ny harena eto amin’ity firenena ity dia mpanao bizina no betsaka. Amin’ilay manamanam-bola dia ilay atao hoe manam-pahaizana sy manam-pahalalana na elita, ireo izany no mihinana sy mitsentsitra ny fananam-pirenena eto. Vitsy an’isa ireo. Ireo izany tsy mametra-panontaniana mihitsy amin’izany atao hoe tanindrazana na soa iombonana. Manangana faribolana hifehezana ny firenena, ny fahalalana amin’ity firenena ity ireo. Ireo ilay mametraka hoe na iza na iza mitondra eo, izahay tsy maintsy tale na azo atao minisitra na manan-karena, izany hoe tsy maintsy ambony. Eto Antananarivo izay fa raha i Madagasikara no resahina dia 80% fara-faha keliny ny olona tsy mahalala ny atsimo sy avaratra, tsy nianatra satria tsy nomena fahalalana. Ny fanabeazana eto amintsika dia 0 na aotra. Io fampianarana eny amin’ny oniversite io dia tsy mampianatra hahay zavatra na sahala amin’izany fa karazana fampianarana ondry. Izay no nampianarin’ny mpanjanaka dia izay no tohizantsika. Tsy miditra amin’ny raharaham-pirenena mihitsy ireo olona ireo satria tsy mahafantatra na inona na inona. Manasa atidoha ny haino aman-jerim-panjakana dia ny haino aman-jery tsy miankina indray fehezin’ny fanjakàna. Ireo vahoaka ataontsika hoe velombelon-dratsy mandray 6 hetsy na 8 hetsy Ariary, mpiasam-panjakàna, ireo indray manao hoe aleo mihinan-kely toy izay mandry fotsy. Tsy hanao na inona na inona mihitsy izany ireo ary tsy hivaky loha afa-tsy ny azy aloha, izany hoe, ny asany sy ny fianakaviany kely. Ilay ataontsika hoe maro an’isa na sarabambem-bahoaka kosa dia tena difotry ny fitadiavana sy ilay fameloman-tena miha sarotra hatrany. Miandry tataka fotsiny ireo. Miandry gorobaka fa tsy haninon-tsy haninona. Ireo ilay rehefa raikitra ny rombo dia mamotika sy mandrava. Tsy mahafantatra nefa ireo hoe ireo mpanao politika amin’izao fotoana ireo ihany no miverina eo na ny havany. Iza no hitarika tolona fanovana eto izany? Tsy misy tia tanindrazana izany eto! Ny voambolana hoe tanindrazana no nesorin’i Gallieni voalohany tamin’ny fanjanahantany fa nosoloiny hoe fanjakana. Ny nataony faharoa dia nanala ny fokonolona ao amin’ny fifehezana ny fitondrana ny firenena. Fahatelo, ny namoronany an’io akademiam-pirenena io, izay zanaky ny mpamadika sy ny olona novokariny tany an-dafy tany, no nikaroka momba ny kolontsaintsika fa rehefa azony ny kolontsain’olona dia nofeheziny. Tsy misy izany tanindrazana izany intsony. Na ny fiangonana aza, inona izao no ataony? Ny FJKM izao dia miady hahazo fitandremana eto Antananarivo fotsiny ny pasitera mba ho be karama dia azo antoka ny retirety sy 4x4 rehefa miala eo. Ny Eveka izany tamin’i Rajaonarimampianina no niteny fa izao tsy miteny satria mihinana fromazy sy divay. Tsy misy manam-pahaizana izany eto fa mpamerin-desona daholo no ankabeazany, hatramin’ny mpampianatra eny amin’ny oniversite. Ny atao hoe manam-pahaizana dia mikaroka sy manavao. Ny mpanao politika izao dia mifamitampitaka eo dia mifandrebireby eo dia mamita-bahoaka eo. Fifidianana ahazoana toerana no maha may azy. Hain’izao fitondrana izao 100% ireo mpanohitra ireo ary izay no tsy maha taitra azy amin’ireo, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija

 

Dans la même rubrique

10-oct-2024

Hitafa amin'ny vahoaka malagasy tsy ho ela ny filoha Rajoelina hitondra vahaolana amin'ireo

Card image cap
10-oct-2024

Ny fanaovana politika dia tena mila kajy, hoy ny mpahaifiarahamonina politika sady filohan’ny antoko politika Ny Fireneko, Paul Rabary.

Card image cap
10-oct-2024

Azo lazaina ho fisehoana politika voalohany ho an’i Tojo Ravalomanana, kandida atolotry ny TIM eto Antananarivo,

Card image cap
10-oct-2024

Omaly alarobia 9 oktobra no natao teny amin’ireo OVEC nanerana ny nosy ny antsapaka momba ny

Card image cap
10-oct-2024

Ny laharana N°2 no voasarika ho an’ny kandida Tahina Razafinjoelina amin’ny fifidianana ben’ny tanàna eto

Card image cap
09-oct-2024

Mety hoe leo politika ny Malagasy matoa ambany foana ny taham-pandraisan’anjaran’ny mpifidy

Card image cap