airtel

Politique

18-juin-2024

Praiminisitra sy governemanta vaovao

Hanahirana an-dRajoelina ny momba ny PM Ntsay…

Sample post image

Miandry ny famoahan’ny HCC ny vokatra ofisialy, io no mamaritra ny tanjaka politika,

18-juin-2024

ny maro an’isa, ary ny maro an’isa mandrafitra ny governemanta,… ka noho izany, dia mila miasa haingana, ka tsy mila fialana bala intsony amin’ny fitavozavozana izay mahataraiky ny asa rehetra izay atao. Izay tsy maharaka ny hafainganam-pandehan’ny filoha dia midina,… Ireo no isan’ny nivoitra tamin’ny fanambarana politikan’ny Filoham-pirenena tany Toamasina ny faran’ny herinandro teo. Samy miandry ny sary hiseho aorian’ny valim-pifidianana ofisialy avoakan’ny HCC izany ny rehetra eo anatrehan’ny mety ho fikitihana ny governemanta. Mbola banga rahateo ny toerana minisitra miisa 7 izay nalefa ho kandidan’ny IRMAR, izay ny 5 amin’izy ireo no lany raha ny vokatra vonjimaika, dia ny Minisitry ny atitany Atoa Toky Justin poa-droa miaraka amin’i Mamangy Norbert ; Haja Resampa any Morondava ; Soafilira Princia any Analalava ; Sahondrarimalala Marie Michelle ao Fianarantsoa I ; Razafiarison Andriamanantena any Ampanihy Andrefana ; Haingo Fomendraza Ambositra. Rtoa Lalatiana Rakotondrazafy no miady mafy sy mivavaka amin’ny HCC hanintsana an-dRamilison Nomenjanahary ao Faratsiho, fa saika tafavoaka aloha izany ny 6/7 tamin’ireo minisitra hatreto raha ny vokatra vonjimaika. Lokan’ady be ny toerana ao anatin’ny governemanta satria tsy maintsy hitady fahamarinan-toerana kokoa ny filoham-pirenena raha ny lojika. Manana tombodahiny sy mety hanana fahamarinan-toerana kokoa ireo minisitra teo aloha izay avy nisedra fifidianana ka lany, ary naman’ny poa-droa ihany raha misy miverina anaty governemanta, ary miakatra ny lisitra faharoa. Hanao ahoana ny ho avin’ny Praiminisitra Ntsay aorian’ny fifidianana ? Amin’ny lafiny iray, dia naman’ny nahavita iraka na « mission » toy ny tamin’ny fifidianana 2018 ihany ny tenany izay lehiben’ny fitantanan-draharaham-panjakana tao anatin’ny zotram-pifidianana, ary voafehy hatreto ny toe-draharaha na nafampana aza taorian’ny fifidianana. Tsy mbola nisedra safidim-bahoaka kosa ny Praiminisitra izay efa narisarisa ny toerany nanomboka ny desambra 2022 nisian’ny fitsipaham-pitokisan’ny depiote, saingy navotan’ny Filoham-pirenena. Mbola ho voatazona ve ny Praiminisitra Ntsay ?
SAROTRA INDRAY NY TOERAN-DRAJOELINA…
Sarotra ny toeran-dRajoelina eo anatrehan’ny tantara satria hanahirana azy ny hanova sy hanala ity Praiminisitra izay efa 6 taona izay no teo. Misy hery matanjaka ao an-damosiny, ary misy aza ny siosion-dresaka fa misy amin’ireo kandida nifaninana tamin’ny IRMAR no izy no tao ambadika ? Ho an’ny governemanta, tsy dia maharesy lahatra sy tsy tena maharo ny fitondrana tarihin-dRajoelina ny vokatra. Mazava aloha fa tsy manana olana ny IRMAR hanolotra ny anaran’ny Praiminisitra araka ny andininy faha-54 amin’ny lalàmpanorenena fa iza ? Ny teo no haverina sa hiakatra ho PM araka ny feo mandeha ny Minisitry ny fanabeazam-pirenena Rtoa Sahondrarimalala Marie Michelle izay efa tsara toerana farany teo? Sa hiakatra amin’izay Atoa Fienena Richard izay voafidy vonjimaika indray ho depiote ? Ny lojika kokoa raha te hanarina izay mety ho voaarina sy hitady tsio-drivotra politika vaovao kokoa hanalefahana ny krizy politika, dia ny manolo ny Praiminisitra. Ho vita mora ve anefa izay sa hivadika ho krizy hafa hanahirana an-dRajoelina sy ny volomboasary ? Mbola mety ho vain’afo eo ambony lohan’ny filoha indray io na hanova izy na hitazona !?
Toky R


 

Dans la même rubrique

22-oct-2024

fa kosa tsy azo atao ny mangina sy mikipy eo anatrehan’izao fahapotehana maro lafy izao.

Card image cap
22-oct-2024

Tao anatin’ny herinandro latsaka kely nanombohan’ny Asa Maharitra ho an’Antananarivo na AMA

Card image cap
22-oct-2024

Tsy zava-baovao ny fihetsiketsehan’ny mpanao politika mialohan’ny fampielezan-kevitra tahaka izao,

Card image cap
22-oct-2024

Taorian’ny Kaominina Alasora Avaradrano dia fantatra fa efa ahitana ilay lalao maloto momba ny fifidianana

Card image cap
21-oct-2024

Feno herintaona ny nisian’ny vondron-kery manokana vonjy taitra GFSI (Groupement des Forces Spéciales d’Intervention)

Card image cap
21-oct-2024

Tsy fampanantenana sy toky fitaka hatrany no ilaina, asa no ilain’ny vahoaka fa tsy fampanantenana poakaty, hoy ny kandida Tahina Razafinjoelina ny sabotsy teo,

Card image cap