airtel

Politique

01-août-2023

Politique

Préfets sy Lehiben’ny distrika Terena hampandresy ny volomboasary!?

Sample post image

Niparitaka teny amin’ny tambajotran-tserasera ny naoty n°162/2023-MID navoakan’ny Minisitry ny atitany Atoa Tokely Justin ny 27 jolay lasa teo.

01-août-2023

Manome baiko sy manery ireo Solontenam-panjakana dia ny Préfets sy ny Lehiben’ny distrika mba hitety ireo kaominina, hanazava ny Politika ankampoben’ny fitondrana eny amin’ireo vahoaka ao amin’ny fari-piadidiany, hampahafantatra ireo asa sy zava-bitan’ny govornemanta ankehitriny. Notsipihina tao anatin’io fa mila atao matetika ny fiifaneraserana amin’ny vahoaka, ka tsy maintsy mitety kaominina miisa 3 ao anatin’ny herinandro farafahakeliny. Isaky ny 15 andro, dia mila manao tatitra any amin’ny minisitra izy ireo momba izay fidinana ifotony izay. Nandefasana ny dika mitovin’io ny Praiminisitra Lehiben’ny governemanta, izay lehiben’ny fitantanan-draharaham-panjakana voalohany eto amin’ny tany sy ny firenena. Nampiady hevitra io naoty io, ary nahazoan’ny Fitondram-panjakana kiana mivaivay. Isan’ny namoaka fanambarana momba an’io ny Marc Ravalomanana izay nilaza mazava fa fandikan-dalàna sy fampielezan-kevitra mialohan’ny fotoana ary fihantsiana. Rehefa zohiana, azo adika avy ho fanerena ireo solontenam-panjakana izay miantsoroka ny fampiodinan-draharaham-panjakana na ny “administration” hitanila sy hiandany ara-politika amin’ny Fitondrana volomboasary. Ny andininy faha-39 amin’ny lalàmpanorenana anefa no mamaritra fa y andininy faha-39 amin’ny lalàmpanorenana anefa no mamaritra fa “Ny Fanjakana no miantoka ny tsy fitanilana politika amin’ny Fitondran-draharaham-panjakana, ny Foloalindahy, ny Fitsarana, ny Mpitandro filaminana, ny Fampianarana ary ny fanabeazana. Izy no mandamina ny ny Fitondran-draharaham-panjakana mba hisorohana amin’ireo asa rehetra fandanindaniam-poana sy ny fanodinkodinana ny vola-panjakana ho amin’ny tombotsoa manokana na politika”.
MANAMAFY NY AHIAHY POLITIKA
Manamafy ahiahy politika momba ny paikady hoenti-mampandresy ny kandidam-panjakana amin’ny fifidianana ny fanetsehana ireo Prefets sy Lehiben’ny distrika. Efa taratr’izany ny fampiasana azy ireo mivantana na ankolaka hanao ny sakantsakana samihafa amin’ny famoriam-bahoaka ara-politika ataon’ny antoko mpanohitra, mba ho fampiharana ny fangejana tamin’ny alalan’ny naoty mandrara ny famoriam-bahoaka an-kalamanjana. Manana andraikitra mivantana na ankolaka ara-pifidianana rahateo ny Minisiteran’ny Atitany, izay rafitra mifehy ireo Prefets sy Lehiben’ny distrika. Izay ve no tambin’ny fizarana fiara tsy mataho-dàlana? Malalaka ny fitondram-panjakana amin’ny fahafahana mamory vahoaka, izay matetika mirarakopana ny kabary politika, toy ny nataon’ny Depiote IRD Velontsara Paul Bert izay niraradraraka ny fanaratsiana an’I Marc Ravalomanana sy Siteny Randrianasoloniaiko tany Port Berger ny volana may teo, teo ambany mason’ny Minisitry ny atitany. Mbola ahiahy hafa ihany koa ny kajy mety handeha eny amin’ny fokontany izay voalaza fa nitombo an’arivony ny isan’ny fokontany amin’izao 2023 izao mitaha ny tamin’ny 2018, kanefa voalaza fa nisy kaominina sasany nangataka tamin’ny Atitany ny hampitomboana ny fokontany satria misy manana birao fandatsaham-bato efa ho 5 saingy nolavina fa hoe: tsy afaka manangana fokontany vaovao satria ny karaman’ireo sefom-pokontany amin’izao aza tsy voaloa no valiny. Somary mampitombo ny ahiahy sy mety handrehitra afo politika ity resaka fampiandaniana mivantana na ankolaka ny fitondrandraharaham-panjakana ho an’ny tombotsoan’ny antoko eo amin’ny fitondrana ity. Manomboka mihamaro ireo antoko manamafy sy mitaky, fa tokony hitovy ny fahafahana sy fahalalan’ny rehetra satria betsaka no mahatsapa fa mitombo ny fangejana sy fanakanana amin’izao andron’ny “pré-campagne” izao, ary mety hiitatra hatrany amin’ny propagandy. Tsy vao mainka hampirehitra ny afo ve izany?
Toky R

 

 

 

Dans la même rubrique

22-oct-2024

fa kosa tsy azo atao ny mangina sy mikipy eo anatrehan’izao fahapotehana maro lafy izao.

Card image cap
22-oct-2024

Tao anatin’ny herinandro latsaka kely nanombohan’ny Asa Maharitra ho an’Antananarivo na AMA

Card image cap
22-oct-2024

Tsy zava-baovao ny fihetsiketsehan’ny mpanao politika mialohan’ny fampielezan-kevitra tahaka izao,

Card image cap
22-oct-2024

Taorian’ny Kaominina Alasora Avaradrano dia fantatra fa efa ahitana ilay lalao maloto momba ny fifidianana

Card image cap
21-oct-2024

Feno herintaona ny nisian’ny vondron-kery manokana vonjy taitra GFSI (Groupement des Forces Spéciales d’Intervention)

Card image cap
21-oct-2024

Tsy fampanantenana sy toky fitaka hatrany no ilaina, asa no ilain’ny vahoaka fa tsy fampanantenana poakaty, hoy ny kandida Tahina Razafinjoelina ny sabotsy teo,

Card image cap