airtel

Politique

16-oct-2023

Propagandin-dRajoelina tao Fianarantsoa

Tsy tazana ny Filohan’ny Antenimierampirenena…

Sample post image

Isan’ny faritra nanaovan’ny kandida Andry Rajoelina fampielezan-kevitra ny faran’ny herinandro teo tao Fianarantsoa.

16-oct-2023

Nanakoako ren’ny Nosy iray manontolo ny fifankatiavantsika androany ry Fianarantsoa. Tsy mbola nisy fandraisana mafana noho izao nataonareo androany izao teto hatrizay. Voaporofo fa mahay mamaly fitia ny mponina eto », hoy i Andry Rajoelina izay nilaza fa teo anilan’ny vahoakan’i Fianarantsoa hatrany ary naman’izy ireo na tao anatin'ireo sarotra. Nilaza fa betsaka ny asa vita sy efa natomboka, ary nampanantena fa hiompana misimisy kokoa amin'ny fanampiana anareo mponina isika manomboka izao. Raha ny fanamarihana avy any an-toerana kosa dia tsy tazana ny Filohan’ny Antenimierampirenena Rtoa Christine Razanamahasoa nandritra io fampielezan-kevitra nataon-dRajoelina io. Fifandrifian-javatra sa antony ara-politika lehibe? Raha ao anatin’ny faritanin’i Fianarantsoa izany, dia ity Filohana andrim-panjakana ity no isan’ireo mpanao politika azo heverina ho manana ny tanjany ao, ary izy rahateo no filoha am-perinasan’ny Fikambanan’ny Zanaky ny Faritanin’I Fianarantsoa. Raha hiverenana, ny volana febroary lasa teo nandritra ny fihaonamben’ny FIZAFAFI no nanambaran-dRtoa Christine Razanamahasoa hoe: “omenay anao ny vatonay Andriamatoa Filoha, fa omeo anay faritanin'i Fianarantsoa ny Praiministra (mahazoarivo) sy ny ao amin'ny Assemblée Nationale (Tsimbazaza) ary tsy tokony ho latsaky ny 10 ny ministra avy aty aminay ao anaty Governemanta". Tsy izay aloha ny sary miseho, ary isan’ny nahatezitra ny zanaky ny faritanin’I Fianarantsoa sy ny olom-boafidin’I Tsimbazaza ny voalaza fa nampitomaniana io Filohana andrim-panjakana io ny desambra 2022 tamin’ilay raharaha fitsipaham-pitokisana ny governemanta. Vao herinandro ihany koa izay no nisian’ilay fanambarana nataony amin’ny tokony hanajana ny zon’olombelona, ny lalàna velona, ny Fanjakana tan-dalàna satria niaiky Rtoa fa mafampana ny toe-draharaha. Misy lanjany sy dikany lehibe ara-politika na iny fanambarana nataony iny, na ny tsy fahatazanana azy nanotrona ny propagandin’ny kandida Andry Rajoelina. Sarotra ny hahazoan’i Andry Rajoelina an’i Fianarantsoa raha tena handeha ny fifidianana, ary ny sary miseho ankehitriny dia avy ao anatin’ny Faritanin’i Fianarantsoa ihany koa ny kandida Brunelle Razafitsiandraofa izay efa nisara-dalana tanteraka aminy, misy kandida hafa tena akaiky ny fon’ny vahoakan’i Fianarantsoa ihany koa,… Na izany na tsy izany, mbola betsaka ny baraingo momba ny zotram-pifidianana satria mbola mandeha ny fitakiana fanadiovana izany.
Toky R
 

Dans la même rubrique

22-oct-2024

fa kosa tsy azo atao ny mangina sy mikipy eo anatrehan’izao fahapotehana maro lafy izao.

Card image cap
22-oct-2024

Tao anatin’ny herinandro latsaka kely nanombohan’ny Asa Maharitra ho an’Antananarivo na AMA

Card image cap
22-oct-2024

Tsy zava-baovao ny fihetsiketsehan’ny mpanao politika mialohan’ny fampielezan-kevitra tahaka izao,

Card image cap
22-oct-2024

Taorian’ny Kaominina Alasora Avaradrano dia fantatra fa efa ahitana ilay lalao maloto momba ny fifidianana

Card image cap
21-oct-2024

Feno herintaona ny nisian’ny vondron-kery manokana vonjy taitra GFSI (Groupement des Forces Spéciales d’Intervention)

Card image cap
21-oct-2024

Tsy fampanantenana sy toky fitaka hatrany no ilaina, asa no ilain’ny vahoaka fa tsy fampanantenana poakaty, hoy ny kandida Tahina Razafinjoelina ny sabotsy teo,

Card image cap