airtel

Politique

13-nov-2023

Ra mandriaka teny Mahamasina

Milaza ny « forces» fa fiarovan-tena no nataony

Sample post image

Raha ny serasera nataon’ny « forces » tamin’ny Central d'Antananarivo, Andry Ny Aina Radanielson

13-nov-2023

eto Antananarivo mikasika ny toe-draharaha teny Mahamasina omaly, dia hofotorina noho ny fikasana hitarika vahoaka eny amin’ny 13 may ny depiote Fetra Ralambozafimbololona. Nambara fa nanome toromarika ny olona hoe : andao hidina eny amin’ny 13 may no antony. Ao anatin’ny fivoriana ara-potoanan’ny Antenimierampirenena anefa no isehoan’izany, izay tsy azo atao raha tsy mahazo alalana avy amin’ny Filohan’ny Antenimierampirenena, raha ny fanazavana fohy nataon’io Filohana andrim-panjakana io omaly teny Tsimbazaza. Mikasika ny fihetsiky ny «forces» izay nitarika faharatrana olona maro, nambara fa fa fiarovan-tena na « légitime défense » satria nisy ekipan’izy ireo iray nambara fa saika hanaovana fitsaram-bahoaka satria lavo tamin’ny tany mihitsy, ka nambara fa nanavotra an’iny ny namany, hoy ny fanazavana. Nambara fa niaro ilay zandary lavo tamin’ny tany, ary avy eo novonjen’ny namany. Nambara fa ny basy lehibe nampiasana bala fingotra ihany no nampiasaina, ka mahagaga, hoy izy ireo, ny fahitana iny bala kely iny satria tsy nisy mpitandro filaminana nampiasa basy poleta, hoy hatrany ny fanazavana. Nambara fa tsy fantatra ny nihavian’ilay bala. Nilaza hanokatra fanadihadiana noho izany izy ireo mikasika iny tranga iny. Samy manana ny mety handikany an’io ny rehetra, saingy misy ihany ny mametra-panontaniana eo anatrehan’ny horonan-tsary izay maneho ny nitazonana ilay lehilahy iray sy nitifirana azy akaiky dia akaiky hoe : tena noho izy saika hitarika fitsaram-bahoaka tokoa ve no nitifirana azy sa noho izy nosintonin’ny sivily hafa ?
Toky R

 

Dans la même rubrique

22-oct-2024

fa kosa tsy azo atao ny mangina sy mikipy eo anatrehan’izao fahapotehana maro lafy izao.

Card image cap
22-oct-2024

Tao anatin’ny herinandro latsaka kely nanombohan’ny Asa Maharitra ho an’Antananarivo na AMA

Card image cap
22-oct-2024

Tsy zava-baovao ny fihetsiketsehan’ny mpanao politika mialohan’ny fampielezan-kevitra tahaka izao,

Card image cap
22-oct-2024

Taorian’ny Kaominina Alasora Avaradrano dia fantatra fa efa ahitana ilay lalao maloto momba ny fifidianana

Card image cap
21-oct-2024

Feno herintaona ny nisian’ny vondron-kery manokana vonjy taitra GFSI (Groupement des Forces Spéciales d’Intervention)

Card image cap
21-oct-2024

Tsy fampanantenana sy toky fitaka hatrany no ilaina, asa no ilain’ny vahoaka fa tsy fampanantenana poakaty, hoy ny kandida Tahina Razafinjoelina ny sabotsy teo,

Card image cap