manoloana ny zava-misy hiainan’ireo mpikambana eo anivon’ny antoko politika Tiako I Madagasikara ankehitriny, izay voahilika avokoa ny ankamaroany. Nambarany fa lasa tena maloto ilay fanaovana politika ao anatin’ity antoko ity. Tahaka izao ny resaka nifanaovan’ny gazety Tia Tanindrazana taminy.
Nilaza ianao fa misy mersenera mpanimba ao anatin’ny antoko TIM, ahoana ny mikasika izay ?
Ny antoko Tiako I Madagasikara dia tarihin’ny Filoha Ravalomanana. Izy no mpanorina ny antoko dia izy no eken-teny sy hajaina. Misy anefa ao anatin’ny birao politika tsy manaiky fa te-hanao ny heviny manokana mba hampanjakaina. Misy rafitra mifehy anefa ny antoko ary raha ny tokony ho izy dia ny hevitry ny Filoha Ravalomanana no faratampony indrindra. Mikasika ilay mersenera mpanimba dia efa tany amin’ny fanomanana ny fifidianana depiote no nandeha ity scenario ity. Tamin’izany no nisy resaka fa hatao kandida depiote ny tenako ny Ben’ny tananan’Ampitatafika ary olon-kafa no hatao ho Ben’ny tanana. Tsy tanteraka anefa izany fa zavatra hafa no nataon’ny sasany nandaniako vola hany ka tsy misy afa-tsy ny filoha Ravalomanana sy mpikambana vitsivitsy ary ny depiote namana hafa no manampy ahy amin’izao. Ireo mersenera politika tiako ambara moa dia ireo mpifaninana satria vatsian’ny mpamatsy vola mifanohitra amin’ny Filoha Ravalomanana izy ireo. Efa tamin’ny fifidianana depiote no nisy depiote nilaza fa ny harenany tsy ho lany mihitsy na hatramin’ny zafiafiny aza. Io olona io no mamatsy vola ny depiote lany tety sy ny depioten’ny Boriborintany voalohany.
Tena lasa maloto ilay lalao hiainana ao anatin’ny antoko. Manao ahoana ianao sy ilay depiote lany teny Atsimondrano izany ?
Mifandray amin’ny alalan’ny WhatsApp ao anatin’ny vondrona izahay. Ampitatafika manokana dia misafidy ny tsy dia hiaraka aminy ary lany tao anatin’ny fivorian’ny mpikambana mihitsy izany. Izy rahateo koa tanan-kavanan’ilay olona mpifaninana amiko ety. Tsy nahenoam-peo izy hatreto : hoe tsy mety ny hataon’ny mpifaninana na indray mandeha aza. Tsy nahenoam-peo ihany koa ny Sekretera jeneralin’ny antoko TIM izay hitabe hoe : miandany any amin’ny hevitra tsy mitombina. Aminao mbola tena misy ve ny fanoherana eto Madagasikara ? Tena voafitaka Atsimondrano tamin’ny ankapobeny. Nanomboka tany amin’ny fifidianana depiote izany no efa hita taratra. Manalefaka ilay antoko mpanohitra ny TIM raha ny ety Atsomindrano manokana. Ny tongony iray mantsy any amin’ny TIM raha any amin’ny mifanohitra amin’izay kosa ny tongotra iray.
Manao ahoana ny birao politika manoloana izany ?
Tokony handray andraikitra ny birao politika rehefa misy fifandirana tahaka izao raha ny tokony ho izy. Efa lasa nasionaly mantsy ilay zava-misy fa tsy mijanona ho kaominaly intsony. Tsy marina raha milaza ho tsy maheno izany ny birao politika fa minia tsy miteny fotsiny izy ireo. Raha tsorina dia voahodidina mersenera politika ny Filoha Ravalomanana. Izay no tena manahirana amin’ilay fanaovana politika. Ilay mahafantatra ny fahavalo morabe fa ilay mody namana sarotrabe. Notsiahivin-dRado Ramparaoelina moa fa izy irery sisa no Ben’ny tanana TIM manomboka eo Anosizato ka hatrany Tsiroanomandidy, antony ilazany fa mpikarama an’ady politika no misy. Tokony hisy ny tena fanohanana ahy noho izany hoy izy saingy natao mihitsy izay hamotehana ny TIM.
Mety hanao ahoana izany ny ho avinao sy ny antoko Tiako I Madagasikara ?
Raha ny tena izy tokony hisy kongresy ny antoko Tiako I Madagasikara amin’izao, indrindra manoloana io rivotra mitsoka hafahafa io. Ny filoha Ravalomanana ihany anefa no mandrindra sy mandamina izany ary tsy misy fanoherana mihitsy fa laninay 100% izay tapany eo. Raha sanatria kosa anefa ka izao zava-misy izao no mbola mandeha dia ho hitantsika eo. Efa ho avy indray mantsy izao ny fifidianana senatera. Ny momba ahy manokana dia mbola hanao fanambarana ofisialy mikasika ny fifandraisako amin’ireo mpikambana ao amin’ny TIM aho aorian’ny fivoahan’ny isam-bato azoko amin’ny datin’ny fifidianana Ben’ny tanana hatao amin’ny 11 Desambra ho avy io.
Pati
Legende : Hentitra ny Ben’ny tananan’Ampitatafika teo aloha Rado Ramparaoelina omaly !
Miantso ny mpomba an’i Tojo Ravalomanana mba hanao fety fa aminay dia efa mandresy
Nisy fisondrotany 30 ka hatramin’ny 100% ny vidin’entana eny an-tsena tato anatin’ny 5 taona. Tena voakasika mivantana amin’io ny sakafo toa ny vary , hena,
Kaominina miisa 427 izany hoe 25,2 %n’ny kaominina eto Madagasikara no nahitana mpifidy nampiasa
Lehiben’ny fokontany mihoatran’ny 20 isa no tratran’ny mpifidy, ny mpanara-maso na «superviseur»
Mandray fitarainana samihafa toy ny tsindrihazolena, fanararaotam-pahefana,…