airtel

Politique

28-mai-2024

Rafi-pitantanana ny firenena

«Mbola tetezamita ho any amin’ny tena fahaleovantena isika izao»

Sample post image

Tsy miteny aho eto hoe andao hiverina amin’ny fitondrana faha mpanjaka na «monarchie»,

28-mai-2024

hoy ny mpandalina fomban-drazana sy raiamandreny ara-drazana, Josephin Andriandrainarivo. Ny zava-misy rehetra eto amin’izao dia mbola tamin’ny fotoana nidiran’ny vahiny mivantana teto, hoy izy. Mbola tetezamita ho any amin’ny tena fahaleovantena isika izao. Hifidy isika. Isika aloha tsy maintsy hifidy araka ny feon’ny fiheritreretan’ny tsirairay avy. Hisy solombavambahoaka ho lany araka ny voafaritry ny lalàmpanorenana tokoa eo. Iantefan’izao antso izao ireny rehetra ireny. Ho lany eo ianareo dia miantso anareo mba tsy ho fehezin’antoko ka antoko manana fifanarahana any ambadimbadika na firenena any ivelany any no resaka fa tena fahasoavana ho an’ny firenena, tena fahaleovan-tena, tena fiandrianam-pirenena. Ny fahafahantsika miverina an-kalalahana amin’ny fandriampahalemana, amin’ny filaminana, ny fihavanana maha malagasy ny malagasy no tokony hitadiavantsika rafitra mifanaraka aminy miaraka amin’izay mpitondra eo, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija

 

Dans la même rubrique

22-oct-2024

fa kosa tsy azo atao ny mangina sy mikipy eo anatrehan’izao fahapotehana maro lafy izao.

Card image cap
22-oct-2024

Tao anatin’ny herinandro latsaka kely nanombohan’ny Asa Maharitra ho an’Antananarivo na AMA

Card image cap
22-oct-2024

Tsy zava-baovao ny fihetsiketsehan’ny mpanao politika mialohan’ny fampielezan-kevitra tahaka izao,

Card image cap
22-oct-2024

Taorian’ny Kaominina Alasora Avaradrano dia fantatra fa efa ahitana ilay lalao maloto momba ny fifidianana

Card image cap
21-oct-2024

Feno herintaona ny nisian’ny vondron-kery manokana vonjy taitra GFSI (Groupement des Forces Spéciales d’Intervention)

Card image cap
21-oct-2024

Tsy fampanantenana sy toky fitaka hatrany no ilaina, asa no ilain’ny vahoaka fa tsy fampanantenana poakaty, hoy ny kandida Tahina Razafinjoelina ny sabotsy teo,

Card image cap