airtel

Politique

29-janv-2025

Rafitra HCDDED

Lasa navadika ho rafitra sarivongana ihany koa…

Sample post image

Na ny eo anivon’ny fitondràna ankehitriny, tamin’ny alalan’ny depiote voafidy tao amin’ny boriboritany faha 5,

29-janv-2025

Naivo Raholdina, aza mba velom-panontaniana hoe inona marina moa no tena ilàna ity rafitra antsoina hoe HCDDED na Filànkevitra ambony momba ny demokrasia sy ny tany tan-dalàna ity? Hita ho sahy nitsikera matetika ny fitantanana ny firenena sy izay lafiny demokrasia sy fampiharana ny lalàna izay tamin’ny fotoan’androny ny filohan’ity rafitra ity teo aloha, Pierre Lenoble Navony, ary niaraha-nahita tao anatin’izany ny karazam-panenjehana sy heverina hoe antsojay nihatra taminy. Isan’ny fanontaniana mipetraka hatramin’izao ny hoe hatraiza fahefana hananan’ity rafitra ity na koa fahafahany mampihatra lalàna na ilay antsoina hoe «force exécutoire»? Tsy efa azo lazaina ho mizotra any amin’ny fanohanana ny fitondràna ankehitriny aza ve ny fomba firesaky ny mpitantana vaovao an’ity rafitra ity? Nilaza ho mbola tena tao anatin’ny tsy fahasalamana moa ny filohan’ny HCDDED teo aloha ka mbola tsy tena afaka miresaka. Nambarany kosa anefa fa ilaina ity rafitra ity na dia maro amin’ireo mpanara-baovao sy mpisehatra eo amin’ny raharaham-pirenena aza no maneho fa tsy maharesy lahatra ny filàna azy.
J. Mirija

 

Dans la même rubrique

18-févr-2025

Notanterahana omaly 17 febroary 2025 teny amin’ny Toby Vondron’ny mpilatsaka an’elon’aina

Card image cap
18-févr-2025

Maha be adihevitra ankehitriny ny raharaha mikasika ireo nosy any avaratr’i Madagasikara,

Card image cap
18-févr-2025

Naneho hevitra momba ny fandraisantsika anjara tamin’ny fifidianana Filohan’ny Vaomieran’ny Vondrona

Card image cap
18-févr-2025

Azo lazaina ho tsiriritina eto amin’ny firenena malagasy, eny, Afrika iraimanontolo mihitsy amin’izao

Card image cap
17-févr-2025

Fanehoan-kevitra heno matetika mahakasika an’i Madagasikara ny hoe tsy mety

Card image cap
17-févr-2025

tsy nipasy ny diplaomasia Malagasy ! Nomen’ny ankamaroan’ny Afrikanina lamosina ny kandida Richard Randriamandranto

Card image cap