airtel

Politique

13-déc-2023

Raharaha fisamborana depiote

“Andrasana ireo dingana hafa heverina ho mbola banga!”Raharaha

Sample post image

Ny 9 novambra 2023, raha tsiahivina, no nosamborin’ny zandary tetsy Mahamasina

13-déc-2023

nandritry ny hetsik’ireo kandida ny depioten’ny boriboritany faha 5 eto Antananarivo, Fetra Ralambozafimbololona Razafitsimialona. Tanaty fotoam-pivorian’ny antenimieram-pirenena eo fotoana io raha tsiahivina kanefa sanatrian’izany toy ireny fisamborana kisoa ireny ny fomba nisamborana ity depiote ity, hoy ireo solombavambahoaka namany. Ny 18 novambra moa izy avy eo no navotsotra rehefa notazomina teny Fiadanana nandritry ny herinandro mahery. Omaly 12 desambra kosa no nandeha ny fitsarana ary hivoaka ny 19 desambra izao ny didy mikasika izany, raha ny fampitam-baovao voaray. Raha iverenana ny voarakitra ao amin’ny lalàna ao amin’ny andininy faha 73 mikasika ny antsoina hoe “immunité parlementaire” na zo fiarovana ireo parlemantera dia “Tsy misy solombavambahoaka na dia iray aza azo enjehina, karohina, samborina, tanana am-ponja, na tsaraina noho ny hevitra naposany na latsa-bato nataony teo am-panaovana ny asany. Tsy misy solombavambahoaka na dia iray aza azo enjehina sy samborina noho ny heloka bevava na heloka tsotra mandritra na fotoam-pivoriana raha tsy nahazoan-dalana tamin’ny antenimiera raha tsy hoe tratra ambodiomby. Tsy misy solombavambahoaka na dia iray aza azo samborina ivelan’ny fotoam-pivoriana, raha tsy nahazoan-dalana tamin’ny biraon’ny antenimiera, raha tsy hoe tratra ambodiomby, noho ny fanenjehana nomena alalana na ny fanamelohana tanteraka. Afaka manao fitarainana an-tsoratra any amin’ny birao maharitra ny antenimierampirenena izay rehetra olona manana fanamarihana momba ny tsy fahavitan’ny solombavambahoaka izay rehetra olona manana fanamarihana momba ny tsy fahavitan’ny solombavambahoaka iray ny asa nankinina taminy. Tsy maintsy manome valiny amin’ny antsipiriany mikasika ilay raharaha ny birao ao anaty 3 volana.” Oviana moa izany no efa nisy depiote voasambotra toy ireny tokoa teto amin’ity firenena ity? Efa nohadihadiana koa ve ny nisambotra sy ny nanome baiko ny fisamborana? Andrasana ireo dingana hafa heverina ho mbola banga!
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

17-oct-2024

Anisan’ireo fikambanana resy lahatra ny amin'ny vinan'ny Tahiana Razafinjoelina (TR) ny Tanora Miharisoa 67 ha

Card image cap
17-oct-2024

Mihamafy ny tsindry ho an’ny Fitondrana Rajoelina na efa mafy aza ny vesatra eo anatrehan’ny krizy ara-tsosialy

Card image cap
17-oct-2024

Mafampana hatrany ao Tsimbazaza ao anatin’izao fivoriana ara-potoana eo anivon’ny Antenimierampirenena izao.

Card image cap
16-oct-2024

Aok’izay, tsy atao sosety, tsy atao lafika izany intsony , tsy atao tohatra fiakaana izahay ambany tanana fa mila olona tena hitondra ny fanovana,

Card image cap
16-oct-2024

Ny fanotronan’ny filohan’ny Vaomieram-pirenena mahaleotena misahana ny fifidianana na CENI

Card image cap
16-oct-2024

Niditra amin'ny fivoriana ara-potoana nanomboka omaly 15 oktobra ny antenimierampirenena.

Card image cap