airtel

Politique

12-juin-2023

Politique

Raharaha Lola Rasoamaharo Mifono politika avo lenta

Sample post image

Tsikaritra ho «nanao diabe» na sanatrian’izany tonga amin’ilay fomba fiteny hoe nampanaovin’ity fitondrana ity «défilé»

12-juin-2023

nifandimby niditra am-ponja daholo ankehitriny ireo nametraka izany fitondrana Rajoelina izany hatrany amin’ny taona 2009. Raha tsy hanonona afa-tsy ireo tena nalaza toa an-dry Berija Ravelomanantsoa, Harry Laurent Rahajason na Rolly Mercia, Mbola Rajaonah, Mahery Lanto Manandafy dia izao izany tafiditra koa ny filoha tale jeneralin’ny La gazette de la grande Ile, Lola Rasoamaharo. Rehefa narahana akaiky anefa ny raharaham-pitsarana isan’isany dia hita ho mifamahofaho tanteraka sy manjavozavo be ihany hoe inona marina moa izany ilay tena votoatiny tsy amoahana azy ireo ny fonja hatramin’izao? Ny renin’izany Berija Ravelomanantsoa izany, ohatra, tsy nitsahatra nikaikaika fa efa tapitra ny fe-potoana voalazan’ny lalàna tokony hitazomana azy. Ry Rolly Mercia efa nambaran’ny fianakaviany sy ny mpisolovavany fa tsy salama. Ny raharaha Mbola Rajaonah koa efa nandrenesam-peo efa ela fa efa tokony namarana ny saziny ary Mahery Lanto Manandafy moa iny niaraha-nahita efa tafavoaka iny dia nampidirina indray avy eo. Misy tsiambaratelo goavan’izao fitondrana izao mety hanahirana raha avoakan’ireo olona ireo ve sa inona ilay antony fa dia hita ho mifono politika avo lenta toy izany koa aloha ity raharaha Lola Rasoamaharo ankehitriny ity? Nisy vondrona nanaparitaka vaovao mihitsy moa ny faran’ny herinandro teo fa sarintsariny ihany ny fitsarana natao tamin’ity tompona orinasa fanaovan-gazety ity fa ny valim-pitsarana dia efa fantatra mialoha ary mpandraharaha malagasy goavana iray no efa mamaritra ny amin’ny tokony hahazoan’izany Lola Rasoamaharo izany ny sazy faran’izay enjana sy haha lo azy tanteraka any am-ponja ary ho avoaka mialohan’ny fametraham-pialan’ny filoham-pirenena ankehitriny, Andry Rajoelina, izany didim-pitsarana izany satria mety ho vita tanteraka ny amin’io mpandraharaha io raha toa ka tsy ho lany fanindroany intsony ny filoham-pirenena ankehitriny. Asa aloha fa dia ho arahana akaiky eo indray izany ny momba izay na ho hamarinin’izao fitondrana izao na hodisoany. Miandry ny fivoaran’ny toe-draharaha ny mpanara-baovao.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

17-oct-2024

Anisan’ireo fikambanana resy lahatra ny amin'ny vinan'ny Tahiana Razafinjoelina (TR) ny Tanora Miharisoa 67 ha

Card image cap
17-oct-2024

Mihamafy ny tsindry ho an’ny Fitondrana Rajoelina na efa mafy aza ny vesatra eo anatrehan’ny krizy ara-tsosialy

Card image cap
17-oct-2024

Mafampana hatrany ao Tsimbazaza ao anatin’izao fivoriana ara-potoana eo anivon’ny Antenimierampirenena izao.

Card image cap
16-oct-2024

Aok’izay, tsy atao sosety, tsy atao lafika izany intsony , tsy atao tohatra fiakaana izahay ambany tanana fa mila olona tena hitondra ny fanovana,

Card image cap
16-oct-2024

Ny fanotronan’ny filohan’ny Vaomieram-pirenena mahaleotena misahana ny fifidianana na CENI

Card image cap
16-oct-2024

Niditra amin'ny fivoriana ara-potoana nanomboka omaly 15 oktobra ny antenimierampirenena.

Card image cap