airtel

Politique

21-déc-2023

Raharaham-pirenena

Nametra-pialana ny Governemanta Ntsay…

Sample post image

Omaly 20 desambra ny filankevitry ny minisitra voalohany notarihin’i Andry Rajoelina

21-déc-2023

taorian’ny fianianany izay nametrahana azy ofisialy ho filoham-pirenena hanao taom-piasana faharoa. Notarina tamin’izany fa niarahaba azy tamin’ny anaran’ny governemanta manontolo ny Praiminisitra. Nandritra io kosa no nanamafisan’i Andry Rajoelina fa andry 3 no hiorenan’ny fitantanana ny firenena ao anatin’ny fe-potoam-piasany vaovao : ny fampandrosoana ny maha olona sy ny fanaovana laharam-pahamehana ny sosialin’ny vahoaka Malagasy ; ny fampiroboroboana ny indostria sy ny famoronan’asa ; ny fametrahana Fanjakana tsara tantana amin’ny alalan’ny fanavaozana ny rafi-pitantanana ny asam-panjakana sy ny ady amin’ny kolikoly. Raha raisina amin’io, dia nanamafy ny filalaovana tarehimarika na « numérologie » i Andry Rajoelina satria nampifanarahana tamin’ny laharana tamin’ny propagandy indray izany ny andry 3 hitantanana ny firenena. Hangina sy hivalona hatreo indray ve ilay hoe : « Velirano 13 » ? Ankoatra an’io moa, dia isan’ny nisongadina tao anatin’ny tatitry ny minisitra fa dia nanolotra ny taratasy fametraham-pialany ny governemanta tarihin’ny Praiminisitra Ntsay Christian araka ny fanajana ny fenitra Repoblikanina, ary noraisin’ny Filoham-pirenena io. Manohy ny fampanandehanan-draharaha andavanandro na « affaires courantes » kosa anefa ny governemanta izay efa nametra-pialana mandra-panendry ny governemanta vaovao. Samy miandry izany ny rehetra hoe : rahoviana no ho voatendry ny Praiminisitra vaovao ? Hanao ahoana ny ho firafitry ny governemanta ? Ho voatazona ny Praiminisitra Ntsay Christian sa ho olon-kafa mihitsy ? Mandeha ny feo fa mety ho vehivavy indray, saingy samy miandry ny rehetra satria any amin’ny filoham-pirenena ny baolina. Anarana anisan’ny mandeha ny mety hanendrena an-dRtoa Manorohanta Cécile izay anabavin’ny Praiminisitra Ntsay ihany ary efa Minisitry ny fiarovam-pirenena tamin’ny fitondrana Ravalomanana, saingy mbola mijanona ho siosion-dresaka hatreto. Momba ny firafitry ny governemanta izay betsaka no mieritreritra fa hisokatra raha tarafina amin’ny kabarin-dRajoelina ny 16 desambra teo, dia « farahafakeliny 50% ho azy na milaza hisokatra aza. Tsy voatery ho mpanao politika sy mpiara-mitolona, fa azony omena ny olona tena mahavita na teknisianina satria ny zava-drehetra dia efa politika », hoy i Herimanjaka Tsilavo Manantsoa, Olom-pirenena.
Toky R
 

Dans la même rubrique

06-sept-2024

Nanomboka ny desambra 2023 nialohan’ny nandraisany fahefana, am-polony ny fivoahan’ny filoha Rajoelina tany ivelany.

Card image cap
06-sept-2024

Mbola i Jimmy Randriantsoa no kandida Ben’ny tanana atolotry ny antoko Tiako I Madagasikara

Card image cap
06-sept-2024

Omaly Alakamisy 05 Septambra vao niteny Atoa Avotraina Andriamosa voafidy ho solombavambahoaka

Card image cap
05-sept-2024

Efa nanomboka nafampana ny tontolo politika tamin’ny herintaona tahaka izao mialohan’ny fifidianana filoham-pirenena ;

Card image cap
05-sept-2024

Misokatra amin’ny fomba ofisialy anio 05 septambra hatramin’ny 19 septambra ny fandraisana antontan-taratasy ho

Card image cap
05-sept-2024

Iray andro nialohan’ny fisokafan’ny fandraisana ny antontan-taratasin’ireo kandida ben’ny tanàna sy mpanolontsaina monisipaly,

Card image cap