airtel

Politique

23-juil-2024

Raikitra indray ny «werawera »

Ho eny Seranan’Ivato hiady amin’ny kolikoly ny Filoha anio…

Sample post image

Namoaka fampahafantarana ny Filoha ankehitriny Andry Rajoelina fa hidina ifotony

23-juil-2024

eny amin’ny Seranam-piaramanidina iraisam-pirenena eny Ivato anio talata. Anton’io araka ny serasera nataony ny fanatsarana ny fidirana sy ny fahatongavana ary ny fivoahana eny amin’ny seranam-piaramanidina. « Araka ny fitarainana sy ny fitaintananareo izay henoko, dia hidina ifotony eny amin'ny seranam-piaramanidina Ivato ny tenako rahampitso talata 23 jolay amin'ny 3 ora sy sasany tolakandro, hijery ny ambaratonga rehetra ary hanolotra vahaolana maharitra miaraka amin' ireo tomponandraikitra rehetra, indrindra amin’ny ady amin’ny kolikoly izay tsy azo leferina! », hoy i Andry Rajoelina. Isan’ny seranam-piaramanidina maha be fitarainana ny eny Ivato noho ny kolikoly sy fitakiam-bola tsy ara-drariny. Vao tsy ela, ohatra, no nisiana fitarainana fa hatramin’ny famoahana faty izay avy any ivelany aza nohasarotina be noho ny fitakiam-bola. Betsaka ireo fitarainana hatry ny ela, ka ny 15 mey, dia nidina ifotony teny amin’ny Seranam-piaramanidina Ivato nitarika delegasionina mihitsy ny Minisitry ny toekarena sy ny fitantanam-bola Rtoa Rabarinirinarison Rindra Hasimbelo, ka niaraka taminy ny Tale Jeneralin’ny Fadintseranana, Atoa Lainkana Zafivanona Ernest, sy ny solotena avy ao amin’ny Tendrom-pitsarana manokana iadiana amin'ny kolikoly (PAC), Ramatoa Rasoahanta Elysée sy ny Birao mahaleo tena miady amin'ny kolikoly (BIANCO), Rtoa Rakotoarisoa Faramalala,… Nanome toromarika maro samihafa hanatsarana sy hiadiana amin’ny kolikoly. Inona no vokatra taorian’izay ? Roa volana aty aoriana, ny Filoham-pirenena mihitsy no miditra an-tsehatra. Tsy nahomby ve izany iretsy olona voalaza teo aloha ka ny Filoham-pirenena mihitsy no miditra an-tsehatra ? Sa mba mamorona hetsika hisehosehoana mba hanakontakonana ny olana samihafa rehefa nangingina tsy hita ny Filoha ? Tena ny Filoham-pirenena mihitsy ve no miditra an-tsehatra vao misy vahaolana sa mitohy ny fampalazana olon-tokana hany ka na paompy tsy mandeha eny amin’ny fokontany na sanatria ny karaman’ny mpiasan’ny SMA aza mety hiantsoana sy hiandrasana an’ingahy Filoha ? Tena toy izao ve no asan’ny Filoham-pirenena ? Inona fotsiny izany no nanendrena sy hanaramana ireo tompon’andraikitra amin’ny antanan-tohatra samihafa ? Raha ho tahaka izao foana moa hisy fandrosoana na afaka 60 taona aza ?
Toky R
Tahirin-tsary : Efa nanao tahaka izao i Andry Rajoelina ny taona 2019 fa inona ny vokatra 5 taona aty aoriana ?
 

Dans la même rubrique

19-déc-2024

Natsikafon’ny KMF/CNOE-Fanabeazana olompirenena nanoloana ny mpanao gazety avokoa

Card image cap
19-déc-2024

Miantso ny mpomba an’i Tojo Ravalomanana mba hanao fety fa aminay dia efa mandresy

Card image cap
19-déc-2024

Nisy fisondrotany 30 ka hatramin’ny 100% ny vidin’entana eny an-tsena tato anatin’ny 5 taona. Tena voakasika mivantana amin’io ny sakafo toa ny vary , hena,

Card image cap
19-déc-2024

Kaominina miisa 427 izany hoe 25,2 %n’ny kaominina eto Madagasikara no nahitana mpifidy nampiasa

Card image cap
19-déc-2024

Lehiben’ny fokontany mihoatran’ny 20 isa no tratran’ny mpifidy, ny mpanara-maso na «superviseur»

Card image cap
18-déc-2024

Mandray fitarainana samihafa toy ny tsindrihazolena, fanararaotam-pahefana,…

Card image cap