anatrehan’ny fahatapahan-jiro sy rano mandavan-taona, izay efa miteraka fidinana an-dalambe. Toa hafatratra any amin’ilay Tale Jeneraly teratany Israelianina ny rihitra rehetra kanefa efa tena krizy nasionaly io, ary fositra ny famotehana sy tsy fahaiza-mitantan’ny Fanjakana Rajoelina. Nilaza ny Filoham-pirenena ny alarobia teo, fa hitany daholo ny tsy fisian-drano sy ny delestazy, fa nisafidy hangina izy. Nilaza hiresaka mivantana amin’ny Tale Jeneralin’ny Jirama, ka zavatra roa no horesahana : fitakiana fanazavana mikasika ny delestazy tsy mety tapitra, tsy maintsy manolotra vahaolana ny Tale Jeneraly sy ireo manodidina azy. « Misy dingana sy toromarika maro, mba hijerena ny fandaniana tsy mety manerana ny Nosy amin’ny fampiasana milina. Izay no hametrahana « parcs solaires » hapetraka haingana », hoy i Andry Rajoelina. Tsy vao omaly, tsy vao androany,… no naharenesana tahaka izany fa efa tao anatin’ny 6 taona, raha tsy hilaza afatsy ilay 400MW anatin’ny 4 taona, fa tsy hita ihany izay vokatra, fampanantenana poakaty lava,… Nolazaina fa hametraka, ary hanao fivoriambe ka tsy maintsy milaza ny marinahoe : inona no olana ary inona no vahaolana atolotry ny Jirama? Nilaza ho nitazana tahaka ny olom-pirenena rehetra i Andry Rajoelina satria misy an-tanan-tohatra maro toy ny Minisitra, Tale Jeneraly,…
TSY MAHAY MITANTANA, FAMPANANTENANA LAVA…
Ny zavatra atao dia tsy maintsy mitady vahaolana maharitra na amin’ny resaka Jiro na rano, hoy ity Filoham-pirenena ity. Toa lasa fanaovana vazaha mody miady sy fanadalana saim-bahoaka ary serasera tiana hatao fotsiny hoe : 6 taona aty aorian’ny nandraisana fahefana ve mbola fanontaniana hoe : inona no olana no resaka fa tsy tena misy vahaolana mahomby, hany ka vao mainka fihemorana no misy ? Angaha tamin’ity taona ity ihany no nandalo vanim-potoana maintany i Madagasikara ka io no isan’ny ventesin’ny eo anivon’ny Jirama fa mampihena ny famokarana ankehitriny ? Angaha vao omaly sy androany ihany koa no nisy fifanarahana tamin’ny resaka famatsiana sy fampiasana solika ka hoe : handeha hanao fanadihadiana ny fandaniana ? Ny Praiminisitra moa nilaza ny herinandro lasa teo, fa nisy ny fitantanana goragora, fangalarana solika, 15% amin’ny Malagasy no misitraka rano kanefa mahatratra 1300 miliara ny vola atonton’ny Fanjakana, dia nandeha ihany koa ny fampanantenana vahaolana toy ny angovo azo havaozina toy ny avy amin’ny herin’ny masoandro, rano,… Ny fitanisana vahaolana am-bava aloha dia efa tena tsy vaovao amin’ny sofin’ny Malagasy, fa ny fanatanterahana sy ny zavatra iainan’ny rehetra, dia vao mainka miha zava-doza ny olan’ny rano sy herinaratra eto Madagasikara. Taratry ny tsy fahombiazan’ny fitondrana ankehitriny, ary na tiana na tsy tiana dia nanomboka tamin’ny 2009 no nitotongana ambony ambany ny Jirama, ka mitambatra ny fahavoazana, zary lasa fandavahana fasana hilevenan’ity orinasam-panjakana ity. Ny Jirama io no mahazo azy, ny Air Madagascar efa nalevina, ny CNaPS natao fandoaram-bola,… Ny orinasam-panjakana aza ireo no manjo azy, ratsy tantana, potika,… mainka fa ny Firenena ?
Toky R
Efa ela no nitolomantsika, vao tamin’ny herintaona no nisy naratra, nisy nogadraina tamin’ny hetsika,
Tsy hoe zava-baovao no atao ankehitriny fa fanohizana ny tolona natomboka ny taona 2023,
tafa, niavaka, tsy fahita firy, vina sy faharesen-dahatra, hita hoe mila fanovanatokoa ny olona. Maro be no tonga kanefa tsy nisy nosandaina
Eto Antananarivo no fiantombohan’ny fanovana, ary isika tsy hanaiky hataon’ny olona lafika intsony.
Tsy vaky ny Kolekitifa an’ny Malagasy ary manohana an’i Tahina Razafinjoelina avokoa !
Naneho ny heviny sy fijeriny mikasika ny fifidianana ben’ny tanàna eto Antananarivo Renivohitra i Andry Herinjaka