airtel

Politique

03-sept-2024

Rakoto Mahefarinoro William René

«Mifameno ny fanabeazana sy finoana»

Sample post image

Ny taona 1974 aho no nanomboka nampianatra tany amin’ny miaramila, hoy ny mpanabe Rakoto Mahefarinoro William René.

03-sept-2024

Mbola mampianatra aho hatramin’izao, hoy izy. 50 taona katroka izay ary isaorako an’Andriamanitra. Nandalo fitondrana maro ny tenako na efa tamin’ny andron’ny filoha Tsiranana izany na taty amin’ny filoha Ratsiraka sy Ravalomanana ary mandrak’ity ny androany. Be dia be ny azo lazaina. Ny tiako ambara amin’ny ankapobeny, raha resaka fanabeazana, dia tiako ilay izy satria io no asa tsara indrindra noho izy mamolavola olona. Raha mijery ny amin’izao fotoana izao nefa dia aleo vantanina fa tsy mitovy amin’ny taloha. Na eo amin’ny resaka endriky ny fampianarana izany, na eo amin’ny kalitao, indrindra, resaka votoaty, izay hijerena manokana hoe inona no andrasan’ny ankizy amin’ny fampianarana amin’izao fotoana? Misy fitotonganana mihitsy satria eo amin’ny resaka fampianarana dia miankina be dia be amin’ireto miisa 3 ireto, ny ray aman-dreny, ny mpampianatra, ny mpanabe, hoy hatrany ny tenany. 50 taona no naha mpanabe, 25 taona naha provizoran’ny lisea Jules Ferry Faravohitra, 20 taona nitanana andraikitra teo anivon’ny Fiangonan’i Jesoa Kristy eto Madagasikara na FJKM. Efa notapahana moa, hoy izy, ny antsika malagasy fa laika ny fampianarana. Amiko kosa nefa dia tsy tokony hiala amin’ny resaka fivavahana ny fampianarana. Tsy voatery hoe FJKM io na Katolika. Misy mpianatra tena tarihinao amin’io fampianarana io vao mba afaka miangona. Afaka mahita karazana fitaizana miainga avy amin’ny soratra masina, ankoatran’izay azony any amin’ny fiarahamonina sy any amin’ny fianakaviany. Tsy hoe manery, izaho manokana tao amin’ny lisea Jules Ferry, dia tsy nanery ny ankizy mihitsy hivavaka fa izaho kosa dia mikarakara fanompoam-pivavahana rehefa akaiky ny fanadinana. Iny ilay hoe hitondrana am-bavaka ny ankizy mpanala fanadinana. Tsy voatery hankao ny mpianatra. Tsy misy fanamarinam-pahatongavana ao. Manentana kosa aho hoe apetraho amin’Andriamanitra ny zava-drehetra mialohan’ny hanaovanao fanadinana. Mifameno ny fanabeazana sy finoana amiko satria misy fampianarana ao amin’ny soratra masina azo raisina amin’ny fanabeazana ny ankizy. Efa ela aho no naniry hoe raha sitrapon’Andriamanitra ka feno 50 taona nanabeazana dia hisaotra azy. Ny sabotsy 11 may 2024 no nanokafana an’io jobily io teny amin’ny FJKM Andrainarivo fahasoavana. Ny alahady 15 septambra izao indray dia hisy ny ivon’ny fankalazana an’Andriamanitra noho izany, izay ataon’ireo antoko mpihira sady fantatro no niara-niasa be dia be tamiko ao amin’ny FJKM Tranovato Faravohitra, amin’ny 3 ora tolakandro. Ao ny amboaram-peo Faravohitra, AMAM Andrainarivo Fahasoavana, Chorale Lycée Jules Ferry, Chœur Maestria, Ny Riampeo FJKM Ambatobe, hoy hatrany ity raiamandreny nahatody ny jobily naha mpanabe azy ity.
J. Mirija 

Dans la même rubrique

17-oct-2024

Anisan’ireo fikambanana resy lahatra ny amin'ny vinan'ny Tahiana Razafinjoelina (TR) ny Tanora Miharisoa 67 ha

Card image cap
17-oct-2024

Mihamafy ny tsindry ho an’ny Fitondrana Rajoelina na efa mafy aza ny vesatra eo anatrehan’ny krizy ara-tsosialy

Card image cap
17-oct-2024

Mafampana hatrany ao Tsimbazaza ao anatin’izao fivoriana ara-potoana eo anivon’ny Antenimierampirenena izao.

Card image cap
16-oct-2024

Aok’izay, tsy atao sosety, tsy atao lafika izany intsony , tsy atao tohatra fiakaana izahay ambany tanana fa mila olona tena hitondra ny fanovana,

Card image cap
16-oct-2024

Ny fanotronan’ny filohan’ny Vaomieram-pirenena mahaleotena misahana ny fifidianana na CENI

Card image cap
16-oct-2024

Niditra amin'ny fivoriana ara-potoana nanomboka omaly 15 oktobra ny antenimierampirenena.

Card image cap