airtel

Politique

01-oct-2024

Ralaiarimanana

«Raha vao ny vola no manjaka dia ratsy ny vokatra»

Sample post image

Misy demokrasia marina ve eto Madagasikara, hoy ny Kristianina mandinika raharaham-pirenena, Ralaiarimanana?

01-oct-2024

Nohasarotina, hoy izy, ny filatsahana ho fidiana ben’ny tanàna ary efa hita koa izany tamin’ny fifidianana solombavambahoaka. Faran’ny sahirana amin’izao ny any Ambanivohitra. Olona manam-bola na zanaka am-pielezana amin’izao fotoana no matetika lasa ben’ny tanàna na mirotsaka ao amina tanàna iray. Sahirana ireo olona mirotsaka, izay tena azo lazaina hoe ao amin’ny tanindrazany, na dia manana fotokevitra tsara entina mampandroso ilay faritra misy azy aza. Tsy afaka milatsaka koa izany ankehitriny noho ny fahasarotana. Eo ny ara-bola, eo ny resaka 211bis sy ny karazany. Sahirana ny olona tsotra fa ny kandidam-panjakana kosa hita hoe mandeha ho azy ny azy satria izy aza anaty fitondrana. Mety hiteraka olana ao aoriana nefa izany satria rehefa tsy manana fahalalahana ny olona, satria lasa karazan’ny very zo ihany izany izao rehefa tsy manam-bola, satria tsy afaka hampandroso ny faritra misy azy na dia manana ilay heritreritra sy fahaizana aza. Betsaka ankehitriny ny tanora manana fahaizana sy fahalalana fa rehefa tsy misy tohana ara-bola dia karazan’ny olona bado sy tsy mahay na inona na inona ihany. Ireny anefa no hoavy. Raha vao ny vola no manjaka dia ratsy ny vokatra satria ny vola no fototry ny ratsy rehetra. Ireny fanakanana an-kolaka ny kandida sasany tsy hirotsaka ireny dia mampiseho hakanosana sahady. Hiteraka alahelo amin’ny malagasy ireny ary hanome vahana fitiavan’olona iray ihany koa. Inona no tokony hatahoran’ny fanjakàna? Aleo ny vahoaka no hitsara, hoy hatrany ny tenany!
J. Mirija

 

Dans la même rubrique

17-oct-2024

Anisan’ireo fikambanana resy lahatra ny amin'ny vinan'ny Tahiana Razafinjoelina (TR) ny Tanora Miharisoa 67 ha

Card image cap
17-oct-2024

Mihamafy ny tsindry ho an’ny Fitondrana Rajoelina na efa mafy aza ny vesatra eo anatrehan’ny krizy ara-tsosialy

Card image cap
17-oct-2024

Mafampana hatrany ao Tsimbazaza ao anatin’izao fivoriana ara-potoana eo anivon’ny Antenimierampirenena izao.

Card image cap
16-oct-2024

Aok’izay, tsy atao sosety, tsy atao lafika izany intsony , tsy atao tohatra fiakaana izahay ambany tanana fa mila olona tena hitondra ny fanovana,

Card image cap
16-oct-2024

Ny fanotronan’ny filohan’ny Vaomieram-pirenena mahaleotena misahana ny fifidianana na CENI

Card image cap
16-oct-2024

Niditra amin'ny fivoriana ara-potoana nanomboka omaly 15 oktobra ny antenimierampirenena.

Card image cap