airtel

Politique

28-févr-2025

Ramampy Zénaïde Lechat

Tena tsy mitovy ny fanaon’ny depiote taloha sy ankehitriny

Sample post image

Nanana fiofanana politika na «formation politique» ny parlemantera taloha,

28-févr-2025

hoy ny solombavambahoaka teo aloha, Ramampy Zénaïde Lechat. Nisy AKFM tao, hoy izy. Voavolavola ara-kevitra ireo. Toy izany koa ireo mpiaradia tamin’ny fitondràna, ny PSD, UDSM izay nanana ny fitaizana tao anivon’ny antokony daholo ny parlemantera tamin’izany fotoana izany. Na tamin’ny repoblika voalohany aza dia tena hita mihitsy fa nisy adihevitra. Raha vao misy tolo-dalàna na volavolan-dalàna tonga ao, tonga aloha tsinona ny dosie, dia efa voadiniky ry zareo vao mandeha any amin’ny fivoriambe na «séance plénière». Mbola polisy moa tamin’izany ny tenako dia manatrika izany fivorian’ny antenimieram-pirenena izany. Hita mihitsy hoe nisy fifanazavàna teo anivon’ireo antoko sy vondrona parlemantera. Na amin’ny vaomiera na fivoriambe dia misy izany ary atao hita mibaribary fa tsy misy hoe miziriziry amin’ny hevitry ny antoko misy azy avy. Na ny mpomban’ny fitondràna aza afaka mandray lesona amin’ny tsikera ataon’ny mpanohitra. Ireo mpanohitra koa mety ho resy lahatra amin’ny fanazavàn’ireo depiote anaty antokon’ny fitondràna. Rehefa mandeha ny fifidianana dia mba hita taratra hoe tena nifidy ny mpanohitra sy mpanohana. Nisy fotoana ny tena nonina tany an-dafy dia rehefa niverina mba nanaraka ihany ny fandehan’ny raharaha eny anivon’ireo parlemanta eto Madagasikara. Tamin’ny andronay izao, tao anatin’ny fitondràna Marc Ravalomanana, dia mbola azo lazaina hoe lapan’ny demokrasia i Tsimbazaza satria ny Leader fanilo tsy nitovy havitra tamin’ny AVI. Ny AVI tsy voatery nitovy hevitra tamin’ny MFM. Adihevitra be ny tao. Tsaroako fa rehefa izao no misolo toerana mitarika fivoriana dia avelako miteny daholo. Manana 3 minitra avy hitenenana ary na izaho koa no mahita hevitra tsara amin’ny lazain-dry zareo fa tsy misy resaka hoe adin’antoko fa tena miantehitra amin’ilay volavolan-dalàna dia mbola omeko fitenenana iny depiote iny amin’ny farany na tsy nangataka fitenenana aza hanampy ny fanazavàny. Taona 2003 hatramin’ny 2006 izany. Ny nampalahelo fotsiny dia hoe satria amin’ny alalan’ny tsanga-tanana hatrany no nandaniana ireo lalàna ka rehefa misy depiote tsy mananga-tanana dia ohatrany misy mitatitra any amin’ny mpitondra fanjakàna hoe ranona tsy nanangana. Azony hazavaina nefa ny antony tsy nananganany tanana. Izaho moa tao amin’ny TIM fa mpikamban’ny «Parti socialiste» any Frantsa koa. Misy filankevi-pitsipika na «conseil de discipline» ao hahafahan’ireo samy mpikambana mifanazàva rehefa misy hevitra tsy mitovy. Tsy mba nisy toy izany tao amin’ny Tiako i Madagasikara na TIM tamin’izany fotoana izany. Nangataka mafy aho vao natsangana ilay filankevi-pitsipika. Nantsoina hanatrika filankevi-pitsipika moa tamin’izany ny filohan’ny antenimieram-pirenena, Jean Lahiniriko, fa tsy nipoitra dia tsy nisy azo natao taminy. Niongana tamin’ny maha filohan’ny antenimiera azy izy taorian’ny dingana rehetra fa tsy najanona depiote na nesorina tanaty antoko ohatran’ny filohan’ny antenimiera tamin’izao andro izao, Christine Razanamahasoa, satria hoe nisy tsy nifanarahany tamin’ny antokony. Nanaitra ahy ny hoe izao no isan’ny mpanohitra lany depiote na mpanohana lany na tsy miankina lany nefa nandeha avy eo ny fifidianana filohan’ny antenimieram-pirenena dia lany 100% ny mpanohana fitondràna. Tsy mba nanolotra kandidà na ny tsy miankina na ny mpanohitra, hoy hatrany ity depiote teo aloha vavolombelon’ny tantara hatramin’ny repoblika voalohany ity nampitaha ny fanaon’ny depiote tamin’ny androny sy ny ankehitriny.
Nangonin’i J. Mirija
 

Dans la même rubrique

26-mars-2025

Tsiahivina, hoy ny antoko politika Teza, fa ny frantsay, ny vondrona eoropeanina,

Card image cap
26-mars-2025

Manamafy ny tsindry hamoahana an’i Paul Maillot Rafanoharana i Frantsa, amin’ny alalan’ny loholona Christophe-André Frassa,

Card image cap