sy mpanohitra na vahoaka tsy haharesy tafika indray no ezahana voizina sy alentika any am-parahatoky ny olona ankehitriny. Fa iza no niteny hanongam-panjakana sa ny Fanjakana mihitsy no efa mahatsapa ho mihozongozona noho ny tsy fahombiazany dia mandeha ny eritreritra sy fifampiarovana samihafa ? Nilaza indray ny Filohan’ny Antenimierandoholona Jeneraly misotro ronono Ravalomanana Richard fa fanonganam-panjakana izany tsy hisy satria ny olona mitady hanao izany tsy misy hery tsy misy na inona na inona. Nolazainy ihany koa fa misy miteny sy mitady hanakorontana amin’ny 19 janoary dia miresaka vahoaka sy hanao iray sy iray. « Miaramila nianatra niady manana fitaovana ve no ataonao hoe : andao hanao « seul à seul » ka miala tsiny aho, fa miaramila nikomy aza vitanay ireto ny nifehy azy tamin’ny fotoan’androny. Izahay ireo tompon’andraikitra tamin’izany ! Dia ianao izay olona arikatra ve no hiteny an’izany ? », hoy io Filohana andrim-panjakana io. Ny filoha lefitra faha-7 eo anivon’ny Antenimierampirenena Siteny Randrianasoloniaiko izay nangataka iray sy iray tamin’ny fitondrana ka hanokafana ho an’ny fanoherana ny kianjan’ny 13 mey no hasiany amin’io. Navadiky ny Jeneraly Ravalomanana ho mihantsy ny tafika sy miaramila indray izany i Siteny Randrianasoloniaiko ? Manamafy fa miantehitra amin’ny basy sy ny miaramila ny fitondrana ka raikitra ny famendrofendroana mba hisian’ny fahasosoran’ireo amin’ny tafika ? Nolazainy fa mbola ananan’ny mpitandro filaminana lolom-po i Siteny Randrianasoloniaiko noho ny fanosehana zandary tany Morondava. «… Tsy aiko raha izaho mbola tompon’andraikitra, fa manandrama mandeha amin’ny arabe fa eo no anehoana hoe : maninona ianao no manosika zandary tany Morondava tany », hoy hatrany ity Jeneraly misotro ronono izay nantsoin’ny Amiraly Ratsiraka fony izy mbola teo ho Jeneraly Baomba ity, izay nalaza tamin’ny raharaha 2009. Vao ny 7 janoary lasa teo ity farany no nilaza, fa aleo tsy mifampitsapa hery, fa tsy haharesy miaramila, ary io nohamafisiny io. Toa nanatsantso sy niantso ny vahoaka tsy hiditra amin’izany, ary nilaza fa voasambotra sy nigadra, fa tsy nisy nijery akory. Omaly, namely an-kolaka ny Filoha teo aloha Marc Ravalomanana ihany koa izy, ka nilaza fa raha hiteny hoe ny vahoaka no toy izao sy izao dia matoa ny Fanjakana mety tsy narahan’ny vahoaka intsony dia nisy zavatra tsy nety nataony teo. Tamin’ny fotoanan’androny ny mpitandro filaminana jeneraly natao ialahy, ny tanina miaramila nalaina ho an’ny orinasa,… fa amin’izao fotoana izao ny mpitondra Fanjakana dia tsy mba hitako izay ny mpitondra amin’izao izay miezaka mba hampandroso ity Firenena ity, hoy ity olon’ny Fitondrana ity miaro mafy ny ekipany. Nanamafy ny teniny ny Jeneraly Ravalomanana, fa tsy hisy fanonganam-panjakana izany satria ilay olona hanao izany tsy manana hery, tsy misy na inona na inona, na vahoaka hoentina aza tsy misy akory, na ny hoe : « moyen » hoentiny tsy misy akory, kanefa hoy izy, tamin’ny teo aloha dia mety misy mirehareha hoe izahay manana firenen-dehibe manohana anay. Nolazainy fa tsy misy Rosianina sy Vladimir Poutine manohana an’i Siteny Randrianasoloniaiko izany. Asa izay hambaran’ny ankilany ?
TOKONY HAHATONGA SAINA NY MPANOHITRA
Lehibena andrim-panjakana amina firenena demokratika no miresaka ohatr’izany ka asa tena mbola demokratika ve isika ? Sa efa lasa toa an’i Korea Avaratra ? Fa amin’ny lafiny iray tokoa aloha dia tokony hahatonga saina ny mpanohitra ilay izy hoe : fa ahoana marina ary ? Tena mahavita fifandanjan-kery ara-politika ve ka afaka manatsimbadika rasa ve ? Tena manana hery sy tanjaka hahavita hanery ny fanjakana hanitsy ny politikam-pitantanany ve ? Amin’ny fomba inona sy ahoana ve ? Dia miandry fifidianana 2028 sa hitaky ny fialan'ny fitondrana? Hahavita hanatsimbadika ny rasa hisiana fifohazan-tsaina faobe na « conscience collective » ve amin’ny fifidianana manaraka na koa hahavita hanatsimbadika ny ao ao amin’ireo rafitra sy andrim-panjakana samihafa hisiana fitsipaham-pitokisana ny governemanta ? Sa hitarika vahoaka hidina an-dalambe ?
Toky R
Andrasana tsy ho ela ny voka-pifidianana eto Antananarivo Renivohitra taorian’ny fiakarana fampanoavana mikasika
Anatin’ny kihon-dàlana farany amin’ny fitsarana ny raharaham-pifidianana ireo Tribonaly misahana ny ady
Miantso ny mpitondra fanjakàna izay raiamandreny, hoy ny antoko politika Natiora.
Nandeha fampanoavana teo anivon’ny TAF (Tribunal Administratif et Financier) omaly ny raharaha
Ranolava hatrany ny fanambarana ataon’ireo olom-panjakana sy olon’antoko na vondron’antoko mpanohana fitondrana.
Mitohivakana tato ho ato ny fanambaràna sy fanehoan-kevitr’ireo hery politika mpiaradia amin’ny fitondràna