airtel

Politique

04-juin-2024

Revolisionina

Mbola nofy ririnina aloha hatreto ilay hoe : revolisionina nodradradraina sy

Sample post image

nanaovana ny tsy fanao 15taona lasa, raha ny fanaovana politika sy fitantanana firenena no resahina.

04-juin-2024

Tena ririnin-dasa tsy tsaroana tokoa ny fivoizana ny fahalalahana sy ny demokratsia tamin’ireny, kanefa izao iaraha-mahita izao, fa tena navadika ho fonjabe mitafo lanitra i Gasikara. Ny fanaovana politika miha mitotongana andro aman’alina dia io iaraha-mahita io fa milomano tanteraka ao anatin’ny Fanjakana tan-dalàna sy ny jadona amin’ny endriny samihafa isika. Iza tokoa re no tsy mikaikaika eo anatrehan’ny zava-manjo ny firenena sy ny vahoaka ankehitriny e ! Eny fa na ireo notambazana sô sy koveta tamin’ny fifidianana teo aza anie, ka mba iantraikany e ! Izany fahalalahana ara-toekarena izany moa dia toa nofinofy satria izay orinasa Malagasy mba misongadina sy mivoatra betsaka no trongisina amin’ny hetra midangana. Ny valalabemandry moa iaraha-mahita, fa tototra ao anaty fahasahiranana, difotry ny vidim-piainana, kiviana amin’ny endriny maro mba hahafahana milalao ny fahalemeny sy manao fitaovana azy. Asa tokoa re na izaho no tsy mahari-pery sy toa maniry manitra toy ny alika miambozon-koditra fotsiny eto, manantena Rameva hiditra amin’ny vody fanjaitra ! Tsy afaka ny hiraviravy tànana sy hanetsetra lava eto anefa, fa ny fanatanterahana ny nofy ririnina tena hisian’ny fanovana, dia ny fandraisan’andraikitra dieny izao na inona na inona mety ho endrika isehoany !
Tia Tanindrazana
 

Dans la même rubrique

17-oct-2024

Anisan’ireo fikambanana resy lahatra ny amin'ny vinan'ny Tahiana Razafinjoelina (TR) ny Tanora Miharisoa 67 ha

Card image cap
17-oct-2024

Mihamafy ny tsindry ho an’ny Fitondrana Rajoelina na efa mafy aza ny vesatra eo anatrehan’ny krizy ara-tsosialy

Card image cap
17-oct-2024

Mafampana hatrany ao Tsimbazaza ao anatin’izao fivoriana ara-potoana eo anivon’ny Antenimierampirenena izao.

Card image cap
16-oct-2024

Aok’izay, tsy atao sosety, tsy atao lafika izany intsony , tsy atao tohatra fiakaana izahay ambany tanana fa mila olona tena hitondra ny fanovana,

Card image cap
16-oct-2024

Ny fanotronan’ny filohan’ny Vaomieram-pirenena mahaleotena misahana ny fifidianana na CENI

Card image cap
16-oct-2024

Niditra amin'ny fivoriana ara-potoana nanomboka omaly 15 oktobra ny antenimierampirenena.

Card image cap