airtel

Politique

01-oct-2024

Rivo Rakotovao

« Manohana ahy ny Firaisankina ankoatra ny « Pro-Siteny » »

Sample post image

Nanamafy ny firotsahan-kofidiany ho ben’ny tanàna ny Mpandrindra nasionalin’ny Antoko HVM

01-oct-2024

sady efa filoham-panjakana teo aloha Rivo Rakotovao. Noho ny sakana nahazo azy nataon’ny Pro-Siteny, dia nivadika ho amin’ny anaran’ny antoko misy azy fa tsy amin’ny anaran’ny vovonana nirotsahany tamin’ny voalohany, saingy nanipika fa manohana azy avokoa ny mpikatroka ao anatin’io, ankoatra ny fikambanana iray izay nitsivalana. « Hirotsaka ho fidiana ho Ben'ny Tanànan'i Mahajanga I ny tenako, izay atolotry ny antoko HVM. Mifanome tanana sy miray hina amiko amin'izao hazakaka izao ireo antoko politika mandrafitra ny vovonana Firaisankina (ankoatra ny Pro-Siteny) sy ireo fikambanana ara-drazana, ara-pinoana sy ara-piaraha-monina izay mandrafitra ny lisitr'ireo mpanolontsaina 19 miaraka amiko Hijoro aho hamaly babena sy hitondra ny anjara birikiko ho fampandrosoana an'i Mahajanga tanàna nahabe », hoy i Rivo Rakotovao. Asa hanao ahoana izany ny fizotry ny fifidianana ao Mahajanga ?
Toky R
 

Dans la même rubrique

17-oct-2024

Anisan’ireo fikambanana resy lahatra ny amin'ny vinan'ny Tahiana Razafinjoelina (TR) ny Tanora Miharisoa 67 ha

Card image cap
17-oct-2024

Mihamafy ny tsindry ho an’ny Fitondrana Rajoelina na efa mafy aza ny vesatra eo anatrehan’ny krizy ara-tsosialy

Card image cap
17-oct-2024

Mafampana hatrany ao Tsimbazaza ao anatin’izao fivoriana ara-potoana eo anivon’ny Antenimierampirenena izao.

Card image cap
16-oct-2024

Aok’izay, tsy atao sosety, tsy atao lafika izany intsony , tsy atao tohatra fiakaana izahay ambany tanana fa mila olona tena hitondra ny fanovana,

Card image cap
16-oct-2024

Ny fanotronan’ny filohan’ny Vaomieram-pirenena mahaleotena misahana ny fifidianana na CENI

Card image cap
16-oct-2024

Niditra amin'ny fivoriana ara-potoana nanomboka omaly 15 oktobra ny antenimierampirenena.

Card image cap