airtel

Politique

30-sept-2024

Rivo Rakotovao

Voasakan’ny Pro-Siteny tsy hitondra ny anarana Firaisankina

Sample post image

Niitatra ary tsy nety niravona ny fifandirana teo amin’i Rivo Rakotovao izay nanantena ny

30-sept-2024

hitondra ny anaran’ny Vovonana Firaisankina sy Afakandro Christian izay nanosika kandida amin’ny alalan’ny Pro-Siteny. Nanao fanoherana an’io teny amin’ny CENI mantsy ny ekipan’ny Pro-Siteny satria voalaza fa tsy neken'i Siteny Randrianasoloniaiko hatramin'ny farany ny hoe ingahy Ravalomanana irery no nanao sonia ny taratasy nanendry an'i Rivo Rakotovao, ka nandeha ny fitoriana teny amin'ny CENI. Vokany, nilatsaka ny didy fa tsy afa-mampiasa ny anarana « Firaisankina » na ny andaniny na ny ankilany. Voalaza fa mazava tsara ny sata nananganana ny Vovonana Firaisankina fa i Marc Ravalomanana sy Siteny Randrianasoloniaiko no miara-manapaka sy manao sonia rehefa misy fanapahan-kevitra hatao. Arakaraka ny tanjaky ny antoko amin’ny toerana iray no handrotsahana kandida ka nilazana fa ny Pro-Siteny no matanjaka ao Mahajanga satria manana ny depiote Afakandro Christian. Miteraka adihevitra ihany koa anefa ny kandida atolotry ny Pro-Siteny izay voalaza fa olon’ny IRMAR ihany ka tonga hatrany amin’ny fifampiampangana ho misy mpamadika ao anatin’ilay vovonan’ny mpanohitra iray io, miverina hatrany amin’ny raharaha Collectif des candidats nialohan’ny fifidianana 2023 izay ny fandehanan’ny kandida iray nandeha nanao propagandy no lasa nanome vahana an’ilay kandida tokana notoherina, hoy ny feo avy any anatin’ny fanoherana sasany. Henjana ilay politika !?
Toky R

 

Dans la même rubrique

17-oct-2024

Anisan’ireo fikambanana resy lahatra ny amin'ny vinan'ny Tahiana Razafinjoelina (TR) ny Tanora Miharisoa 67 ha

Card image cap
17-oct-2024

Mihamafy ny tsindry ho an’ny Fitondrana Rajoelina na efa mafy aza ny vesatra eo anatrehan’ny krizy ara-tsosialy

Card image cap
17-oct-2024

Mafampana hatrany ao Tsimbazaza ao anatin’izao fivoriana ara-potoana eo anivon’ny Antenimierampirenena izao.

Card image cap
16-oct-2024

Aok’izay, tsy atao sosety, tsy atao lafika izany intsony , tsy atao tohatra fiakaana izahay ambany tanana fa mila olona tena hitondra ny fanovana,

Card image cap
16-oct-2024

Ny fanotronan’ny filohan’ny Vaomieram-pirenena mahaleotena misahana ny fifidianana na CENI

Card image cap
16-oct-2024

Niditra amin'ny fivoriana ara-potoana nanomboka omaly 15 oktobra ny antenimierampirenena.

Card image cap