airtel

Politique

14-juin-2024

RMDM

«Foano iny fifidianana iny, esory ny Filoham-pirenena »

Sample post image

Tsy fifidianana no natao teto fa fangalaram-bato, ary tsy mbola fahita tao anatin’ny 60 taona, hoy ny RMDM,

14-juin-2024

manoloana ny fifidianana depiote. Nanamafy, fa mitana ny hevitra niraisany tamin’ny Collectif des candidats momba ny fanadiovana ny fifidianana amin’ny alalan’ny fanoloana ny CENI sy HCC. Vita ny fifidianana solombavambahoaka, saingy tsy nahomby ny CENI! Fifidianana feno hosoka satria samy milaza na ny mpanohitra, na ny avy amin'ny Fitondrana, na ny tsy miankina fa nisy hala-bato, nisy bileta voamarika mialoha,… Mangataka amin’ny HCC hanafoanana iny fifidianana iny ka fifidianana tena madio tsy misy hosoka no atao atao eto Madagasikara, hoy ny RMDM tamin’ny alalan’i Tabera Randriamanantsoa. Niantso ny fanonganana ny filoham-pirenena amin’ny alalan’ny "empêchement" ihany koa izy ireo satria nandika lalàna tamin’ny fitetezam-paritra nanohana mivantana kandidam-panjakana, ary isan'ny voalohany tokony hofoanana ny vaton'ireo kandida tany amin'ireo toerana nalehany, hoy hatrany i Tabera Randriamanantsoa. Naneho izy ireo fa manohana ny nambaran’ny Firaisamonim-pirenena Safidy teo anatrehan’ny fitanilan’ny filoha, ka tokony hampiharina ny « empêchement » satria filoha manitsakitsaka lalàmpanorenana ary tsy Malagasy ka tsy miraharaha ny lalàna eto, hoy hatrany io Minisitra teo aloha io. Nilaza kosa ny Pasitera Edouard Tsarahame, niainga ny zavatra hitany tany Toliara nialoha sy nandritra ny fifidianana. « Mandainga ny CENI raha milaza fa mahaleotena. Porofo miharihary no hita satria ny kandidam-panjakana nanao propagandy tamin'ny tobin'ny zandary ny kandidam-panjakana, namory ny mpikamban'ny CENI isaky ny birao fandatsaham-bato, namory sefom-pokontany rehetra,... fa nijery fotsiny ny HCC sy ny Lehiben’ny distrika », hoy ity mpitarika ny RMDM ity. Sady tsy mahaleo tena no miandany ny CENI, raha ny nambaran’ity farany. Nitombo ny voka-pifidianana, ambany ben y vato azon’ny kandidam-panjakana ka lasa adidin’ny CENI ny mampitombo izany, ary betsaka ny porofo aty aminay raha mitady izy, hoy ity farany. Raha efa nampian'ny CENI Toliara 1000 ny vaton'ny kandidam-panjakana tao Toliara, dia mbola nampian'ny CENI Foibe 1000 indray ihany koa ka inona ity ataonareo ary mitady inona ? hoy i Pr Edouard Tsarahame. Tsy hanaiky ny fanaovana ny safidiny ohatr’izany ny olona, ary terena ho olona tsy voafidiny no hitondra azy, ka tokony holazaina fa depioten’ny CENI fa tsy depioten’ny Malagasy. Niantso ny Vovonana Firaisankina sy ny KMSB tsy hihemotra ary vonona ny hiady ho an’ny safidim-bahoaka noho izany ny RMDM, ary tsy azo ekena intsony ny tsy fahamarinana sy fandikan-dalàna lava diso tafahoatra.
Toky R
 

Dans la même rubrique

22-oct-2024

fa kosa tsy azo atao ny mangina sy mikipy eo anatrehan’izao fahapotehana maro lafy izao.

Card image cap
22-oct-2024

Tao anatin’ny herinandro latsaka kely nanombohan’ny Asa Maharitra ho an’Antananarivo na AMA

Card image cap
22-oct-2024

Tsy zava-baovao ny fihetsiketsehan’ny mpanao politika mialohan’ny fampielezan-kevitra tahaka izao,

Card image cap
22-oct-2024

Taorian’ny Kaominina Alasora Avaradrano dia fantatra fa efa ahitana ilay lalao maloto momba ny fifidianana

Card image cap
21-oct-2024

Feno herintaona ny nisian’ny vondron-kery manokana vonjy taitra GFSI (Groupement des Forces Spéciales d’Intervention)

Card image cap
21-oct-2024

Tsy fampanantenana sy toky fitaka hatrany no ilaina, asa no ilain’ny vahoaka fa tsy fampanantenana poakaty, hoy ny kandida Tahina Razafinjoelina ny sabotsy teo,

Card image cap