airtel

Politique

05-oct-2023

Roland Ratsiraka »

Misy zandary vazaha mibaikobaiko ny zandary …

Sample post image

Fitakiana fifidianana madio, mangarahara, eken’ny rehetra no fitakianay

05-oct-2023

kandida ho filoham-pirenena miisa 11 sy solombavambahoaka sy ben’ny tanàna ary olomboafidy sy ny rehetra, hoy ny kandida ho filoham-pirenena avy amin’ny antoko politika Malagasy tonga saina na MTS, Roland Ratsiraka, tetsy amin’ny Colbert Antaninarenina omaly. Isan’ny nitarika, niteny, namerimberina im-betsaka ny tenako, hoy izy, hoe ity fitakiana ity dia fitakiana am-pilaminana ka mba miangavy ny mpitandro filaminana mba tsy hitifitra grenady mandatsa-dranomaso sy ny sisa ary indrindra rehefa tonga eo amin’ny sakana izahay dia mihemotra. Rehefa tonga tany amin’ny sakana ambony izay dia isan’ny niteny aho hoe andao hiverina. Rehefa tonga tamin’ny sakana na barazy taty ambany koa izahay dia isan’ny niteny aho hoe am-pilaminana ity. Notifirin-drizareo baomba mandatsa-dranomaso indray izahay. Voa ny fiarako. Naratra ny mpiambina ahy. Niantso ahy teo ny tany Toamasina fa misy zandary vazaha manao akanjo zandary malagasy. Manao fisamborana dia mibaikobaiko ny zandary ao Toamasina. Naheno aho hoe misy mersenera nirahin-drizareo hamono ny kandida. Mila mamaly izany ny SEG sy praiminisitra. Efa nampitaiko tamin’ny masoivohon’ny vondrona eoropeanina sy frantsay ny vaovao. Niantso ahy i Andry Rajoelina ny 2009 satria misy olana amin’ny tsy fanajana demokrasia sy tany tan-dalàna teto amin’ny firenena dia ny fanaovana ampihimamba ny harem-pirenena sy ny sisa. Isany nijoro ny tenako. Olona tsotra tsy tia herisetra ny MTS. Ity “chou-fleurs” na laisoa voninkazo ity izany no marika ho anay. Isan’ny hitondra azy io izahay manomboka rahampitso (TTF: anio) ho marika fa fitakiana anaty filaminana miaraka amina legioma fa tsy hiady amina basy no ataonay. Nitaky izany koa ny filoha Andry Rajoelina tamin’ny tetezamita nefa ankehitriny dia izy mihitsy no tsy manaja lalàna ary mibaiko ny fitondram-panjakana. Ahoana no ahatokisana fa hadio ny fifidianana nefa mbola eo io governemanta io? Governora maromaro no tao amin’ny ARENA omaly. Fomba ahoana no hanekena izany? Governora izany tokony tsy hitanila. Toy izany koa ny prefe sy sefo distrika. Ny CENI efa mahavita halabato mialoha fifidianana izay tsy azo ekena. Miangavy an’andriamatoa Andry Rajoelina hiaraka hikaon-doha aminay eo ambany fiahian’ny fianakaviambe iraisampirenena sy ny FFKM. Efa vonona ny rehetra fa Andry Rajoelina monja no ohatrany mahazo baiko amin’ny olona hafa hoe aza atao io! Tsinjovy ny vahoaka malagasy ry Andry Rajoelina! Mbola mipetraka ny firaisankinanay 11 mirahalahy, hoy hatrany i Roland Ratsiraka sy ny MTS.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

30-déc-2024

Nanamafy ireo tsy fetezan-javatra samihafa mikasika ny fifidianana ny Antoko TIM tamin’ny alalan’ny Sekretera

Card image cap
30-déc-2024

Azo ambara hoe feno izany izay ny ankamaroan’ny an-tanan-tohatra ilàna fifidianana,

Card image cap
27-déc-2024

Raha ny fanazavàna siantifikan’ireo manam-pahaizana momba ny siansa mikasika ny olombelona sy ny

Card image cap
27-déc-2024

Niverina azo tsidihina sy jerena ny tranonkalan’ny CENI taorian’ny fanakatonana azy nanomboka ny 21 desambra lasa teo rehefa nisy valim-pifidianana

Card image cap
27-déc-2024

Niakatra fampanoavana omaly ireo voarohirohy tamin'ny raharaha trafikana sokatra saron’ny zandary teny

Card image cap