airtel

Politique

07-juin-2024

Sakoroka sy fanoherana ara-pifidianana

Distrika 16 ambony be ny ambana…

Sample post image

Mafampana ny toe-draharaha mikasika ny fifidianana amin’izao fotoana izao,

07-juin-2024

ka betsaka ny mety ho olana aterak’izany eo anatrehan’ny lonilony sy tsy fahatokisana maro samihafa. Any amin’ny CENI sy ny HCC ny mason’ny rehetra hoe : tena mandeha amin’ny ara-drariny sy araka ny tokony ho izy ve ny fikirakirana sy famoahana ny fironam-bokatra sy ny vokatra feno vonjimaika ? Hanao ahoana ny fitsarana sy ny didy mikasika ireo fitoriana mety efa an-jatony ? Tena hivoaka ny ara-drariny sa hiverina ny azo araisina fa tsy mitombina ? Henjakenjana ity fifidianana iray ity fa tsy tahaka ireo teo aloha izay toa nentina tamin’ny didin’ny besandry ara-bakiteny, ka nangina ny rehetra rehefa nilatsaka ny didy tsy azo ivalozana na betsaka aza ny nahatsapa fa betsaka ny tsy ara-drariny, maro ireo noresena tamin’ny fomba mamohehitra, tao ny fifidianana nandresen’ny mpanohitra saingy nofoanana an-kitsirano toy ny tamin’ny fifidianana ben’ny tanàna,… Efa io mitsangana io, ohatra, ny Komity miaro ny safidim-bahoaka na KMSB izay tany amin’ny taona 2001-2002 no nisian’ny fiaraha-mientana lehibe tahaka izany, raha ny tantara. Raha ny loharanom-baovao, distrika 29 eo farafahakeliny no ahiana hisy ny korontana sy fanoherana ny voka-pifidianana eo anatrehan’ny mety ho fahatsapana tsy fahamarinana sy tsy ara-drainy, ka 13 no sokajiana ho mampanahy saingy tsy dia ahiana be ny hisehoany na « trouble et contestation moins probable» dia ny ao Tsihombe, Betafo, Ambalavao, Ikalamavony, Vondrozo, Nosy Varika, Mahajanga I, Maevatanana, Toamasina I, Mahabo, Belo Tsiribihina, Miandrivazo. Mahatratra 16 kosa ireo distrika ambony ny herijika mety hisiana savorovoro sy fanoherana na « trouble et contestation très probable », dia Antanifotsy, Faratsiho Ambilobe, Ambositra, Manandriana, Ambatofinandrahana, Ihosy, Farafangana, Vangaindrano, Ambatondrazaka, Mahanoro, Sakaraha, Betroka, Amboasary Atsimo, Antanimora Sud, Beloha. Amin’ny ankampobeny, ny fahatsapana tsy fahadiovan’ny fifidianana nialoha sy nandritra ary taorian’ny fifidianana, ny mety ho fanatsimbadihana voka-pifidianana, ny mety ho fanoheran’ny kandidam-panjakana ny fahareseny,… no isan’ny heverina fa mety anton’ireny. Taorian’ny fifidianana dia efa nisy ireo tranga samihafa, toy ny fahamaizana biraon’ny CENI tao Tsiroanomandidy sy tany Tsihombe, ny fidinana an-dalambe tany Ambatofinandrahana,… Betsaka ihany koa ireo tranga miendrika hala-bato, hosoka, herisetra,… Raha mijery ireo distrika 16 izay tena ahiana, dia saika distrika tsy itarihan’ny kandidam-panjakana ny ankamaroany, ary ambony ny risika hisian’ny fanoherana ny mety ho pasoka daomy hanomezana tombondahiny ny hafa. Andaniny, na ny avy amin’ny fanoherana na ny avy amin’ny tsy miankina dia betsaka amin’izao fotoanan izao no henjehina sy soketaina ho nangala-bato, ka nisy ihany koa ohatra omaly, ny fanambarana nataona kandida tsy miankina miisa 18 nijoro manohitra ny fanasoketana, ka niantso ny CENI sy ny HCC hamoaka am-pahamarinana ny vokatry ny safidim-bahoaka. Izay, hoy izy ireo, no fototry ny filaminana eto amin’ny Firenena.
Toky R

 

Dans la même rubrique

22-oct-2024

fa kosa tsy azo atao ny mangina sy mikipy eo anatrehan’izao fahapotehana maro lafy izao.

Card image cap
22-oct-2024

Tao anatin’ny herinandro latsaka kely nanombohan’ny Asa Maharitra ho an’Antananarivo na AMA

Card image cap
22-oct-2024

Tsy zava-baovao ny fihetsiketsehan’ny mpanao politika mialohan’ny fampielezan-kevitra tahaka izao,

Card image cap
22-oct-2024

Taorian’ny Kaominina Alasora Avaradrano dia fantatra fa efa ahitana ilay lalao maloto momba ny fifidianana

Card image cap
21-oct-2024

Feno herintaona ny nisian’ny vondron-kery manokana vonjy taitra GFSI (Groupement des Forces Spéciales d’Intervention)

Card image cap
21-oct-2024

Tsy fampanantenana sy toky fitaka hatrany no ilaina, asa no ilain’ny vahoaka fa tsy fampanantenana poakaty, hoy ny kandida Tahina Razafinjoelina ny sabotsy teo,

Card image cap