airtel

Politique

30-juil-2024

Samy tsy nahita vahaolana izy mirahalahy

«Tonga amin’ny fetrany ilay mpitondra fanjakana»

Sample post image

Ny fomba repoblikanina dia mametraka fa tsy tokony hihoatra ny 72 ora aorian’ny fametrahana

30-juil-2024

ny praiminisitra lehiben’ny governemanta ny fanendrena ireo minisitra handrafitra izany governemanta izany, hoy ny antoko politika Otrikafo. Ny antsika nefa ity, hoy ny filohan’izy ireo, Elia Rabevahiny, efa ho iray volana latsaka mbola tsy tafapetraka ihany. Misy antony maromaro mety mahatonga izany. Eo ny hoe ilay rivotra politika mitsoaka mihitsy no mety mahatonga ny fitondram-panjakana amin’izao fotoana izao sahirana manendry mpikamban’ny governemanta. Mandeha tsinona ny tsilian-tsofina amin’izao fotoana izao fa misy fifanatonana any ambadimbadika any ataon’ny fitondram-panjakana amin’ireo milaza azy ho mpanohitra sasantsasany. Somary mahavariana ihany izany resaka izany satria misy karazana fisokafana somary sadasada izany heverin’ny mpitondra fanjakana ho atao ary maha may ny mpanohitra sasantsasany. Mety ho antony iray mampitarazoka an’io izay fa ny faharoa koa dia ny hoe nisy ny faraparan’ny herinandro teo izany ny fihaonan’andriamatoa Andry Rajoelina sy Emmanuel Macron tany amin’ny lapan’i Elysée. Mbola omena anjara toerana ngezabe amin’ny fiainam-pirenena eto Madagasikara izany ny frantsay. Izay lafiny miisa 2 izay izany aloha no isan’ny maha tara ny fitsanganan’ny governemanta satria mandeha koa ny resaka fa manery ny hisian’ny fihaonambem-pirenena ny frantsay. Ho an’ny Otrikafo moa na ho tara io na hisy na tsy hisy dia efa 6 taona izay no naha praiminisitra lehiben’ny governemanta an’i Ntsay Christian. Tsy fotoam-piasana voalohany an’i Andry Rajoelina koa anefa ity fa efa fanohizana. Ny dikan’izay samy tsy nahita vahaolana izy mirahalahy. Mikatso ny raharaham-pirenena satria efa tonga amin’ny fetrany ilay mpitondra fanjakana. Izay izany no tsy maintsy hitadiavantsika hevitra ialan’ny firenena amin’izao fahantrany izao, hoy hatrany ny Otrikafo.
J. Mirija

 

Dans la même rubrique

17-oct-2024

Anisan’ireo fikambanana resy lahatra ny amin'ny vinan'ny Tahiana Razafinjoelina (TR) ny Tanora Miharisoa 67 ha

Card image cap
17-oct-2024

Mihamafy ny tsindry ho an’ny Fitondrana Rajoelina na efa mafy aza ny vesatra eo anatrehan’ny krizy ara-tsosialy

Card image cap
17-oct-2024

Mafampana hatrany ao Tsimbazaza ao anatin’izao fivoriana ara-potoana eo anivon’ny Antenimierampirenena izao.

Card image cap
16-oct-2024

Aok’izay, tsy atao sosety, tsy atao lafika izany intsony , tsy atao tohatra fiakaana izahay ambany tanana fa mila olona tena hitondra ny fanovana,

Card image cap
16-oct-2024

Ny fanotronan’ny filohan’ny Vaomieram-pirenena mahaleotena misahana ny fifidianana na CENI

Card image cap
16-oct-2024

Niditra amin'ny fivoriana ara-potoana nanomboka omaly 15 oktobra ny antenimierampirenena.

Card image cap