airtel

Politique

24-août-2023

Politique

Siteny Randrianasoloniaiko “Raha misy krizy eo dia avy amin’ny Filoha ankehitriny”

Sample post image

Isan’ireo nanasonia ny sata ara-potondran-tenan’ny antoko politika ny Sekretera Nasionalin’ny PSD sady kandida ho Filoha Siteny Randrianasoloniaiko omaly,

24-août-2023

nanamafy ny sonia efa nataon’ny Sekretera Nasionaly teo aloha, ka naneho fa manaja ny soatoavin’ny fihavanana io antoko io. Nambarany kosa, fa raha zavatra hita dia ohatran’ny te hisy krizy ity fifidianana ity. Iaraha-mahalala, hoy izy, ny olana momba ny CENI, ny fahaleovantenan’ny CENI, HCC, ny zom-pirenen’ny Filoha, tsy fahampiam-bola, tsy fahafahana maneho hevitra an-kahalalahana, ka izany rehetra izany no mety hiteraka krizy, ka izay no mahatsara ny fametrahan’ny antoko rehetra ny hambom-pony, ka mametraka ny fihavanana. Nilaza I Siteny Randrianasoloniaiko fa manahirana ny zavatra natao sonia, tahaka ny fifanarahana rehetra, saingy nohitsiany fa raha misy ny krizy dia avy amin’ny Filoha ankehitriny Andry Rajoelina. “Tonga dia teneniko mahitsy, enga anie tsy hisy fanafintohinana avy amin’ny fiitondrana. Izay ihany angamba no mety hanimba izay zavatra izay satria raha tsy diso aho ohatran’ny tsy misy antokon’ny fitondrana TGV nanao sonia teo. Izay indrindra no ahiana, kanefa aza hadinoina fa ny 2018 saika handalo krizy isika, matoa nisy ny depiote 73, nisy fifanarahana fanovana governemanta, nisy krizy fa isaorana ny Prezida teo aloha nandefitra na dia izy aza no nipoirany na tiana na tsy tiana, saika hosakanana ny kandida roa fa nandefitra izy. Ny Filoha Ravalomanana dia nandresy teto Antananarivo 75%, eo amin’ny 1,2 tapitrisa latsaka ny vatony teto. Ny krizy sy korontana rehetra teto Madagasikara anefa hatrizay avy teto Antananarivo ny ankabeazany, kanefa nandefitra izy na nisy azan y “doublons””. Raha misy krizy dia miankina amin’ny Filoha ankehitriny Andry Rajoelina satria izy no filoha, ny rehetra no nanasonia, fa ny antokony tsy teo. Raha tiany hisy krizy io dia misy krizy, raha tsy tiana hasiana dia tsy misy”, hoy I Siteny Randrianasoloniaiko. Nanamafy ihany koa ny tenany fa misy ny fanasarotana ny antontan-taratasy filatsahan-kofidiana. Ny kandida rehetra vonona, eo amin’ny 15 eo no hitako efa vonombonona, fa ny fitondrana no tsy vonona, hoy izy. Misy izao efa vonona handoda ilay 200 tapitrisa Ar fa ny Fanjakana no tsy vonona, ilay taratasin-ketra 211bis nohasarotina,… Tsy ny kandida no tsy vonona sy tsy te hanara-dalàna, fa ny Fanjakana mihitsy no tsy no vonona, very iray andro ny kandida ka hampitomboana iray andro ihany koa ve ny fe-potoana hametrahana ny filatsahan-kofidiana. Firenena no resaka, fifidianana ho Filoha io, ka tsy tokony hatao goragora, hoy I Siteny Randrianasoloniaiko.
Toky R
 

Dans la même rubrique

17-oct-2024

Anisan’ireo fikambanana resy lahatra ny amin'ny vinan'ny Tahiana Razafinjoelina (TR) ny Tanora Miharisoa 67 ha

Card image cap
17-oct-2024

Mihamafy ny tsindry ho an’ny Fitondrana Rajoelina na efa mafy aza ny vesatra eo anatrehan’ny krizy ara-tsosialy

Card image cap
17-oct-2024

Mafampana hatrany ao Tsimbazaza ao anatin’izao fivoriana ara-potoana eo anivon’ny Antenimierampirenena izao.

Card image cap
16-oct-2024

Aok’izay, tsy atao sosety, tsy atao lafika izany intsony , tsy atao tohatra fiakaana izahay ambany tanana fa mila olona tena hitondra ny fanovana,

Card image cap
16-oct-2024

Ny fanotronan’ny filohan’ny Vaomieram-pirenena mahaleotena misahana ny fifidianana na CENI

Card image cap
16-oct-2024

Niditra amin'ny fivoriana ara-potoana nanomboka omaly 15 oktobra ny antenimierampirenena.

Card image cap