airtel

Politique

02-juil-2024

Soalihy Moussa

«Nipetraka foana hatramin’izay ny maha fitsaràna politika ny HCC!»

Sample post image

Tsy voatery hahafa-po avokoa ny didy avoakan’ny HCC saingy tsy azo ivalozana moa,

02-juil-2024

hoy ny mpandinika raharaham-pirenena sady mpiandraiki-draharaha eo anivon’ny fiadidiana ny repoblika, Soalihy Moussa. Efa mpiseho izany, hoy izy. Nametraka ny nantsoina hoe «Pacte de responsabilité» na dinan’andraikitra io rafitra io tamin’ny andron’ny fitondrana HVM dia tsy maintsy nekena satria tsy azo nivalozana. Demokraty avokoa ireo nilatsaka ho fidiana ireo dia nanaiky an’izay. Raha nisy angamba olona natahorana hitroatra tamin’ireny dia Lalatiana Rakotondrazafy kanefa dia nanaiky izy ary hisaorana azy nanaiky ny fahareseny. Hisaorana daholo, noho izany, ny kandida rehetra na mpomba ny fitondrana io na mpanohitra na tsy miankina fa samy mba nanaiky iny didy navoakan’ny HCC iny. Na tiana na tsia dia tsapa fa niteraka fitoniana iny didy iny. Hitantsika fa tsy dia mba nisy fanoherana na hoe «contestation» taorian’izany. Fitoniana haharitraritra mihitsy ary hisaorana ny HCC fa tena voalanjalanjan-drizareo ny didy navoakany. Hita tamin’ny fihetsiky ny mpanao politika moa izany taorian’ilay didy nivoaka. Fitsarana avo ny HCC fa na izany na tsy izany koa aza anefa dia fitsaràna politika na «juridico-politique» no ataony. Nipetraka foana hatramin’izay ny maha fitsaràna politika izany HCC izany! Izay no nanomezako ohatra ilay «Pacte de responsabilité» tamin’ny fotoan’androny teo. Niteraka resabe iny fa napetraky ny HCC ny maha «juridico-politique» azy. Isan’ny andraikitry ny HCC ny mametraka fitoniana anaty firenena. Nipetraka foana io atao hoe fitsaràna politika io hatramin’izay. Niteraka fitoniana eo amin’ny sehatra politika ilay fanapahan-kevitra fa niteraka fitoniana koa eo amin’ny sehatry ny vahoaka. Isaorana ny vahoaka malagasy fa na ny vahoaka malagasy koa aza mahatsapa fa tsy fotoana intsony izao andeha hikorontana na ny tahaka izany, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija

 

Dans la même rubrique

22-oct-2024

fa kosa tsy azo atao ny mangina sy mikipy eo anatrehan’izao fahapotehana maro lafy izao.

Card image cap
22-oct-2024

Tao anatin’ny herinandro latsaka kely nanombohan’ny Asa Maharitra ho an’Antananarivo na AMA

Card image cap
22-oct-2024

Tsy zava-baovao ny fihetsiketsehan’ny mpanao politika mialohan’ny fampielezan-kevitra tahaka izao,

Card image cap
22-oct-2024

Taorian’ny Kaominina Alasora Avaradrano dia fantatra fa efa ahitana ilay lalao maloto momba ny fifidianana

Card image cap
21-oct-2024

Feno herintaona ny nisian’ny vondron-kery manokana vonjy taitra GFSI (Groupement des Forces Spéciales d’Intervention)

Card image cap
21-oct-2024

Tsy fampanantenana sy toky fitaka hatrany no ilaina, asa no ilain’ny vahoaka fa tsy fampanantenana poakaty, hoy ny kandida Tahina Razafinjoelina ny sabotsy teo,

Card image cap